samedi 30 juillet 2016

Haul de retouuuuur!!!

Salama tompoko,

Asa firy taona izay aho no tsy nanoratra teto. Maro be ny antony, tsy hary ho voataisa. Fa ny mahafaly dia inty aho, tafaverina indray. Asa raha tena tafaverina tokoa na mandalo sy miserana ihany. Fa na izany na tsy izany dia faly aho, tena faly!


Haul no hozaraina anio! Izay vao hanao haul aho eto amin'ity blog ity. Fizarana bon plan angamba no azoko ilazàna azy satria entana novidiko taty Madagasikara, teto Antananarivo no zaraiko androany. Izay no tena mampazoto ahy mizara azy satria maro amitsika aty Madagasikara no afaka mividy azy.

Kit de pinceaux no resahako androany. Asa ianareo fa izaho dia sahirana foana hatrizay mitady pinceaux mba tsaratsara nefa tsy lafo loatra. Efa elaela no nahitako an'ity kit ity tamina site sinoa mpivarotra pinceaux sy maquillage ireny. Efa maro ka ny blogueuses nilaza fa tsara ireo pinceaux ireo. Sady tsara tarehy be ilay izy, satria vita amin'ny hazo ny tahony. Araka ny nantenaiko koa dia malefaka izay tsy izy ny volony sady matevina be.

Misy pinceaux 11 ity kit, izay voafono plastika tsirairay. Avy eo izy rehetra dia nataon'ny mpanamboatra azy ao anaty fonony iray mitambatra, vita amin'ny lamba soga manify.

Ny 6 amin'ireo pinceaux ireo dia natao hoan'ny tarehy, ametrahana ny fond de teint, correcteur, poudre, blush, sns. Ny 5 ambiny kosa no hoan'ny maso. Isany nividianako manokana an'ity kit ity ny fisian'ny pinceaux telo afaka anaovana estompage. Io foana moa no sarotra tadiavina rehefa mividy an'itony kit de pinceaux itony. Matetika mantsy pinceaux plats be dia be fotsiny no mameno azy. D'ailleurs, nisy kits karazany hafa tao amin'ilay mpivarotra fa ity irery no nisy pinceaux estompeurs. Satria moa aho adalana estompage dia tena nadrian'ny saiko mihintsy ity kit iray ity.  


Ny indro kely, raha azoko atao hoe indro, dia kely tsy toy ny nieritreretako azy ireo pinceaux. Ilay kabuki io ohatra dia fohy nohon'ny ankihibeko. Saingy ny hatsaran'ny volony izay malefaka sy matevina aloha dia mahafa-po ahy tanteraka.




Tamin'ny voalohany koa dia nisy nihintsana ny volony. Izany hoe volo roa na telo tamin'ny pinceaux sasany ihany no niala dia izay.

Tao amin'ny Galerie Arena Antanimena  Box 7 no nividianako an'ity kit de 11 pinceaux ity ary 40 000ar ny vidiny.