jeudi 12 juin 2014

Inona no atao hiatrehana ny ririnina?





Ririnina ny andro. Anisany tena mahazo ny anjarany amizany ny hoditra, lasa maina sy vakivaky. Misy fikafika kely ireto mba hikarakarana azy. 


  • Mihinana vitamins C be kokoa rehefa ririnina satria sady miaro amin’ny aretin’ny ririnina io no manatsara ny vatana rehetra, anisan’izany ny hoditra. Tsy vitamine C vidina amin’ny fivarotam-panafody no resaka eto (raha tsy ny Dokotera no miteny) fa ny sakafo feno vitaminsC
  • Mila misotro rano be foana na ririnina aza satria mila izany rano izany ny vatana mba tsy ho maina. Tsy dia mangetaheta isika rehefa ririnina nefa aleo ezahana taperina ihany ny 1.5l isan’andro.
  • Ny hydratation koa dia tena ilaina ety ivelany ka aza hadino ny crème hydratant hoan’ny tarehy, ny molotra, ny vatana iray manontolo. Astuce fanaoko hoan’ireo manana hoditra matavy: alohan’ny hatory aho no manisy crème hydratante fa tsy ny maraina amizay tsy matavy be ny tarehy nefa nourrie tsara ihany ny hoditra. Tsy hadino koa ny baume à lèvres alohan’ny hatory. Atao matevina tsara amizay malefaka ny molotra ny ampitso sady miala ilay hoditra miendakendaka ireny. Tena ilaina io surtout raha hanao lokomena ny ampitso satria ny lokomena manana tendance hanamaina molotra. Efa misy moa izao ny baume teinté pour combiner les deux. Ny baume à lèvre dia mila averina apetraka isaky ny mila izany ny molotra. Afaka soloina produits plus hydratants koa ireo fampiasa isan'andro na ireo atao amin'ny tarehy izany na ny gel douche sns. Tsy azo hadinoina ny hydratation an'ny volo izay mahita faisana koa rehefa ririnina.  Mazava ho azy, mila an'izay hydratation izay daholo ny vatana rehetra hatramin'ny tanana sy ny tongotra.
  • Aleo mampiasa produit malefaka kokoa rehefa ririnina satria sensible ny hoditra rehefa. Ny produit démaquillant no tena anisany tokony atao doux ka raha afaka dia aleo démaquillant manana PH neutre no ampiasaina.
  • Sensible ny hoditra rehefa ririnina dia lasa misalasala isika hanao gommage nefa tena ilaina io mba handeha tsara ihany ny fanavaozana ny sela na renouvellement cellulaire eo amin’ny hoditra. Tsy hajanona izany ny gommage araka izay efa mahazatra antsika. Aza hadino ny gommage hoan’ny vatana iray manotolo.
 Sombiny vitsy ihany amin'ny zavatra tokony atao mba hiatrehana "en beauté" ny ririnina ireo nefa irina fa mahaso antsika