lundi 28 juillet 2014

Makasika ny eyeliner

Salama tompoko


Anisany fanotaniana miverina matetika indrindra ao amin'ny Izay tia maquillage ny hoe "ahoana ny fametrahana eyeliner" Maro ny olona tsy tia manao maquillage na tsy manam-potoana no manao eye-liner sy mascara fotsiny mba hampivoaka tsara ny masony. Anisan'ireny olona tia manao eyeliner ireny aho rehefa tsy dia manam-potoana. Tsy mitovy amin'ny fitiavako eyeliner taloha anefa ny fitiavako azy amin'izao satria taloha dia io no tena hay ka io no tena natao. Izaho somary leo aho ary hitako fa mavesatra ny fijeriko rehefa manao eyeliner. Hany ka indraindray ihany aho no manao eyeliner sy mascara fotsiny.

Na izany na tsy izany anefa, isan'ny zavatra basique tsara hay ny fametrahana eyeliner. Maro ny sary sy vidéo mampiseho ny fomba fanaovana azy io nefa ny tsiambaratelon'ny fahaizana azy dia ny fizàrana irery ihany. Mangovitra daholo ny olona rehetra rehefa hametraka eyeliner voalohany nefa rehefa zatra dia toa mandeha ho azy. Araka ny ho hitantsika amin'ny vidéo izay hozaraiko etsy ambany dia tsy hoe tsara sy tonga lafatra foana akory ny eyeliner. Ny ahy io zaraiko io izao somary tsy nety saingy tsy dia hoe ratsy be dia zaraiko ihany ary nentiko nivoaka soa aman-tsara mihintsy io.

Misy koa anefa ny fikafika kely hanafainganana ny fahaizana mametraka eyeliner:

  1. Fika voalohany ny fametrahana ny tanana eo amin'ny tarehy. Izahy hoe miankina amin'ny tarehy ny tanana mba tsy hangovitra loatra. Mety io raha mitsangana ianao no manao eye-liner. Raha mipetraka manoloana ny latabatra kosa dia tsara raha hapetraka tsara amin'ny latabatra ny kiho. 
  2. Manaraka izay dia esory eo ami'ny hodi-maso mihintsy ny pinceau rehefa te hikipy ny maso. Ilay maso mikipy tampoka iny koa mantsy dia manimba zavatra be. Rehefa zatra tsara kosa aloha na hikipikipy injato eo aza mety foana :P
  3. Aleo atao manify ilay tsipika dia atevenina araka izay hitiavana azy avy eo. Raha tonga dia asiana produit matevina be ilay pinceau dia mety hitakosina ka tsy hita izay anaovana azy.
  4. Tsara kokoa ny eyeliner raha manify aty anatiny (avy aty amin'ny orona) ka miha-matevina makany ivelany)
  5. Aleo tsy sintonina ny hodimaso rehefa mametraka an'ilay produit satria hafa ny sary mivoaka rehefa mihenjana sy rehefa "normal" ny hodimaso
  6. Ary farany, aleo mihiratra rehefa mametraka eyeliner mba ahitanao hoe mety ilay izy sa tsia satria indraindray hafa ny "sary" mivoaka rehefa mihiratra ary hafa rehefa mikipy. Isika moa mihiratra amin'ny ankapobeny ka aleo izany ilay hendriny rehefa mihiratra iny no atao izay ahatonga lafatra azy. 




Ilay eyeliner Lasting drama an'i Maybelline no ampiasaiko ary efa iray taona sy tapany izao no hampiasàko azy io. Mbola tsy nahalany iray akory aho fa raha lany io dia mbola hividy aho satria tena mahafa-po ahy. Varotana miaraka amin'ny pinceau izy io. Maro ireo mampiasa azy no mahita fa matevina loatra ilay pinceau. Jereo ilay vidéo hozaraiko eo ambany eo fa misy fomba fanaovana azy mba ahafisaka ilay pinceau. Manaraka izay dia somary maina ilay gel rehefa ela ny ela. Tsy olana loatra io ho ahy satria ny mahazatra ahy dia apetrako eo amin'ny tanana ilay produit rehefa hanao eyeliner aho. Rehefa tratran'ny hafanan'ny hoditra fotsiny ilay izy dia lasa "mitsonika" tsy hoe mitsonika mitsiranoka akory fa miverina amin'ny hendriny toy ny tamin'ny vao novidiana.

Tiako marihina koa fa na ilay eyeliner sy mascara aza no tena tiana hisongadina dia mampiasa fards roa mitovy loko amin'ny hoditra ihany aho. Ny fard marron manopy corail somary mangirana izay tena mifanakaiky be amin'ny lokon'ny hoditro dia mampitovy ny lokon'ny hodimaso. Mivoaka kokoa tsinona ny eyeliner raha tsy hita be eo ilay lalan-drà ohatra. Ilay fard beige mat kosa mitondra ilay ataon'ny vazaha hoe touche lumière, ilay mazava ambany volomaso (sourcils) sy eo amin'ny tendro anatin'ny maso (coin interne)

Lava resaka aho fa aoka izay. Ity ny vidéo hampisehoako ny fomba fametrahako eye-liner. Enga anie hanampy antsika maro be mametraka fanotaniana mahakasika an'ity eyeliner ity io vidéo io.



Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire