dimanche 28 décembre 2014

Terminons l'année en beauté



Salama tompoko, 

Mifarana sahady ny taona. Mino sy manantena aho fa nahita soa tamin’ity taona 2014 ity avokoa isika rehetra. Na nisy aza ny tsy nety dia tsy maintsy nisy koa ny nety. Raha sanatria ka ratsy no betsaka dia nde hioraka fa tapitra izy ity ka atao ho fanantenana vaovao indray ny taona ho avy. Fa na soa na ratsy ny fahitantsika ny taona izay ivalona afaka andro vitsivitsy dia aoka ankasitraka hatrany satria tombony lehibe ho antsika ny mbola velon’aina.

Ho ahy dia isany zavatra nahafinaritra ahy indrindra tamin’ity taona ity ny nanombohako nanao video ao amin’ny YouTube. Tany amin’ny volana jolay tany aho no tapa-kevitra tamin’izany. Mbola zaza miana-mandeha hatramizao nefa dia ampifaliana lalandava no anaovana izany ary ampifaliana ihany koa ny ahitana fa maro isika no mankasitraka na dia tsy mbola matihanina aza aho. Ny azoko lazaina angamba dia misaotra erampo erantsaina antsika rehetra satria “aventure” mahafinarira ity resaka maquillage ity hatramizao. Roa taona izao ny pejy Izay tia maquillage no niforona sady antenaina mbola hitohy ela. 

Ity misy tutoriel iray entina mamarana ity taona ity. Mbola te hanao tutoriel iray hafa aho nefa tsy hay ny sampona ka aleoko miteny hoe ity ny farany. Ity ny maquillage ho entiko amin’ny alin’ny faran’ny taona. Fivoriam-pianakaviana moa no hiandrasako ny taona vaovao ka zavatra maivamaivana no natao. Raha handeha alim-pandihizana angamba dia tsaratsara kokoa raha atao betsaka kokoa ny mangirangirana. Jereo ohatra ity tutoriel antsary ity raha maquillage somary sophistiqué no mety aminao hoan’ny réveillon. 

Ampy angamba izay ny resa-be fa indro ilay tutoriel. Enga anie ahazoanareo aingam-panahy. 



Dia mirary antsika rehetra hamarana ny taona 2014 ao anaty hafaliana, fahasalamana sy hasambarana ka hitsena ny 2015 ao anatin’izany zava-tsoa rehetra izany.

Misaotra anao namaky
Dia amin'ny herintaona indray ary e

mardi 9 décembre 2014

Tutoriel en image: maquillage hoan'ny fety

Salama tompoko,

Ho avy sahady ity ny fetin'ny faran'ny taona. Maro ny zava-miseho ao anatin'izany vanim-potoana izany. Isan'ireny ny fety sy lanonana maro, ohatra hoe ny Krismasy sy ny Réveillon an'ny taom-baovao. Fotoana tena tiantsika koa izao hianjaikàna. Ankoatra ny akanjo sy kiraro dia zava-dehibe ho antsika vehivavy ny taovolo, ny taohoho ary ny maquillage ao anatin'izay fianjaikàna izay.

Nohon'ny fiarahako miasa amin'ny Ze mag!dia nanao fampianarana maquillage hoan'ny fety aho. Tsy toy ireo tutoriel en vidéo efa fanaoko ao YouTube izy ity (Jereo ATO raha te ahita izany tutoriels en vidéo izany ianao) fa natao amin'ny sary. Ny loko doré teto no nampiasaina satria isany loko hitako tena tsara hoan'ny fetin'ny faran'ny taona izy io. Aoka izay ny resa-be fa ndao jerentsika ny fomba nanaovana ity maquillage ity. 



Araka ny hitantsika amin'ny sary dia fard crème marron manopy cuivre doré no apetraka voalohany. Aparitaka amin'ny paupière mobile izy io avy eo. Apetraka amin'ny 2/3 ny hodimaso avy eo ny fard doré dia haparitakaindray. Tsy hita eto amin'ny sary moa fa rehefa izay dia atao estompage mba hanalefaka ny sisin'ny fard doré.

Nasiana fard mat mainty ny sisin'ny hodimaso mba anome hendrika somary smoky ny maquillage izay natao. Estomper-na indray ka taritina makaty anatiny ilay mainty iny. Asiana fard mat beige indray ny ambany volomaso (ambany sourcils) mba hitondra ilay atao hoe "touche lumière" na matroka aza ny maquillage dia mazava ihany ny fijery rehefa misy io touche lumière io.

Avy eo dia averina eto ambany amin'ny alalan'ny pinceau kelikely ny loko mainty teo ambony. Asiana crayon mainty koa ao amin'ny muqueuse.

Ny eyeliner sy ny mascara no mamarana ny maquillage-tsika dia vita! Raha mbola tsy mahay manao eyeliner ianao dia jereo ETO fa zaraiko ao ny fomba sy ny fikafika mahasoa, anaovana eyeliner tsotra sy vetivety dia vita.

Faly koa aho mizara aminao ny laharana farany hivoaka hoan'ny Ze Mag amin'ity taona ity. Joie&Noël no loha-hevitra entiny ary tena manimanitra fety tokoa izy ity.

Dia mirary antsika rehetra hanao fety sambatra. 

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

lundi 24 novembre 2014

Maquillage mat: tsara koa raha ny loko tsotra (tsy mangirana) no mibahana

Salama tompoko, 

Asa ianareo fa izaho matetika tia mampiaraka ny loko mangirana sy ny loko tsotra (mat) rehefa manao maquillage. Mampivoaka ny fijery mantsy ny fifangaroan'ireo karazana loko ireo. Tsy azo hadinoina anefa fa ny loko mats maromaro miaraka koa dia mamoaka maquillage tsara jerena. Raha hoan'ny andavanandro dia ireo loko mats ireo aza no  hitako mora entina indrindra. 

Nanandrana karazana smoky aho teto ka ny marron no tiako nasongadina satria efa ela ihany aho no naniry hanandrana io loko io. Nasiana tsipika mainty manamorona ny volomaso ambony (cils supérieurs) ary nasiana mangirana kely teo amin'ny tendron'ny maso mba hampisokatra ny fijery sy hitondra hazavana kely. 

Toy izao no nanaovako azy:

Ny beige aloha no napetraka voalohany teo ambany sourcils mba hanazava an'iny faritra iny ka tsy ahamatroka loatra an'ilay maquillage. Avy eo dia napetraka ny marron antitra teo amin'ny paupière mobile. Rehefa izay dia natao ny estompage, izany hoe afangaro tsara ireo loko mifandray mba tsy hifaritra be. Avy eo dia asiana crayon mainty ny manamorona ny volomaso ambony (ras des cils supérieurs) ka tsindrina fard mainty mba hateza sy ho intense tsara. Raisina indray ny pinceau estompeur dia afangaro sy aparitaka tsara ilay mainty mba ho "fumé" ilay izy fa tsy mifaritra be ny fifandraisan'ny loko marron sy mainty. Asiana fard mainty koa ny moron'ny volomaso ambany dia estomper-na. Avy eo asiana crayon mainty ilay hoditra anaty maso (muqueuse hoy ny teny frantsay) Avy eo maka crayon mangirana (fard en stick gris misy paillettes argentées no nampiasaiko teto) eo amin'ny tendron'ny maso dia faranana amin'ny mascara. Izaho moa tia manisy mascara amin'ny volomaso ambony sy ambany fa afaka tsy asiana ny ambany raha izay no mahazatra anao.





Misaotra anao namaky, 
Mandra-piresaka tompoko

jeudi 6 novembre 2014

Tag#003 The perfect palette

Salama tompoko,

Tag indray no ataoko androany. Efa elaela ihany aho no notondroin'i Michou hanao ity Tag ity fa izao moa vao misy fotoana. The perfect palette noanaran'izy ity. Raha adika tsotsotra dia hoe ny palette tonga lafatra. Ho lava angamba raha azavaina amin'ny antsipirihany fa misy fanotaniana maromaro toy ny tag rehetra. Tag mandeha amin'ny blogs sy chaînes YouTube amin'ny teny frantsay na anglisy izy ity. Noho izany dia nadika tsotsotra amin'ny teny malagasy ireo fanotaniana. Miala tsiny raha tsy tonga lafatra ny dikan-teny. Ankoatra izay dia matetika olona manana palettes be dia be sy mahagaga no manao azy ity. Ny ahy tsy dia betsaka sady tsy misy marques be nefa mba tena tiako ilay tag dia nataoko e. Aza omena tsiny. Aoka izay ny blabla, ndao alefa ny tena resaka.
1- Iza amin’ireo palettes anananao no tsara indrindra ny fonony ?
Ity Artist’s it an’i Sephora ity no tiako indrindra ny fonony satria misy loko pastel mifangaroaro ny ivelany. Ny ao anatiny kosa mainty, hitako mihaja be.

     2- Iza amin’ireo palettes anananao no tsara indrindra ny loko ao anatiny ?
    Gossip Girl an’ny marika Chi Chi izy ity. Loko enina no ao anatiny ary misy paillettes sy reflets izy ireo. Tena mahasondriana ahy tokoa satria loko tsy fahitako amin'ny palette hafa.(Tsy mivoaka tsara amin'ny sary moa ilay loko fa ialàna tsiny)


    3- Iza amin’ireo palettes anananao no feno indrindra?

    Ity coffret Yves Rocher ity no hitako feno tsara satria misy fards à paupières, blush ary gloss


    4- Iza amin’ireo palettes anananao no tsara entina mandeha lavitra

    Satria moa feno tsara ny coffre Yves Rocher nasehoko eo ambony dia io no hitako tsara entina mandeha lavitra. Nefa matetika dia zavatra fisapisaka no tsara entina anaty valizy mba tsy hibahana be loatra, noho izany dia ity palettes 88 couleurs warm ity koa no hitako hoe mety entina lavitra satria fisaka sady feno tsara ny loko hoan’ny maso. Misy fards tsotra sy fards mangirana izy ity sady loko azo entina amin’ny fotoana rehetra. 


    5- Iza amin’ireo palettes anananao no nanenenanao no nividy azy?

    Tsy misy tena nanenenako. Ity asehoko ity ohatra somary mamovoka ny fards nefa tsy hanenenako satria tsara ny lokony sady misy brush roa anampiny. Tsy misy marque izy ity fa "vita sinoa".

     
    6- Iza amin’ireo palettes anananao no tsara indrindra ny anaran’ny fards ao anatiny?

    Ireo palettes kely an’ny marika ELF no hitako tsara anarana satria tena mifanaraka tsara amin’ny lokon’ny fards. Ocean dreams, Drama ary Day 2 Night no ananako.

     
    Ilay Ocean dreams araka izany anarany izany dia misy loko mampanembona ranomasina satria turquoise, bleu vert sy bleu profond no hita eo.

     Ny Drama kosa dia fanaovana smocky eyes. 

    Ary ny Day 2 Night dia misy fards mazava azo entina amin’ny antoandro ka ampiana amin’ireo  matroka fotsiny ny maquillage raha tiana entina amin’ny alina.

    7- Iza amin’ireo palettes anananao no tsy dia ampiasainao indrindra?

    Eto ampamaliana ireto fanotaniana ireto aho vao tonga saina fa misy palettes vitsivitsy tsy dia miasa nefa tena tsara tarehy ny loko ao anatiny. 

    Isan'ireny ity palette Glam’Eyes 016 (urban flower) an'i Rimmel ity


         Eo koa ity palette novidiako efa ela ity izay efa tsy hita intsony ny anarany
     
    Ity iray ity koa toa tsy dia miasa loatra. Palette nisy nanome izy ity. Tsy hitako intsony ny anarany fa palette sinoa aloha e


    8- Iza amin’ireo palettes anananao no ampiasainao indrindra?

    Ato amiko dia misy palettes tena mahazatra, tonga dia voaray isaky ny hanao maquillage. Voalohany indrindra ity 100 couleurs marbrées an’i ELF ity. 




    Ity Brilliant Brown (201) an’i DB Cosmetics ity koa dia tena miasa tokoa, indrindra amin'ny andavanandro.



     Ary tsy hadino sy tsy azo hialàna ilay 88 couleurs warm efa noresahako teo ambony. 


     9- Lazao anay ny palettes tianao hananana

    Lorac pro palette an’i Lorac (na ilay 1 na ilay 2 samy tiako handramana) Sary nindramina tamin'ny blog Beauty101blog.com ity hasehoko ity. Vao nivoaka tsy ela akory izay ny palette Lorac super pro (na mitovitovy amin'izay) dia tiako handramana koa. Tsy vidiam-bola ny mandrevy hoy ny vadiko izay.

    10- Iza no tondroinao hanao ity tag ity ?

    Tondroiko hanao ity tag ity izay Malagasy rehetra liana hizara an-tsary na amin'ny vidéo ireo ny palettes fampiasany.

    Jereo ETO ny vidéo nataon'i Michou raha mahaliana anao. 


    Misaotra anao namaky
    Mandra-piresaka tompoko

    vendredi 31 octobre 2014

    Aza mividy diloilo coco intsony fa manaova ao an-trano

    Salama tompoko

    Isany mampimenomenona antsika ny diloilo coco (na menaka coco angamba no tena mahavantana ny maro) vita malagasy satria indraindray mahery fofona izy ireny. Mitapoka zavatza tsy fantatra izy ireny  matoa misy fofona mahery. Rehefa "pure" izy dia manitra coco toy ireny sakafo misy hanitra coco rehetra ireny. Raha te hampiasa diloilo coco tena azo antoka ianao sady tsy lafo, tsy aleo ve manamboatra?


    Tsy sarotra akory ny manamboatra diloilo coco ary zavatra vitsy monja no ilaina hanaovana azy. Maro ny fomba fakàna ny menaka amin'ny coco ka isan'ireny ity ho zaraiko ity.

    Zavatra ilaina:

    - nofona coco (ilay fotsifotsy)
    - rano

    Fitaovana ilaina:

    - fikikisana mafy tsara (ohatra: fikikisana karaoty na ireny fikikisana coco ireny)
    - zavatra mafana (lafaoro, vilany misy rano mangotraka ...)
    - fitatavanana na passoire 
    - vilia jobo
    - bocal na vera

    Fikarakarana azy:

    Kikisana ao anaty vilia jobo ny nofona coco. Asiana rano kely dia hafangaro tsara. Volavolao mafy tsara amin'ny tanana roa mba hivoaka ny rano sy menaka ao anatin'ny nofona coco. Atao izay ahazoana fangaro mitovy hendrika amin'ny ronono. Io moa ilay antsoina hoe lait de coco. Afaka mijanona hatreto, nefa koa afaka mampiasa mixer mba hampifangaro azy tsara. Rehefa izay dia tatavanina ka tatazana amina bocal, na vera na zavatra hafa vita amin'ny vera ka mahazaka hafanana.

    Hafanao mandritra ny 15min ny lafaoro (180°) na mampangotraha rano kely (tsy mandifotra ilay bocal) ao anaty vitany. Rehefa izay dia pio ny lafaoro na vonoy ny afo nampangotrahana rano ka atao ao ilay bocal. Hidio tsara ny varavaran'ny lafaoro na saromy tsara ny vilany (afaka fonosina bodofotsy koa ny vilany mba hitazona hafanana tsara) Avelao ao indray alina.

    Ny ampitso maraina dia hiavaka eny ambony ny menaka fa aty ambany kosa ny rano. Mivaingana toy ny dibera izy ity fa rehefa tratran'ny hafanan'ny tanana dia mitsonika toy ny menaka rehetra. Alaivo moramora amin'ny sotro io menaka mitsingevana io dia tehirizo anaty bocal misarona tsara. Mateza ihany ny diloilo coco raha tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana. Saingy aleo kelikely ihany no atao mba tsy hitehirizana azy mihoatra ny iray volana. Aleo manamboatra matetika toy izay mitahiry ela loatra.

    Atao inona moa ny diloilo coco? 

    Satria moa vokatra voa-janahary izy dia tena maro ny tia mampiasa azy.

    • Afaka atao démaquillant izy
    • Afaka hanaovana bain d'huile
    • Afaka hafangaro amin'ny tai-kafé atao gommage
    • Afaka hanorana ny kibon'ny zazakely misy rivotra
    • Sy ny maro hafa koa
    Mazoto manamboatra diloilo coco ary dia zarao eo amin'ny commentaire na ao amin'ny pejy Izay tia maquillage ny vokatra rehefa manandrana ianao.

    Misaotra anao namaky
    Mandra-piresaka tompoko

    vendredi 17 octobre 2014

    Ny hevitro makasika ny argile verte

    Salama tompoko,


    Alohan'ny zavatra rehetra dia mialatsiny indrindra raha tsy dia namoaka lahatsoratra tato ho ato. Somary mangina daholo moa na ny chaîne YouTube Izay tia maquillage, na ny pejy ao amin'ny Facebook. Tsy midika akory izany fa hadinoko ianareo fa somary be adidy aho dia nangingina kely. Miezaka hatrany anefa hiverimberina eto.

    Rehefa afaka ny tsiny dia ndao hiditra amin'ny tena vetindresaka. Efa elaela aho no tapa-kevitra fa hividy argile verte. Mampatetika hodi-tava ity akora iray ity ka izay no antony nividianako azy. Marihina moa fa ny olona manana hoditra matavy toa ahy matetika dia manana maso-koditra misokatra. Ka io argile verte io no malaza hoe mety hanitsiana izay. Rehefa avy nijerijery tamin'ny internet aho dia tapa-kevitra fa hanandrana ary tao amin'ny Homeopharma aho no nividy.



    Tamin'ny andro voalohany nanandramako azy dia somary nanao réaction ny hoditro satria nivontovonto ny maso-koditra. Tamin'izay dia nosorako ny argile verte efa nifangaro tamin'ny rano kely dia navelako teo amin'ny hoditra nandritra ny 15min teo. Tsy nisy vokany loatra tamin'ny maso-koditra fa izy nivonto izay. Tato aoriana aho vao nahita indray tamin'ny internet hoe tsy tokony avela ho maina mihintsy ilay izy fa lemana foana. Tapa-kevitra hanandrana fanindroany aho ka dia nolemana foana indray. Tsy sahy namela azy ela moa aho ka 5min ihany dia nesoriko. Vokany: mbola nivonto ihany. Rehefa vita ilay izy dia nodioviko tsara, nasiako crème hydratante ny hoditro lasa natory izahay sy ny boutons kely maromaro. Nony maraina dia afaka ilay boutons ary somary natetika kokoa ny hodi-tava tamin'ny faritra nasiana ilay sarona. Sady tsy dia natavy fa maina aza.

    Navelako elaela tao aloha ilay izy satria tsy hitako izay tena hevitro mahakasika azy. Niresaka tetsy sy teroa, nanotany ireo efa nampiasa aho dia naheno indray fa mila lemana tsara ny tarehy ka izy mando iny no asiana ilay sarona amin'ny argile verte. Dia io indray no nandramana ka tsy nivonto intsony ny maso-koditra ary hita avy hatrany fa nikatona ny maso-koditra. Indray mandeha isan'kerinandro ihany angamba no tena mety (raha ho ahy manokana aloha) satria rehefa atao matetika ilay izy (indroa ao anaty herinandro izay) dia mivonto ny maso-koditra. 

    Ny hevitro makasika ny argile verte izany hatreto dia somary misalasala ihany. Mety ilay izy mana-maina hoditra matavy sy manidy maso-koditra fa ilay mivontovonto kosa tena atahorako. Noho izany dia tsy te hanohy hampiasa azy aho aloha hatreto.

    Ary ianareo ve efa nampiasa argile verte? Nanao ahoana ny vokatra? Mba zarao amin'ny commentaire fa tena mahaliana ahy. Misaotra mialoha


    Mandra-piresaka tompoko

    dimanche 21 septembre 2014

    Mila hydrater-na ve ny hoditra matavy?

    Salama tompoko

    Satria moa ny hoditra matavy araka izany anarany izany dia mitera-menaka ka maro isika no manotany tena hoe mbola mila hydratation ve? Araka ny toro-hevitry ny manam-pahaizana amin'ity taranja ity dia mila hydratation foana ny hoditra na matavy azy. Ny tanjona izany dia hydratation miampy famerana ilay menaka tsy ho mora mivoaka. Ny zavatra mora atao indrindra angamba dia mividy crème hydratante pour peau grasse. Ny ivo-toerana mpahay ity sehatry ny hatsaran-tarehy ity mihintsy no mamoaka azy ireny ka ny manosotra sy manaraka ny toro-marika sisa no anjarantsika.

    Ao koa anefa ireo izay mankafy manokana ny vokatra voajanahary. Isika Malagasy dia tena tia ny vokatra voajanahary mba hialàna amin'ny voka-dratsin'ny akora simika satria ireny produits efa vita ireny matetika dia misy izay akora simika izay. Eto ary no tsara hanandramana ny recettes de grand-mères hoy ilay fiteny mahazatra. Ary misy tokoa izay recette de grand-mères izay raha te hitondra hydratation hoan'ny hoditra matavy isika.

    Ny zavatra ilaina:
    • Argile verte
    • Ronono
    • Tantely

    (Atao mitovy fatra ny ronono sy argile verte ary iray ampahatelon'ny argile verte kosa no fatran'ny tantely.)

    Ny fomba fanaovana azy:

    Afangaro fotsiny ireo zavatra telo ireo dia apetraka amin'ny tarehy (tsy asiana ny manodidina ny maso) Avela 10min dia kobanina amin'ny rano matimaty (rano hampangotrahina dia avela ho matimaty fa tsy mangatsiaka nafanaina ho matimaty) Rehefa afaka tsara amin'ny rano dia afaka osorana ny crème hydratante mahazatra anao. Afaka atao indray mandeha isan-kerinandro izy ity. Tsara hoan'ny hoditra matavy ary afaka ampiasaina amin'ny hoditra mixte fa raha maina ny hoditrao dia tsy mety.

    Misaotra anao namaky
    Mandra-piresaka tompoko