Salama tompoko,
Asa ianareo fa izaho matetika tia mampiaraka ny loko mangirana sy ny loko tsotra (mat) rehefa manao maquillage. Mampivoaka ny fijery mantsy ny fifangaroan'ireo karazana loko ireo. Tsy azo hadinoina anefa fa ny loko mats maromaro miaraka koa dia mamoaka maquillage tsara jerena. Raha hoan'ny andavanandro dia ireo loko mats ireo aza no hitako mora entina indrindra.
Nanandrana karazana smoky aho teto ka ny marron no tiako nasongadina satria efa ela ihany aho no naniry hanandrana io loko io. Nasiana tsipika mainty manamorona ny volomaso ambony (cils supérieurs) ary nasiana mangirana kely teo amin'ny tendron'ny maso mba hampisokatra ny fijery sy hitondra hazavana kely.
Toy izao no nanaovako azy:
Ny beige aloha no napetraka voalohany teo ambany sourcils mba hanazava an'iny faritra iny ka tsy ahamatroka loatra an'ilay maquillage. Avy eo dia napetraka ny marron antitra teo amin'ny paupière mobile. Rehefa izay dia natao ny estompage, izany hoe afangaro tsara ireo loko mifandray mba tsy hifaritra be. Avy eo dia asiana crayon mainty ny manamorona ny volomaso ambony (ras des cils supérieurs) ka tsindrina fard mainty mba hateza sy ho intense tsara. Raisina indray ny pinceau estompeur dia afangaro sy aparitaka tsara ilay mainty mba ho "fumé" ilay izy fa tsy mifaritra be ny fifandraisan'ny loko marron sy mainty. Asiana fard mainty koa ny moron'ny volomaso ambany dia estomper-na. Avy eo asiana crayon mainty ilay hoditra anaty maso (muqueuse hoy ny teny frantsay) Avy eo maka crayon mangirana (fard en stick gris misy paillettes argentées no nampiasaiko teto) eo amin'ny tendron'ny maso dia faranana amin'ny mascara. Izaho moa tia manisy mascara amin'ny volomaso ambony sy ambany fa afaka tsy asiana ny ambany raha izay no mahazatra anao.
Misaotra anao namaky,
Mandra-piresaka tompoko
lundi 24 novembre 2014
jeudi 6 novembre 2014
Tag#003 The perfect palette
Salama tompoko,
Tag indray no ataoko androany. Efa elaela ihany aho no notondroin'i Michou hanao ity Tag ity fa izao moa vao misy fotoana. The perfect palette noanaran'izy ity. Raha adika tsotsotra dia hoe ny palette tonga lafatra. Ho lava angamba raha azavaina amin'ny antsipirihany fa misy fanotaniana maromaro toy ny tag rehetra. Tag mandeha amin'ny blogs sy chaînes YouTube amin'ny teny frantsay na anglisy izy ity. Noho izany dia nadika tsotsotra amin'ny teny malagasy ireo fanotaniana. Miala tsiny raha tsy tonga lafatra ny dikan-teny. Ankoatra izay dia matetika olona manana palettes be dia be sy mahagaga no manao azy ity. Ny ahy tsy dia betsaka sady tsy misy marques be nefa mba tena tiako ilay tag dia nataoko e. Aza omena tsiny. Aoka izay ny blabla, ndao alefa ny tena resaka.
5- Iza amin’ireo palettes anananao no nanenenanao no nividy azy?
Ilay Ocean dreams araka
izany anarany izany dia misy loko mampanembona ranomasina satria turquoise,
bleu vert sy bleu profond no hita eo.
Eo koa ity palette novidiako efa ela ity izay efa tsy hita intsony ny anarany
Ity iray ity koa toa tsy dia miasa loatra. Palette nisy nanome izy ity. Tsy hitako intsony ny anarany fa palette sinoa aloha e
Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko
Tag indray no ataoko androany. Efa elaela ihany aho no notondroin'i Michou hanao ity Tag ity fa izao moa vao misy fotoana. The perfect palette noanaran'izy ity. Raha adika tsotsotra dia hoe ny palette tonga lafatra. Ho lava angamba raha azavaina amin'ny antsipirihany fa misy fanotaniana maromaro toy ny tag rehetra. Tag mandeha amin'ny blogs sy chaînes YouTube amin'ny teny frantsay na anglisy izy ity. Noho izany dia nadika tsotsotra amin'ny teny malagasy ireo fanotaniana. Miala tsiny raha tsy tonga lafatra ny dikan-teny. Ankoatra izay dia matetika olona manana palettes be dia be sy mahagaga no manao azy ity. Ny ahy tsy dia betsaka sady tsy misy marques be nefa mba tena tiako ilay tag dia nataoko e. Aza omena tsiny. Aoka izay ny blabla, ndao alefa ny tena resaka.
Ity Artist’s it an’i Sephora ity no tiako indrindra ny fonony satria misy
loko pastel mifangaroaro ny ivelany. Ny ao anatiny kosa mainty, hitako
mihaja be.
Gossip Girl an’ny marika Chi Chi izy ity. Loko enina no ao anatiny ary misy
paillettes sy reflets izy ireo. Tena mahasondriana ahy tokoa satria loko tsy fahitako amin'ny palette hafa.(Tsy mivoaka tsara amin'ny sary moa ilay loko fa ialàna tsiny)
Ity coffret Yves Rocher ity no hitako feno tsara satria misy fards à
paupières, blush ary gloss
4- Iza amin’ireo palettes anananao no tsara entina
mandeha lavitra
Satria moa
feno tsara ny coffre Yves Rocher nasehoko eo ambony dia io no hitako tsara
entina mandeha lavitra. Nefa matetika dia zavatra fisapisaka no tsara entina
anaty valizy mba tsy hibahana be loatra, noho izany dia ity palettes 88
couleurs warm ity koa no hitako hoe mety entina lavitra satria fisaka sady feno
tsara ny loko hoan’ny maso. Misy fards tsotra sy fards mangirana izy ity sady loko azo entina amin’ny fotoana rehetra.
5- Iza amin’ireo palettes anananao no nanenenanao no nividy azy?
Tsy misy tena nanenenako. Ity asehoko ity ohatra somary mamovoka ny fards nefa tsy
hanenenako satria tsara ny lokony sady misy brush roa anampiny. Tsy misy marque izy ity fa "vita sinoa".
6- Iza amin’ireo palettes
anananao no tsara indrindra ny anaran’ny fards ao anatiny?
Ireo palettes kely an’ny marika ELF no hitako tsara anarana satria tena mifanaraka tsara amin’ny lokon’ny
fards. Ocean dreams, Drama ary Day 2 Night no ananako.
Ny Drama kosa dia fanaovana smocky eyes.
Ary ny Day 2 Night dia misy fards mazava azo entina amin’ny antoandro ka
ampiana amin’ireo matroka fotsiny ny maquillage raha tiana entina
amin’ny alina.
7- Iza amin’ireo palettes
anananao no tsy dia ampiasainao indrindra?
Eto ampamaliana ireto
fanotaniana ireto aho vao tonga saina fa misy palettes vitsivitsy tsy dia miasa
nefa tena tsara tarehy ny loko ao anatiny.
Isan'ireny ity palette Glam’Eyes 016 (urban flower) an'i Rimmel ity
Isan'ireny ity palette Glam’Eyes 016 (urban flower) an'i Rimmel ity
Eo koa ity palette novidiako efa ela ity izay efa tsy hita intsony ny anarany
8- Iza amin’ireo palettes
anananao no ampiasainao indrindra?
Ato amiko dia misy palettes tena mahazatra, tonga dia voaray isaky ny hanao maquillage. Voalohany indrindra ity 100 couleurs marbrées an’i ELF ity.
Ity Brilliant Brown (201) an’i DB Cosmetics ity koa dia tena miasa tokoa, indrindra amin'ny andavanandro.
Ary tsy hadino sy tsy azo hialàna ilay 88 couleurs warm efa noresahako teo ambony.
9- Lazao anay ny palettes tianao hananana

Lorac pro palette an’i Lorac (na ilay 1 na ilay 2 samy tiako handramana) Sary nindramina tamin'ny blog Beauty101blog.com ity hasehoko ity. Vao nivoaka tsy ela akory izay ny palette Lorac super pro (na mitovitovy amin'izay) dia tiako handramana koa. Tsy vidiam-bola ny mandrevy hoy ny vadiko izay.
10- Iza no tondroinao hanao ity
tag ity ?
Tondroiko hanao ity tag ity izay Malagasy rehetra liana hizara an-tsary na amin'ny vidéo ireo ny
palettes fampiasany.
Jereo ETO ny vidéo nataon'i Michou raha mahaliana anao.
Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko
Inscription à :
Articles (Atom)