mardi 9 décembre 2014

Tutoriel en image: maquillage hoan'ny fety

Salama tompoko,

Ho avy sahady ity ny fetin'ny faran'ny taona. Maro ny zava-miseho ao anatin'izany vanim-potoana izany. Isan'ireny ny fety sy lanonana maro, ohatra hoe ny Krismasy sy ny Réveillon an'ny taom-baovao. Fotoana tena tiantsika koa izao hianjaikàna. Ankoatra ny akanjo sy kiraro dia zava-dehibe ho antsika vehivavy ny taovolo, ny taohoho ary ny maquillage ao anatin'izay fianjaikàna izay.

Nohon'ny fiarahako miasa amin'ny Ze mag!dia nanao fampianarana maquillage hoan'ny fety aho. Tsy toy ireo tutoriel en vidéo efa fanaoko ao YouTube izy ity (Jereo ATO raha te ahita izany tutoriels en vidéo izany ianao) fa natao amin'ny sary. Ny loko doré teto no nampiasaina satria isany loko hitako tena tsara hoan'ny fetin'ny faran'ny taona izy io. Aoka izay ny resa-be fa ndao jerentsika ny fomba nanaovana ity maquillage ity. 



Araka ny hitantsika amin'ny sary dia fard crème marron manopy cuivre doré no apetraka voalohany. Aparitaka amin'ny paupière mobile izy io avy eo. Apetraka amin'ny 2/3 ny hodimaso avy eo ny fard doré dia haparitakaindray. Tsy hita eto amin'ny sary moa fa rehefa izay dia atao estompage mba hanalefaka ny sisin'ny fard doré.

Nasiana fard mat mainty ny sisin'ny hodimaso mba anome hendrika somary smoky ny maquillage izay natao. Estomper-na indray ka taritina makaty anatiny ilay mainty iny. Asiana fard mat beige indray ny ambany volomaso (ambany sourcils) mba hitondra ilay atao hoe "touche lumière" na matroka aza ny maquillage dia mazava ihany ny fijery rehefa misy io touche lumière io.

Avy eo dia averina eto ambany amin'ny alalan'ny pinceau kelikely ny loko mainty teo ambony. Asiana crayon mainty koa ao amin'ny muqueuse.

Ny eyeliner sy ny mascara no mamarana ny maquillage-tsika dia vita! Raha mbola tsy mahay manao eyeliner ianao dia jereo ETO fa zaraiko ao ny fomba sy ny fikafika mahasoa, anaovana eyeliner tsotra sy vetivety dia vita.

Faly koa aho mizara aminao ny laharana farany hivoaka hoan'ny Ze Mag amin'ity taona ity. Joie&Noël no loha-hevitra entiny ary tena manimanitra fety tokoa izy ity.

Dia mirary antsika rehetra hanao fety sambatra. 

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

4 commentaires:

  1. Tiko ery aki ko, inona aki ny pallette nampiasaindry ?avotraina seraphinelle

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. - Fard crème over color stick ELF (teinte toasted)
      - Pigments doré marque C'est tout moi teinte 07 raha tsy diso ao satria tsy haiko mijery azy fa be soratra be eo amin'ilay boîte-ny hihihi (sambany aho mba nampiasa pigments akia lol faly ery fa mba nipetaka tsara tamin'ilay fard crème tao ambany.)
      - Fard noir palette 100 couleurs marble ELF
      - Fard beige palette 100 couleurs marble ELF
      - Crayon Auto eyeliner pencil LOL teinte very black
      - Eyeliner eyestudio lasting drama maybelline
      - Mascara Atomic volume Sephora.
      Tsy voatery hoe ireo no ampiasaina fa rehefa loko mitovy dia tokony ho mety. Gros bisous akia Avotraina

      Supprimer
    2. Tiako be ery ilay TUTO fa dia misaotra be dia be anao Madama nisahirana sy nandany fotoana niketriketrika an'izao rehetra izao ho anay mpianatra,
      mankasitraka foana e,
      bisous

      Supprimer
    3. Ianareo no isaorana fa raha tsy misy manaraka dia hiteny irery eto

      Supprimer