jeudi 24 juillet 2014

Maquillage doré sy volo-parasy + envers du décor

Salama tompoko

Mahatsikaiky anie ry reto ity hoe hanao vidéo amin'ny youtube ity e. Jerena ireny vidéo ireny ohatrany hoe zavatra mora be nefa misy asa ao ambadika ao.

Ho ahy manokana dia raharaha be manaraka ny arabe ny fitadiavana toerana hanaovana vidéo. Tsy kilalaon-jaza izy ity hoan'ny reny mbola manana zanaka kely (te hikitika sy te mba halaina sary koa. Sarotra amin'ny zaza ny manaiky hoe toa Neny foana no alaina sary fa tsy izy) Noho izany dia mila toerana mazava, tsy takatry ny zaza nefa koa misy latabatra hametrahana ireo produits ampiasaina. Ny appareil-ko moa tsy misy retour (ilay écran mikopaka azo atodika aty aloha) ka mila fitaratra apetraka aoriany mba hijerena hoe tafiditra tsara ao anaty cadre ve ny maso sa ny mony eo amin'ny handrina sy ny foto-bolo irery no hita. Noho izany dia mila toerana afaka hanankinana fitaratra koa. Ny tena mampiomehy dia misy tokoa ny toerana mazava, misy koa ny latabatra, misy ny azo hanankinana ny fitaratra saingy...saingy toerana samy hafa izany fa tsy toerana iray. Hany ka lasa casse-tête be na ny mitady ilay toerana fotsiny aza.

Manaraka izany dia myope be aho izany hoe vao miala ny solomaso dia flouuuuu, le monde est flou ;-) Nefa mila manala solomaso mazava ho azy ilay manao maquillage. Hany ka tsy hita tsara hoe efa manao mise au point ve ilay appareil sa mbola flou. Androany moa tamin'ny nanaovana ity maquillage zaraiko aminareo ity dia flou daholo ilay vidéo iray manotolo. Ny fijeriko azy eo amin'ilay fitaratra ohatrany efa net kanjo flou iray lavaka. Hany ka nadinoina ny vidéo fa sary sisa nalaina. Nefa anie dia nitandrina mafy ery tamin'ny cadrage e :-( Raha hitanareo dia mena foana ny masoko rehefa ao anaty vidéo. Mbola noho izaho myope ihany no mahatonga izany satria vizana ny masoko raha vao miala elaela ny solomaso.Misy fotoana aza misy ranomaso kely mihintsy.

Asa be koa ny fanaovana montage. Raha ampy fitaovana, ohatra hoe manana iMovie na Final Cut Pro dia tena mahafinaritra ny manao montage fa amin'ny Windows movie maker aloha dia e e e lahasa be mandreraka. Efa nampiasa Final Cut Pro aho fa tena lafatra e. Misy logiciel hoe Wondershare iny koa tsara hoan'ny PC fa ho ahy manokana aloha mbola tsy possible izany hividy logiciel 50€ izany e hihihi angamba gaga sy talanjona ny ato an-trano hoe hanaovana montage hoan'ny vidéo maquillage no hividianana an'izany ;-)

Mbola asa koa ny fampidirana an'ilay vidéo ao amin'ny Youtube. Ratsy loatra ny connexion aty Madagasikara hany ka ireny vidéo kely 5 na 6min ireny dia mila adiny roa indraindray vao tafiditra. zava-doza lehibe hoy ilay mpiara-mianatra tamiko taloha izay.

Izany eo ihany, asa be tokoa, nefa tiana matoa atao. Ho ahy manokana dia tena passion ity resaka maquillage ity. Na izaho aza gaga amin'ny fotoana alefako ao amin'ny administration ny pejy ao amin'ny Facebook, ao amin'ny montage sy upload Youtube. Eo koa ny fitiavana hividy izao produits rehetra izao. Tena azoko tsara ny mahatonga ny youtubeuses sasany manana produits mameno trano satria rehefa tiana izay ilay zavatra dia lasa te hividy foana.

Aoka izay ny blabla. Ireto ny produits nampiasaiko tamin'ny maquillage nataoko androany.



All over color stick ELF (toasted) natao base an'ilay fard doré


Crayon violet natao base an'ilay fard violet sy natao anaty muqueuse ambany (désolée pour la mise au point de mairde :P )


Fards doré, violet ary beige tao anatin'ny palette 100 couleurs marbrées an'i ELF


Mascara mainty

Dia ireto ny vokatra:




Tsy dia sarotra io satria apetraka amin'ny 2/3 ny hodimaso ny base toasted sy fard doré ary atao amin'ny 1/3 sisa ny crayon sy fard violet. Atao toy izay koa ny ambany maso. Eo ambany volomaso (sourcils) ny fard beige. Ny estompage sisa mitondra ny ambiny. Avy eo moa zany asiana mascara mazava ho azy. Ireto ny sary mifanaraka amin'izany resa-be rehetra izany.

Misaotra anao namaky.
Mandra-piresaka tompoko.


mercredi 23 juillet 2014

Tena mahasoa tokoa ve ny vahona?

Salama tompoko

Faheno matetika hoe tsara ny vahona. Asa raha fantatrareo ny atao hoe vahona. Raha jerena dia mitovy karazana amin'ny taretra ny vahona. Mety manotany ianareo hoe fa inona koa izany taretra? hihihi Jereo amin'ny google anie ny hoe Aloe Vera e, ITY  ilay atao hoe vahona.

Efa taona maromaro izay aho no nisy nanoro hoe raha olona tsy salama lava, eny fa na misy cancer aza dia mety ho sitran'ny vahona. Amin'izay fotoana izay dia ohanina ny vahona fa tsy io vahona hita eny an-tsena io akory an. Misy ireny fanafody fisotro varotana eny amin'ny Homeopharma ireny dia ireny hono tsara hitaizana vatana satria ody fery anaty.

Efa heno matetika koa fa betsaka ny tombotsoa azon'ny hoditra amin'ny vahona. Vao naheno izao karazana vertus ny vahona rehetra izao aho dia te hanandrana nefa nisy niteny hoe tsy mety ny vahona nodidina tamin'ny antsy (na tamin'ny vy hafa) fa mila tapahana tanana. Hany ka tsy dia sahy nividy loatra aho teny an-tsena satria misy mivarotra ireny ravina vahona ireny. Misy ohatra manoloana ny hopitaly HJRA iny dia misy koa eo Analakely, amin'ilay lalana makany Ambodifilao.



Fa nisy fotoana izahay nakany ambanivohitra dia nahita teny an-tendrombohitra teny dia naka raviny iray. Netina nody dia napetraka ao anaty frigo. Nofonosiko sachet ihany satria maina ilay izy raha avela amin'izao. Nanandrana voalohany aho, tsy dia convaincue. Nosorana fotsiny ilay ranony iny dia navela teo amin'ny tarehy. Tsy dia nahazo aina aho fa nisintona ny hoditra sns. Hany ka nesorina ilay izy adiny iray avy eo ary kivy fa maina be ny tarehy. Noho izany dia lasa kamo aho hampiasa vahona katapa-kevitra fa hiandry ny andro mafana vao hiverina hampiasa satria maina be ny hoditra amin'izao ririnina izao.

Nefa raha natao ny fandihina dia hoe vahona efa ato ve dia avela fotsiny eo. Dia tapa-kevitra hanandrana indray fa nomanina tsara ny hoditra. Nasiana crème hydratante tsara ny alina dia nodiovina ny maraina. Izaho moa tsy dia mampiasa inona loatra fa rano matimaty amin'ny vovoa fotsiny no hanadiovako azy. Ka ampangotrahina aloha ny rano dia avela ho matimaty fa tsy hoe apetraka ambony afo dia vao matimaty dia ajanona. dia esoriko amin'iny ny menaka satria moa ny alina miteraka menaka foana ny tarehiko (tena tsy rariny mihintsy) Rehefa vita izay dia sokafana amin'ny tanana ny vahona mba hizara roa izany hoe mba hisokatra ilay raviny iny dia hita eo ilay nofony. Ny ahy hosorako amin'ny tarehy avy hatrany ilay nofony anatiny iny dia miala tsikelikely ilay ranony somary madity. Mangatsitsika mahafinaritra ilay izy aloha e. Dia rehefa somary marina dia somary kikisana amin'ny hoho satria mbola misy ranony ao ambanin'ilay nofony iny. Nataoko matevina tsara izy tamin'ity indray mitoraka ity dia navelako elaela teo (adiny telo) Vovoa sy rano matimaty ihany no anesorana azy.

Tsy dia nisy effet manokana nandrasako tamin'ny vahona fa mba nanantena fotsiny aho hoe hanidy ny maso-koditro ilay izy. Mba naniry koa aho hoe hanala ireo mony kely be dia be ao amin'ny handrina. Nony nesorina dia asa na impression na tena izy fa toa tsy dia hita be intsony ireo mony. Ny maso-koditra aloha dia tsy nikatona mihintsy e (Argile verte mihintsy no tsara handramana amin'iny lafiny iny) Ny hariva ihany dia naveriko ilay masque fa kosa nentiko natory. Dia hita fa mbola niha-maina ihany ny mony (ilay izy izany tsy mony be misy lohany ireny e fa ohatrany monimony kely tsy haiko izay hilazana azy)

Ka inona moa izany fa dia lasa tiako ilay vahona hihihi. Efa manotany tena sahady aho hoe aiza no ahita rehefa lany ilay raviny ato? Ny hariva efa hatory izany aho no hampiasa azy. Saingy raha mbola misy fikasan'olon-dehibe (azonareo ny tiako lazaina) dia aleo rehefa tena hatory vao apetraka fa mangidy velona. Izay tokoa an, mangidy be ny vahona. Ny hoditra sy ny tanana dia mafaitra tsaratsara mihintsy rehefa tratrany. Mora afaka amin'ny rano sy savony ihany aloha ilay amin'ny tanan'e.

Mandra-piresaka tompoko

Maquillage iray azo entina amina soirée

Salama tompoko

Tsy dia mandeha soirée loatra aho nefa rehefa misy fotoana mivoaka dia tena tiako tokoa ny manao maquillage. Asa na hoe izy amin'ny alina ve sa ahoana fa sahy maquillage somary mavesatra aho rehefa soirée. Isan'ireny ity iray ity. Fards taupe somary argenté sy manga antitra no nampiasaiko teto. Ilay manga io manga antitra misy reflet manga turquoise saingy miala foana ilay reflet rehefa estomper-na be ilay izy. Na izany aza tiako io maquillage io. Mety ho lava be ny resaka raha azavaina eto amin'ny antsipirihiny ny fanaovana an'ilay maquillage fa ny sary angamba no aleo hiteny. Enga anie mba hanampy anao ity vidéo ity satria efa niezaka mafy aho hanazava azy araka izay tsotra sy mazava indrindra.



Raha misy fanotaniana dia afaka apetraka ao amin'ny Izay tia maquillage satria ao aho no tena connectée matetika. Raha te ahita foana ny zavatra publier-na ianao dia afaka mi s'abonner na eto amin'ny blog, na ao amin'ny Youtube, na ao amin'ny Izay tia maquillage (facebook)

Mandra-piresaka tompoko


Chaîne youtube Izay Tia Maquillage

Salama tomopko

Tany amin'ny taona 2010 aho no lasa tena tia maquillage ary fijerena vidéos tao amin'ny Youtube no nanaitra io passion io. Nijery tutoriel resaka volo no tena nahatonga ahy teo amin'ny Youtube izay noheveriko hatreo fa fizaràna hira sy clip fotsiny. Ilay youtubeuse Frantsay Julielovesmac07 no hitako voalohany dia lasa nijerijery izay niseho teo aho: Divajoly, Laetipro, Chrystellemakeup sns. Vetivety dia nahababo ahy ny resaka maquillage tao amin'ny Youtube satria toa efa passion tao anatiko tao ilay izy fa niandry zavatra kely nanitikitika azy fotsiny. Tena vitsy ny youtubeuses Malagasy fantatro tamin'izany. Anisan'ireny Dazzlingdrew. izy angamba no youtubeuse Malagasy malaza indrindra satria toa efa mihoatra lavitra ny 100.000 ny isan'ny mpanaraka azy eo amin'ny Youtube. Malgachefashion koa no youtubeuse Malagasy anisany tena fanarako tamin'izany (ka hatramin'izao moa e) Efa tamin'izany fotoana izany aho no te hanao vidéo tao amin'ny youtube nefa tsy nisy fotoana, tsy ampy fitaovana sns dia tsy nanao mihintsy aloha.

Nandray anjara tamina concours commentaire tao amin'ny Youtube aho ka nahazo an'ilay loka, tamin'ny desambra 2012 io. Ilay palette 100 couleurs an'i ELF no azoko tamin'izany dia pinceaux ELF roa ary base à paupière. Hafaliana tsy omby tratra ny ahy ka nanomboka teo dia te hizara resaka maquillage ary hitako fa tsy mba nisy Malagasy tena liana tamin'izany. Ny Malagasy liana moa betsaka e fa tsy mba nisy pejy tao amin'ny Facebook nefa ao misy ny rehetra (sakafo, lamaody, reny sy ny zaza sns) Volana janoary 2013 no noforonina ny pety Izay tia maquillage. Nafenina mafy ireo namana akaiky hoe izaho no ao ambadik'ilay pejy satria ... tsy haiko hoe naninona tokoa moa. Hany ka tsy afaka ni-inviter namana hanao j'aime fa dia niady irery tao :) Faly ery tamin'izany rehefa misy manao J'aime iray na roa ao anatin'ny indray andro. Tamin'ny voalohany dia tena nahafaly ny j'aime ary naniry mba hitombo foana hatrany. Aty aoriana mbola tena mahafaly tokoa ny j'aime vaovao fa ilay mizara passion no tena zava-dehibe. Hitatsika izao fa tena maro kay ny vehivavy Malagasy tia maquillage fa ny sehatra hivondronana fotsiny no tsy nisy. Tamin'ny voalohany aho nisalasala hoe tsy futile sy superficielle be ve ity zavatra mba zaraiko? Nefa tsy ny fanaovana maquillage na tsia akory no maha ianao anao. Hendrika ivelany iny, tsara raha atao mahatehotia fa ny ao anaty tsy miova. Faly be aho mahita fa vehivavy manana ny maha izy azy avokoa isika ao.

Andro vitsivitsy izao dia nanao vidéo koa aho. Raha te hanaraka izany ianao dia tsindrio ETO. Mbola fitohizan'ny pejy ihany io ka ezahina mba vidéo tsotra no atao ao. Ny connexion aty Madagasikara moa iaraha mahalala fa tsy mazaka afa-tsy zavatra maivamaivana. Mbola vao miana-mandeha indray amin'ny fanaovana vidéo, ny fitaovana tsy tena harifomba saingy ilay passion eo foana. Io angamba no tena ahafahana manao zavatra sy mivoatra hatrany.

Raha liana amin'izany sehatra miresaka maquillage natokana hoan'ny Malagasy izany ianao dia aza misalasala mi s'abonner ao amin'ny Youtube na manao J'aime ao amin'ny PEJY. Mbola mahafaly foana tsinona ny mahita j'aime na abonnement vaovao hatramin'izao.

Mandra-piresaka tompoko

mardi 22 juillet 2014

Mety aminao ve izay mety amiko?


Salama tompoko

Fomba firesatsika matetika eo amin'ny pejy Izay tia maquillage ny hoe "inona no mety amin'ny hoditra gasy" Efa somary nisy resdresaka mahakasika an'io ihany moa tao ka maro no nilaza sy nanaiky fa tsy misy profil standard hoe "gasy" Isika samy Malagasy nefa samy hafa loko ary na ny toetran'ny hoditsika aza dia samy hafa be. Ao ny Malagasy manana hoditra mifanakaiky amin'ny Afrikana, ao ny Malagasy manana hoditra mifanakaiky amin'ny Aziatika. Ary maro be ireo manana hoditra mifangaro na metissée. Izany rehetra izany dia efa afaka hilazàna fa tsy mitovy ny hoditsika rehetra na samy Malagasy izao aza. Ary na mahita olona mitovy hoditra aminao aza ianao dia mila jerena koa hoe maina ve sa matavy sa mixte ny hoditra.

Noho izany dia mila fantatsika ny toetran'ny hoditsika mba hisafidianana tsara ireo produits mety amitsika. Misoratra eny amin'ny fonon'ny produits de soin matetika hoe hoditra toy inona no mety aminy. Misy fotoana anefa tsy misoratra ka handrana no ahitana hoe iza no mety aminao. Indrisy, tsy eo no eo no hita ny vokatra raha resaka soin fa mila mampiasa indroa na intelo ka tsy maintsy vidina izany ilay izy dia tsy maintsy hajanona raha tsy mety. Olana izay matetika satria maro isika no manana budget efa voafetra amin'ny resaka produits ka tsy afaka dia hividy izao rehetra izao nefa tsy hampiasaina akory avy eo. Izay no mahatsara ny mizara izay expérience efa niainanao sy mijery izay efa nandraman'ny hafa mba ahaizanao mandanjalanja hoe iza no tena tsara vidiana. Na efa fatra-pijery aza anefa dia mbola mety ho sendra produit tsy mifanaraka amin'ny hoditry ny tena. Tsy atao mahakivy izany fa mety misy namana na havana te hampiasa foana iny.

Tsy ny soins ihany no mila fidiana tsara fa ny produits de maquillage koa. Ny loko indray no tena tsara dinihina raha maquillage no resaka. Ny fond de teint sy poudre ohatra dia misy loko maromaro. Ireo no tena hita be raha vao tsy mifanaraka amin'ny hoditrao ny lokony. Ny fomba hisafidianana azy indray dia ny fijerena produits maromaro alohan'ny hividianana. Mila handramana koa izy ireny vao vidiana. Eo koa ny fijerena ny zavatra zarain'ny blogueuses eny amin'ny page-ny. Ka raha fotsy ianao dia blog n'olona mitovy loko aminao jerena amizay mba mifanakaikikaiky ny loko mety aminareo. Toy izay koa raha zarazara na mainty hoditra dia aleo mijery blog n'olona mitovitovy loko aminao. Dia rehefa nahita izay mety aminao dia mazotoa mizara ao amin'ny pejitsika fa maro ny Malagasy ho faly mahita izany fizarana izany. Io fijerena ny fivoakan'ny loko eny amin'ny hafa io dia manampy be tokoa rehefa hifidy fard, lokomena sns.

Mandra-piresaka tompoko

mardi 15 juillet 2014

Ahoana ny fanalana ny tasina mony amin'ny tarehy?

Salama tompoko

Nisy namantsika nanotany hoe ahoana ny fanalana ny tasina mony amin'ny tarehy dia nisy toro-hevitra vitsivitsy nozaraina tao amin'ny Izay tia maquillage. Averina eto izany sao mahasoa antsika.

Nisy namana nanoro fa ranona ovy no nandaitra taminy. Kikisana toy ny karaoty atao lasary ny ovy dia fiazana ny ranony. Iny no apetraka amin'ny tarehy ka avela eo araka izay hitiavana azy. Kobanina amin'ny rano matimaty dia averina isan'andro manditra ny telo herinandro. Tena nandaitra tamin'ny namatsika io ka handramo koa sao mahasoa anao

Ny namantsika manaraka kosa dia nampiasa ranona voasary makirana. Ny hariva hono no nanaovany azy ka hosorana an'iny ny tarehy, avela eo 15min dia kobanina. Afaka soloina tantely sy tamenak'atody koa io ka apetraka mandritra ny 20min izy amin'izay fotoana izay vao kobanina. Mety koa ny voatabia atao masque. Iny indray moa tsy nolazainy hoe adiny firy fa hinoako fa tsy maninona ny voatabia na mijanona eo adiny iray aza. Tsara koa hono izany huile de rose musquée izany hoan'izay mahita.

Ary farany dia manala tasina mony koa hono izany savony Vegebaum izany. 8.500ar ny vidiny eny amin'ny mpivarotra fanafody.

Andramo izay metimety aminao sao mahasoa.

Mandra-piresaka tompoko

Inona ny astuces hoan'ny hoho tapatapaka?

Salama tompoko

Maro isika mpanaraka ny Izay tia maquillage no mangataka fikafika kely mba tsy ho mora tapaka ny hoho. Anisan'ny olana mpahazo antsika vehivavy manalava hoho io ka ireto ary misy astuces afaka andramana ahitana izay tena mandaitra.

Manamafy sy manafotsy hoho ny voasary makirana. Tsy misy fatrana faharetany voafetra fa rehefa afaka mikosoka hoho amin'ny voasary makirana dia ataovy. Ho ahy manokana dia alohan'ny anariana ny voasary makirana avy nakana ranony hanaovana jus dia kosehina amin'iny aloha ny hoho. Manalefaka ny hodi-tanana koa ny voasary makirana.

Misy namantsika nanoro koa tao amin'ny Izay tia maquillage fa manamafy hoho koa hono ny hotra amin'ny huile de ricon sy huile d'olive mifangaro.

Inona moa zany fa ny manandrana sisa no tsara atao. Mirary anao ahita soa amin'ny toro-hevitra zaraina eto.

Mandra-piresaka tompoko