samedi 30 août 2014

Inona moa ny atao hoe nude

Salama tompoko

Fiteny malaza tato ho ato ny resaka maquillage nude satria io indray izao moa no lamaody. Tsara io lamaody iray io satria azo entina andavanandro noho izy discret. Ary efa maro isika no nanao azy hatrizay satria ny ankamaroantsika dia manao maquillage maivana rehefa andavanandro. Maro anefa isika Malagasy no tsy tena mahay tsara ny atao hoe nude. Zaraiko aminareo ary ny kely mba haiko makasika io lamaody io.



Nude na koa hoe miboridana:

Ilay teny hoe nude dia midika hoe miboridana. Ny maquillage nude izany dia manakaiky ny lokon'ny hoditra miboridana (na koa hoe peau nue) Noho izany tsy loko akory ilay nude fa effet na koa rendu izany hoe fivoakana loko iray na maromaro amin'ny hoditra. Aza hadino anefa fa ny hanatsara no tanjona amin'ny maquillage izany hoe raha loko tena mitovy tsy misy valaka amin'ny lokon'ny hoditra dia tsy dia misy dikany loatra (afatsy ny fond de teint sy poudre izay tokony hitovy loko amin'ny hoditra) Tsy hoe transparent izany ny nude fa loko tena akaiky ny hoditra nefa marevaka kokoa mba ho tsara kokoa ny loko voajanahary. Tsy sanatria fonja anefa akory ny maquillage nude ka hoe tsy maintsy toy izao na toy izao. Fa rehefa manakaiky ny loko voajanaharin'ny hoditra dia nude no fiantso azy. Raha tsy izay ny fivoakany dia tsy nude zany fa zavatra hafa. Tsy voatery asiana anarany hoe nude, marevaka sns koa moa fa izay tianao sy manendrika anao no atao hoe tsara. Misy karazany maro ny maquillage nude. Ao ny manambatra ny maso marevaka na somary mavesatra amin'ny molotra nude na ny mifanohitra amin'izay. Ao ny manao maquillage nude eo amin'ny hodimaso fa mampisongadina ny fijery amin'ny eyeliner na mascara matevina tsara. Ao koa ny manao maquillage nude amin'ny maso sy ny molotra.

Hoan'ny fotsy hoditra dia loko beige manopy mavokely na manopy volom-boasary na manakaiky an'izay matetika no mivoaka nude. Ity sary ity izao dia mampiseho maquillage nude eo amin'ny olona fotsy hoditra. Na somary matroka aza ilay eo amin'ny maso dia hitantsika fa mifanakaiky ihany amin'ny lokon'ny hodiny.Ny molotra eto dia misy effet nude tanteraka izany hoe tsy marevaka sy hita hoe maquillé nefa tsy mifanalavitra amin'ny fihodirany.


Eto amin'ny sarin'i Rihanna izaodia hitantsika fa tsy loko mitovy amin'ilay sary eo ambony no miasa nefa nude ihany ny maquillage. 

 
Nude amin'ny hoho, ny hodi-maso, ny molotra sns

Ny maquillage nude dia azo atao amin'ny faritra rehetra azo maquiller-na izany hoe ny maso, ny hoho, ny hodi-maso sns. Ny fifidianana ny loko dia tsotra be: mila jerena ny loko voajanaharin'ny faritra ho haingona. Ohatra, jereo ny hohonao hoe mavokely tanora ve sa mavo sa mena? Dia izay loko mifanakaiky amin'izay no mivoaka nude eo amin'ny hohonao. Mitovy amin'izany koa ny molotra: mavokely ve sa marron sa mena? Aza misalasala manakaiky ilay lokomena eo amin'ny molotra ahitana hoe mitovitovy ve sa mifangarika be? Izay no mahatonga an'ilay hoe tsy hivoaka nude amin'ny olona mainty fihodirana avy aty Afrika mihintsy ny lokomena izay mivoaka nude amin'ny vehivavy fotsy fihodirana avy any Eropa ohatra.Noho izany, raha haka aingam-panahy amina sary ianao dia sarin'olona mitovitovy fihodirana aminao jerena. Aza hadino koa fa na olona mitovy fihodirana aminao aza izy dia tsy voatery hanendrika anao avokoa izay manendrika azy. Noho izany, ny tsirairay mihintsy no tsara mijery akaiky ny zavatra ho ampiasainy ary indrindra mijery ny lokony. Mbola averiko ihany fa na samy Malagasy izao aza isika dia tsy misy loko tokana hanendrika antsika rehetra izany.

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

3 commentaires:

  1. ndeha mba hanandrana maquillage nude marina akia koa! hihihi
    misaotra nizara akia an!

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Handramo e sady rehefa voafidy tsara nyloko dia tena tsara ny maquillage nude. Tsy misy tokony hisaorana fa am-pitiavana be eeee

      Supprimer
    2. huhuhu, nanandrana aho omaly, nivoaka ihany fa ilay balance amin'ilay fards irisés sy mats no somary nanankorotana ahy. hihihi

      ny tamin'ny molotra indray an, ny molotro mitovy amin'ny molotra mpifoaka sigara o.O nefa izaho tsy mbola nifoaka sigara hatrizay niainako! loool du coup, isaky ny mba te hanao lokomena hoe matsatsotsatso ka tsy tiako hivadika gris-mainty ny lokony eo amin'ny molotra dia voatery fika atao mba mazavazava aloha ilay molotra, izay vao manao RAL! asa be eh! mdr

      Supprimer