vendredi 17 octobre 2014

Ny hevitro makasika ny argile verte

Salama tompoko,


Alohan'ny zavatra rehetra dia mialatsiny indrindra raha tsy dia namoaka lahatsoratra tato ho ato. Somary mangina daholo moa na ny chaîne YouTube Izay tia maquillage, na ny pejy ao amin'ny Facebook. Tsy midika akory izany fa hadinoko ianareo fa somary be adidy aho dia nangingina kely. Miezaka hatrany anefa hiverimberina eto.

Rehefa afaka ny tsiny dia ndao hiditra amin'ny tena vetindresaka. Efa elaela aho no tapa-kevitra fa hividy argile verte. Mampatetika hodi-tava ity akora iray ity ka izay no antony nividianako azy. Marihina moa fa ny olona manana hoditra matavy toa ahy matetika dia manana maso-koditra misokatra. Ka io argile verte io no malaza hoe mety hanitsiana izay. Rehefa avy nijerijery tamin'ny internet aho dia tapa-kevitra fa hanandrana ary tao amin'ny Homeopharma aho no nividy.



Tamin'ny andro voalohany nanandramako azy dia somary nanao réaction ny hoditro satria nivontovonto ny maso-koditra. Tamin'izay dia nosorako ny argile verte efa nifangaro tamin'ny rano kely dia navelako teo amin'ny hoditra nandritra ny 15min teo. Tsy nisy vokany loatra tamin'ny maso-koditra fa izy nivonto izay. Tato aoriana aho vao nahita indray tamin'ny internet hoe tsy tokony avela ho maina mihintsy ilay izy fa lemana foana. Tapa-kevitra hanandrana fanindroany aho ka dia nolemana foana indray. Tsy sahy namela azy ela moa aho ka 5min ihany dia nesoriko. Vokany: mbola nivonto ihany. Rehefa vita ilay izy dia nodioviko tsara, nasiako crème hydratante ny hoditro lasa natory izahay sy ny boutons kely maromaro. Nony maraina dia afaka ilay boutons ary somary natetika kokoa ny hodi-tava tamin'ny faritra nasiana ilay sarona. Sady tsy dia natavy fa maina aza.

Navelako elaela tao aloha ilay izy satria tsy hitako izay tena hevitro mahakasika azy. Niresaka tetsy sy teroa, nanotany ireo efa nampiasa aho dia naheno indray fa mila lemana tsara ny tarehy ka izy mando iny no asiana ilay sarona amin'ny argile verte. Dia io indray no nandramana ka tsy nivonto intsony ny maso-koditra ary hita avy hatrany fa nikatona ny maso-koditra. Indray mandeha isan'kerinandro ihany angamba no tena mety (raha ho ahy manokana aloha) satria rehefa atao matetika ilay izy (indroa ao anaty herinandro izay) dia mivonto ny maso-koditra. 

Ny hevitro makasika ny argile verte izany hatreto dia somary misalasala ihany. Mety ilay izy mana-maina hoditra matavy sy manidy maso-koditra fa ilay mivontovonto kosa tena atahorako. Noho izany dia tsy te hanohy hampiasa azy aho aloha hatreto.

Ary ianareo ve efa nampiasa argile verte? Nanao ahoana ny vokatra? Mba zarao amin'ny commentaire fa tena mahaliana ahy. Misaotra mialoha


Mandra-piresaka tompoko

dimanche 21 septembre 2014

Mila hydrater-na ve ny hoditra matavy?

Salama tompoko

Satria moa ny hoditra matavy araka izany anarany izany dia mitera-menaka ka maro isika no manotany tena hoe mbola mila hydratation ve? Araka ny toro-hevitry ny manam-pahaizana amin'ity taranja ity dia mila hydratation foana ny hoditra na matavy azy. Ny tanjona izany dia hydratation miampy famerana ilay menaka tsy ho mora mivoaka. Ny zavatra mora atao indrindra angamba dia mividy crème hydratante pour peau grasse. Ny ivo-toerana mpahay ity sehatry ny hatsaran-tarehy ity mihintsy no mamoaka azy ireny ka ny manosotra sy manaraka ny toro-marika sisa no anjarantsika.

Ao koa anefa ireo izay mankafy manokana ny vokatra voajanahary. Isika Malagasy dia tena tia ny vokatra voajanahary mba hialàna amin'ny voka-dratsin'ny akora simika satria ireny produits efa vita ireny matetika dia misy izay akora simika izay. Eto ary no tsara hanandramana ny recettes de grand-mères hoy ilay fiteny mahazatra. Ary misy tokoa izay recette de grand-mères izay raha te hitondra hydratation hoan'ny hoditra matavy isika.

Ny zavatra ilaina:
  • Argile verte
  • Ronono
  • Tantely

(Atao mitovy fatra ny ronono sy argile verte ary iray ampahatelon'ny argile verte kosa no fatran'ny tantely.)

Ny fomba fanaovana azy:

Afangaro fotsiny ireo zavatra telo ireo dia apetraka amin'ny tarehy (tsy asiana ny manodidina ny maso) Avela 10min dia kobanina amin'ny rano matimaty (rano hampangotrahina dia avela ho matimaty fa tsy mangatsiaka nafanaina ho matimaty) Rehefa afaka tsara amin'ny rano dia afaka osorana ny crème hydratante mahazatra anao. Afaka atao indray mandeha isan-kerinandro izy ity. Tsara hoan'ny hoditra matavy ary afaka ampiasaina amin'ny hoditra mixte fa raha maina ny hoditrao dia tsy mety.

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

lundi 15 septembre 2014

Maro ny produits mora sady tsara

Salama tompoko,

Ho ahy manokana izay tsy manana "budget" midangana natokana hoan'ny fitiavana maquillage dia hitako lafo ny ankamaroan'ny produits ilaina. Lafo tokoa, indrindra moa ny produits manana marika malaza. Mac, Urban Decay, Makeup Forever, Nars...toa marika nofisina mba ho azo avoko ireny nefa rehefa avadika vola gasy ny vidiny dia mangidihidy ny loha. Soa ihany fa misy ireo marika "kely", moramora kokoa ny vidiny nefa tsara ihany ny produits ataony. Isan'ireny marika mora sady tsara ireny mazava ho azy ny ELF na Eyes Lips Face izay efa maro mampiasa eto Madagasikara. Isan'ny marika mora koa ny BYS ka ny gamme tena mora ao aminy dia ny LOL na Lots of love. Palette kely misy loko dimy an'io gamme LOL io no nampiasaiko nanaovana ity maquillage fuschia sy marron ity.


From Paris With Love no anaran'ity palette ity ary ilay loko fuschia (sisiny havia eo amin'ilay palette, faharoa avy aty havia amin'ny tanana) no nampiasaina. Ilay loko marron ampiasaina amin'ilay tutoriel kosa dia marron tamin'ilay palette malaza 88 couleurs Warm. Mba hampahitsy ny sisin'ilay maquillage dia nampiasa scotch aho.
Ity amin'ny sary ity ary ilay maquillage natao:


Ity kosa ny fomba nanaovana azy raha mahaliana anao:




Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

vendredi 12 septembre 2014

Tag#002 Qui est derrière Izay tia maquillage?

Salama tompoko

Misy tag vaovao ity izay nanondroan'i Le Mag! ahy. Tsoriko aminareo fa tiako ny manao tag. Sady mety misy liana ahalala bebe kokoa momba ahy ka dia ampifaliana tokoa no hamaliako azy ity. Araka ny maha tag azy moa izany dia hanondro olona iray aho (na maromaro) ery ambany dia mangataka azy ireo hiara-hilalao. Araka ny maha tag azy ity koa dia ireo fanotaniana efa misy no valiana fa tsy mivoana amin'izay. Fanamarihana farany, tamin'ny teny frantsay ireo fanotaniana nalefan'i Le Mag! dia ezahiko adika amin'ny teny malagasy araka izay fahaizako azy. Ndao ary e?  


1.      Io anarana ampiasainao io ve no tena anaranao?

Eny, Izay Tia Maquillage mihintsy ny anarako ao amin’ny kara-panondro ;) Sangy izany an

2.      Inona ny zavatra ratsy indrindra nataonao teo amin'ny fiainana?

Inona re e ? Tena tsy haiko. Tsy hoe tsy manao zavatra ratsy mihintsy aho fa ilay hilaza hoe inona ny ratsy indrindra no tsy haiko…

3.      Ahoana ny fahitanao ireo vehivavy mitory fitiavana voalohany?

Tsara ny vehivavy mitory fitiavana voalohany raha ny fahitàko azy. Raha tiany ilay olona tsy tokony hisy olana. Aleo aza mitory fitiavana dia mahazo valiny tsy mahafa-po toy izay tsy mitory fa mipitrapitra eo fotsiny :) Mety tsy ho tsikaritry ny an-daniny akory.

4.      Tendrombohitra sa ranomasina? 

Toerana hialàna sasatra angamba no resaka eto e ? Aleoko any amin’ny ranomasina. Mety ho tsara ny any an-tendrombohitra raha misy ala maitso be, misy ireny chalet ireny sns fa raha dezaka fotsiny dia tsy tiako loatra.

5.      Misy zavatra na olona hinoanao ve?

Eny, mino an’Andriamanitra aho. Dia mino koa fa misy ny tena fitiavana, misy ny fahasambarana tena izy, misy ny olona hendry, misy ny olona tsara fanahy…Somary zaza saina angamba aho fa izaho dia mino hoe tsy ratsy daholo ny eto an-tany na dia manjaka aza izany ratsy izany.

6.      Toran'ny hehy matetika ve ianao?

Eny, tena matetika tokoa. Rehefa tafaraka amin’ny olona tia mihomehy aho dia tena tonga amin’ilay fiteny hoe mihomehy tany vaky.

7.      Iza ny olona tena adala be fantatrao?

Ny vadiko. Tia sangy be izy dia izay teny hoe “adala be” izay mihintsy no mahalaza azy. Adala be rehefa fotoana fihomehezana mazava ho azy fa matotra be koa izy rehefa tokony ho matotra.

8.      Masira sa mamy?

Masira avy hatrany. Izaho tsy dia tia zavatra mamy toy ny mofomamy, ny dessert, ny glace, ny chocolat. Mihinana aho rehefa misy fa raha asaina mifidy amin’ny mofomamy sy ron’akoho aho ohatra dia hainareo ny valiny.

9.      Inona ny toetrana lehilahy tena tsy tianao?

Ny lehilahy tsy azo hianteherana no tena tsy tiako ary mahakasika ny lafim-piainana rehetra io. Tsy tiako ohatra ny lehilahy mipetraka ao anaty bus nefa misy vehivavy mitsangana eo. Tsy tiako ny lehilahy tsy mitondra ny entana mavesatra entin’ny vadiny na reniny na zanany. Tsy tiako ny lehilahy tsy manampy ny vadiny amin’ny fivelomana sy ny fitaizana ny ankizy. Tsy tiako ny lehilahy tsy mety miaraka manala azy miaraka amin’ny vadiny fa aleony mandeha irery. Ao anaty tokatrano izany dia tiako raha manohana ny lehilahy, manampy nefa mibedy koa rehefa mitady hanaonao foana ny vehivavy.

10.  Inona ny teny filamatrao eo amin'ny fiainana? 

“Profite d’aujourd’hui, demain ne t’appartient pas” izany hoe araraoty ny anio fa tsy hainao izay ampitso. Tiavo ny vady, ny zanaka, ny havana fa mety ho faty izy na ianao rehefa avy eo. Raha misy zavatra tianao atao dia aza miandry fa tonga dia ataovy. Aza avela misy hanakana ny hasambaranao izany e. “Araraoty ny andro azo anaovan-tsoa fa miharatsy izao fiainana izao” hoy ilay hira izay. 
Dia vao haingana nisy youtubeuse izay niteny hoe “Ne laisse personne ternir ta lumière” Nisy fotoana aho kivy dia naverin’ny namako tamiko io teny io. Dia teny tena mankahery tokoa.

Vita tompoko

Eto izany dia manondro ireto olona ireto aho hanao ity tag ity

Lys Suez
Ikala Fanja
Jejo en France et dansle monde

Ireo rehetra te hanao ity tag ity koa dia asaina handray anjara 

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

mardi 9 septembre 2014

Tag#002 Crazy about lipstick


Salama tompoko

Tag indray no soratako androany satria notondroin’i Aina Vicky hanao ilay Crazy about lipstick. Raha fintinina ny atao hoe tag dia fanotaniana vitsivitsy mahakasika loha-hevitra iray ka izay voatondro dia mamaly. Fa afaka tsy mamaly koa satria tsy terena akory ilay izy fa kilalao ihany.
    1. Manana lokomena firy ianao?
Vao nisaiko teo dia manana lokomena 12 aho
    1. Firy taona ianao no nanomboka nanao lokomena ? 
Tsy tadidiko intsony hoe oviana fa ny tsaroako aloha dia mbola tsy nanao lokomena aho teny amin’ny lycée. Aleo izany atao hoe taorian’ny 18taona tany.
    1. Inona ny lokomena tena tsy azonao ialàna ? 
Ny lokomena miloko vieux rose na bois de rose no tena tsy hialàko satria io no hitako mety amin’ny hendriko. Manana loko hafa aho fa io no tena mahavantana ahy. Ity amin’ny sary ity izao isan’ireo lokomena tena miasa. Jereo ity izy efa simbasimba  kely. Gypsy no anarany, marika ELF. 


    1. Inona ny lokomena anaovanao mba hampiavaka anao ?
Tsy dia fanaoko ny manao lokomena mba hiavaka fa mba hamaliana ny fanotaniana dia ity lokomena Kiko miloko mavokely, volom-boasary ity no hitako tena miavaka rehefa hanaovako. Marevaka be mantsy izy io rehefa anaovana hany ka na izaho aza lasa mijery fitaratra matetika rehefa manao azy. Tsy tadidiko intsony ny reference-ny fa efa voafafa ilay soratra. 


    1. Inona avy ny lokomenanao novidianao ? 
Novidiako ny 9 amin'ireo lokomenako fa ny 3 kosa nisy nanome.
    1. Inona ny lokomena nanenenanao ny nividy azy ? 
Tsy miambahamba aho miteny hoe ity lokomena Flirtatious an’ny marika ELF ity no nanenenako. Tsara tarehy ilay loko saingy tena tsy manendrika ahy mihintsy. Hany ka io izy, toy ny lokomena vaovao satria zara raha nampiasaina. 


    1. Inona ny lokomena tena tinao amin'izao fotoana izao ? 
Luscious Wine no anaran’izy ity ary LA Colors ny marika. Ny lokony indray dia Bordeaux somary manopy prune. Tao anaty ririnina tanteraka no nahazoako azy dia tena nety ilay loko. Hatramin’ny volana jona tany dia io no nanaovako matetika


    1. Iza avy ny lokomena mora indrindra sy ny afo indrindra novidianao ? 
Ity ny lokomena mora indrindra ato amiko. Tsy misy marika izy ity. 2.000ar no nividianako azy tao Behoririka. Nahafinaritra ahy ny lokony sy ny tranony dia novidiako hihihi Vieux rose izy ity, tafiditra tsara amin’ny loko tiako mihintsy. 



Ity kosa no lafo indrindra amin’ny lokomena novidiako. Paint the town no anarany dia LOL ny marika. 11.000ar angamba no nividianako azy io raha be indrindra.


    1. Tia lokomena ve ianao sa tena tia lokomena be sa miondana lokomena mihintsy ? 
Tia lokomena fotsiny aho fa tsy azo atao hoe miondana. Tsy dia mandany vola amin'ny lokomena aho.
    1. Iza ny lokomena mampatsiahy anao olona iray ?
Ny lokomena nomen’olona ahy dia mampatsiahy ahy ireo nanome azy. Isan'izany ity Luscious wine ity izay avy amin’I Alex, namako mipetraka any lavitra be any. Alex, gros bisous. 



Ireto lokomena roa ireto koa dia mampatsiahy ahy an’i Raitra. Lokomena Rimmel, mitondra ny reference 110 ny iray dia ilay Kiko efa nolazaiko teo aloha ny faharoa.




Izay ary ny tantaranay sy ny lokomena. 
Hanondro olona vitsivitsy aho ka asa raha mazoto hanao ity tag ity izy ireo:


…sy ireo Malagasy mpanao blog na mpanao video mbola tsy nanao ny tag Crazy about lipstick

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

dimanche 7 septembre 2014

Ireo youtubeuses sy youtubeurs malagasy fantatro

Salama tompoko

Efa fitadiko matetika ao amin'ny youtube hoe misy Malagasy manao vidéo ve? Matetika Malagasy manao cover (mihira) no miseho rehefa manao recherche. Nefa taona vitsivitsy maromaro izay dia miha-maro ireo mpanao vidéos mahakasika ny hatsaran-tarehy sy ny maquillage, ny lamaody sns. Eo koa ireo manao vidéo mampiomehy ilay antsoina hoe podcast sy ireo manao lakozia. Androany dia hivoaka kely ny resaka maquillage aho satria hizara aminareo ireny Malagasy mpanao vidéo amin'ny youtube ireny. Tsy par ordre de préférence akory io liste io fa tonga dia soratako fotsiny izay tsaroako. Misy vazaha koa ny sasany nefa miresaka zavatra makasika an'i Madagasikara dia tiako alefa eto koa. Ezahiko asiana catégorie angamba mba hilamina kokoa. Cliquer-o fotsiny ao amin'ny anarany tsirairay avy raha te hijery ny chaîne-ny ianao. Ary raha misy youtubeurs Gasy tsy voalazako dia mba zarao amin'ny commentaire satria mahaliana ahy koa. Marihiko fa izaho dia abonnée amin'ny youtubeurs Malagasy rehetra fantatro. Ianao koa manaova toy izany raha manana compte YouTube (rehefa manana gmail dia afaka manana compte YT ary minitra vitsy ihany dia mahaforona izany compte izany)



Catégorie beauté/Mode:

Izay tia maquillage
Felana Sucrée

Delirium Soa
Aina Vicky
Andymakeupbeautiful 
Lys Suez 

Dolce Flower
Tiana c'est moi

Ainalove Makeup
Michou
Dazzling Drew
Petit Cyclone (zandrin'i Dazzling Drew)
Léa BDavisbeauty (metisy Gasy izy nefa mino aho fa afaka alefa eto koa)

Mia Randria

xSoafara 

Colette Zaharko
Mll naisha
Ninaa Tia 
Leehann pour elles 
Navy976 (metisy koa izy)
Iry Randrasana
Mlle OfTheCity
Tesfayane
Sokondia
Malalaerica
Yoshifada

Catégorie Cover:
Rratah
Piso Gasy
Elisoa Erica
Armiou Andriams 
Mialy Randria
Randygasy
candyRak


Catégorie Podcast:
JoaryEnHD
Ariellenigga
Aaron en parle
TiNo Gasy
Didalos DevantSaCam
Eezygasy Rak
Hadrien FaitSonShow
Hianja Rasolofondraibe
Tsara Koko
MrMalgache

Random:

Nounie Chou
Niwina23 
Kahinya Tamaga
Mashuka Ballester
Agriculture Madagascar
Cuisine artisanale d'Ambanja
Lemurbaby
Monyogui

Raha tsy te ho eo anatin'io liste io ianao dia lazao amin'ny commentaire fa esoriko :) Na lazao amiko amin'ny message privé ao amin'ny YouTube. Dia miala tsiny raha nahasorena anao ny fametrahako ny anaranao eto.

Hoan'ny mpamaky, aza hadino ny mi s'abonner amin'ireo namatsika ireo. Hoan'ny Izay Tia Maquillage dia tsindrio ETO dia cliquer-o eo amin'ny s'abonner (bouton mena amin'ny ambony havanan'ilay pejy) Rehefa abonné ianao dia mahita ny vidéo vaovao rehetra. Ary hono hoy aho, efa fantatrao daholo ve ireo Youtubeurs ireo sa misy eto vao hitanao? Lazao ahy amin'ny commentaire e


Mandra-piresaka tompoko

samedi 30 août 2014

Inona moa ny atao hoe nude

Salama tompoko

Fiteny malaza tato ho ato ny resaka maquillage nude satria io indray izao moa no lamaody. Tsara io lamaody iray io satria azo entina andavanandro noho izy discret. Ary efa maro isika no nanao azy hatrizay satria ny ankamaroantsika dia manao maquillage maivana rehefa andavanandro. Maro anefa isika Malagasy no tsy tena mahay tsara ny atao hoe nude. Zaraiko aminareo ary ny kely mba haiko makasika io lamaody io.



Nude na koa hoe miboridana:

Ilay teny hoe nude dia midika hoe miboridana. Ny maquillage nude izany dia manakaiky ny lokon'ny hoditra miboridana (na koa hoe peau nue) Noho izany tsy loko akory ilay nude fa effet na koa rendu izany hoe fivoakana loko iray na maromaro amin'ny hoditra. Aza hadino anefa fa ny hanatsara no tanjona amin'ny maquillage izany hoe raha loko tena mitovy tsy misy valaka amin'ny lokon'ny hoditra dia tsy dia misy dikany loatra (afatsy ny fond de teint sy poudre izay tokony hitovy loko amin'ny hoditra) Tsy hoe transparent izany ny nude fa loko tena akaiky ny hoditra nefa marevaka kokoa mba ho tsara kokoa ny loko voajanahary. Tsy sanatria fonja anefa akory ny maquillage nude ka hoe tsy maintsy toy izao na toy izao. Fa rehefa manakaiky ny loko voajanaharin'ny hoditra dia nude no fiantso azy. Raha tsy izay ny fivoakany dia tsy nude zany fa zavatra hafa. Tsy voatery asiana anarany hoe nude, marevaka sns koa moa fa izay tianao sy manendrika anao no atao hoe tsara. Misy karazany maro ny maquillage nude. Ao ny manambatra ny maso marevaka na somary mavesatra amin'ny molotra nude na ny mifanohitra amin'izay. Ao ny manao maquillage nude eo amin'ny hodimaso fa mampisongadina ny fijery amin'ny eyeliner na mascara matevina tsara. Ao koa ny manao maquillage nude amin'ny maso sy ny molotra.

Hoan'ny fotsy hoditra dia loko beige manopy mavokely na manopy volom-boasary na manakaiky an'izay matetika no mivoaka nude. Ity sary ity izao dia mampiseho maquillage nude eo amin'ny olona fotsy hoditra. Na somary matroka aza ilay eo amin'ny maso dia hitantsika fa mifanakaiky ihany amin'ny lokon'ny hodiny.Ny molotra eto dia misy effet nude tanteraka izany hoe tsy marevaka sy hita hoe maquillé nefa tsy mifanalavitra amin'ny fihodirany.


Eto amin'ny sarin'i Rihanna izaodia hitantsika fa tsy loko mitovy amin'ilay sary eo ambony no miasa nefa nude ihany ny maquillage. 

 
Nude amin'ny hoho, ny hodi-maso, ny molotra sns

Ny maquillage nude dia azo atao amin'ny faritra rehetra azo maquiller-na izany hoe ny maso, ny hoho, ny hodi-maso sns. Ny fifidianana ny loko dia tsotra be: mila jerena ny loko voajanaharin'ny faritra ho haingona. Ohatra, jereo ny hohonao hoe mavokely tanora ve sa mavo sa mena? Dia izay loko mifanakaiky amin'izay no mivoaka nude eo amin'ny hohonao. Mitovy amin'izany koa ny molotra: mavokely ve sa marron sa mena? Aza misalasala manakaiky ilay lokomena eo amin'ny molotra ahitana hoe mitovitovy ve sa mifangarika be? Izay no mahatonga an'ilay hoe tsy hivoaka nude amin'ny olona mainty fihodirana avy aty Afrika mihintsy ny lokomena izay mivoaka nude amin'ny vehivavy fotsy fihodirana avy any Eropa ohatra.Noho izany, raha haka aingam-panahy amina sary ianao dia sarin'olona mitovitovy fihodirana aminao jerena. Aza hadino koa fa na olona mitovy fihodirana aminao aza izy dia tsy voatery hanendrika anao avokoa izay manendrika azy. Noho izany, ny tsirairay mihintsy no tsara mijery akaiky ny zavatra ho ampiasainy ary indrindra mijery ny lokony. Mbola averiko ihany fa na samy Malagasy izao aza isika dia tsy misy loko tokana hanendrika antsika rehetra izany.

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko