dimanche 28 décembre 2014

Terminons l'année en beauté



Salama tompoko, 

Mifarana sahady ny taona. Mino sy manantena aho fa nahita soa tamin’ity taona 2014 ity avokoa isika rehetra. Na nisy aza ny tsy nety dia tsy maintsy nisy koa ny nety. Raha sanatria ka ratsy no betsaka dia nde hioraka fa tapitra izy ity ka atao ho fanantenana vaovao indray ny taona ho avy. Fa na soa na ratsy ny fahitantsika ny taona izay ivalona afaka andro vitsivitsy dia aoka ankasitraka hatrany satria tombony lehibe ho antsika ny mbola velon’aina.

Ho ahy dia isany zavatra nahafinaritra ahy indrindra tamin’ity taona ity ny nanombohako nanao video ao amin’ny YouTube. Tany amin’ny volana jolay tany aho no tapa-kevitra tamin’izany. Mbola zaza miana-mandeha hatramizao nefa dia ampifaliana lalandava no anaovana izany ary ampifaliana ihany koa ny ahitana fa maro isika no mankasitraka na dia tsy mbola matihanina aza aho. Ny azoko lazaina angamba dia misaotra erampo erantsaina antsika rehetra satria “aventure” mahafinarira ity resaka maquillage ity hatramizao. Roa taona izao ny pejy Izay tia maquillage no niforona sady antenaina mbola hitohy ela. 

Ity misy tutoriel iray entina mamarana ity taona ity. Mbola te hanao tutoriel iray hafa aho nefa tsy hay ny sampona ka aleoko miteny hoe ity ny farany. Ity ny maquillage ho entiko amin’ny alin’ny faran’ny taona. Fivoriam-pianakaviana moa no hiandrasako ny taona vaovao ka zavatra maivamaivana no natao. Raha handeha alim-pandihizana angamba dia tsaratsara kokoa raha atao betsaka kokoa ny mangirangirana. Jereo ohatra ity tutoriel antsary ity raha maquillage somary sophistiqué no mety aminao hoan’ny réveillon. 

Ampy angamba izay ny resa-be fa indro ilay tutoriel. Enga anie ahazoanareo aingam-panahy. 



Dia mirary antsika rehetra hamarana ny taona 2014 ao anaty hafaliana, fahasalamana sy hasambarana ka hitsena ny 2015 ao anatin’izany zava-tsoa rehetra izany.

Misaotra anao namaky
Dia amin'ny herintaona indray ary e

mardi 9 décembre 2014

Tutoriel en image: maquillage hoan'ny fety

Salama tompoko,

Ho avy sahady ity ny fetin'ny faran'ny taona. Maro ny zava-miseho ao anatin'izany vanim-potoana izany. Isan'ireny ny fety sy lanonana maro, ohatra hoe ny Krismasy sy ny Réveillon an'ny taom-baovao. Fotoana tena tiantsika koa izao hianjaikàna. Ankoatra ny akanjo sy kiraro dia zava-dehibe ho antsika vehivavy ny taovolo, ny taohoho ary ny maquillage ao anatin'izay fianjaikàna izay.

Nohon'ny fiarahako miasa amin'ny Ze mag!dia nanao fampianarana maquillage hoan'ny fety aho. Tsy toy ireo tutoriel en vidéo efa fanaoko ao YouTube izy ity (Jereo ATO raha te ahita izany tutoriels en vidéo izany ianao) fa natao amin'ny sary. Ny loko doré teto no nampiasaina satria isany loko hitako tena tsara hoan'ny fetin'ny faran'ny taona izy io. Aoka izay ny resa-be fa ndao jerentsika ny fomba nanaovana ity maquillage ity. 



Araka ny hitantsika amin'ny sary dia fard crème marron manopy cuivre doré no apetraka voalohany. Aparitaka amin'ny paupière mobile izy io avy eo. Apetraka amin'ny 2/3 ny hodimaso avy eo ny fard doré dia haparitakaindray. Tsy hita eto amin'ny sary moa fa rehefa izay dia atao estompage mba hanalefaka ny sisin'ny fard doré.

Nasiana fard mat mainty ny sisin'ny hodimaso mba anome hendrika somary smoky ny maquillage izay natao. Estomper-na indray ka taritina makaty anatiny ilay mainty iny. Asiana fard mat beige indray ny ambany volomaso (ambany sourcils) mba hitondra ilay atao hoe "touche lumière" na matroka aza ny maquillage dia mazava ihany ny fijery rehefa misy io touche lumière io.

Avy eo dia averina eto ambany amin'ny alalan'ny pinceau kelikely ny loko mainty teo ambony. Asiana crayon mainty koa ao amin'ny muqueuse.

Ny eyeliner sy ny mascara no mamarana ny maquillage-tsika dia vita! Raha mbola tsy mahay manao eyeliner ianao dia jereo ETO fa zaraiko ao ny fomba sy ny fikafika mahasoa, anaovana eyeliner tsotra sy vetivety dia vita.

Faly koa aho mizara aminao ny laharana farany hivoaka hoan'ny Ze Mag amin'ity taona ity. Joie&Noël no loha-hevitra entiny ary tena manimanitra fety tokoa izy ity.

Dia mirary antsika rehetra hanao fety sambatra. 

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko