mardi 22 juillet 2014

Mety aminao ve izay mety amiko?


Salama tompoko

Fomba firesatsika matetika eo amin'ny pejy Izay tia maquillage ny hoe "inona no mety amin'ny hoditra gasy" Efa somary nisy resdresaka mahakasika an'io ihany moa tao ka maro no nilaza sy nanaiky fa tsy misy profil standard hoe "gasy" Isika samy Malagasy nefa samy hafa loko ary na ny toetran'ny hoditsika aza dia samy hafa be. Ao ny Malagasy manana hoditra mifanakaiky amin'ny Afrikana, ao ny Malagasy manana hoditra mifanakaiky amin'ny Aziatika. Ary maro be ireo manana hoditra mifangaro na metissée. Izany rehetra izany dia efa afaka hilazàna fa tsy mitovy ny hoditsika rehetra na samy Malagasy izao aza. Ary na mahita olona mitovy hoditra aminao aza ianao dia mila jerena koa hoe maina ve sa matavy sa mixte ny hoditra.

Noho izany dia mila fantatsika ny toetran'ny hoditsika mba hisafidianana tsara ireo produits mety amitsika. Misoratra eny amin'ny fonon'ny produits de soin matetika hoe hoditra toy inona no mety aminy. Misy fotoana anefa tsy misoratra ka handrana no ahitana hoe iza no mety aminao. Indrisy, tsy eo no eo no hita ny vokatra raha resaka soin fa mila mampiasa indroa na intelo ka tsy maintsy vidina izany ilay izy dia tsy maintsy hajanona raha tsy mety. Olana izay matetika satria maro isika no manana budget efa voafetra amin'ny resaka produits ka tsy afaka dia hividy izao rehetra izao nefa tsy hampiasaina akory avy eo. Izay no mahatsara ny mizara izay expérience efa niainanao sy mijery izay efa nandraman'ny hafa mba ahaizanao mandanjalanja hoe iza no tena tsara vidiana. Na efa fatra-pijery aza anefa dia mbola mety ho sendra produit tsy mifanaraka amin'ny hoditry ny tena. Tsy atao mahakivy izany fa mety misy namana na havana te hampiasa foana iny.

Tsy ny soins ihany no mila fidiana tsara fa ny produits de maquillage koa. Ny loko indray no tena tsara dinihina raha maquillage no resaka. Ny fond de teint sy poudre ohatra dia misy loko maromaro. Ireo no tena hita be raha vao tsy mifanaraka amin'ny hoditrao ny lokony. Ny fomba hisafidianana azy indray dia ny fijerena produits maromaro alohan'ny hividianana. Mila handramana koa izy ireny vao vidiana. Eo koa ny fijerena ny zavatra zarain'ny blogueuses eny amin'ny page-ny. Ka raha fotsy ianao dia blog n'olona mitovy loko aminao jerena amizay mba mifanakaikikaiky ny loko mety aminareo. Toy izay koa raha zarazara na mainty hoditra dia aleo mijery blog n'olona mitovitovy loko aminao. Dia rehefa nahita izay mety aminao dia mazotoa mizara ao amin'ny pejitsika fa maro ny Malagasy ho faly mahita izany fizarana izany. Io fijerena ny fivoakan'ny loko eny amin'ny hafa io dia manampy be tokoa rehefa hifidy fard, lokomena sns.

Mandra-piresaka tompoko

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire