vendredi 31 octobre 2014

Aza mividy diloilo coco intsony fa manaova ao an-trano

Salama tompoko

Isany mampimenomenona antsika ny diloilo coco (na menaka coco angamba no tena mahavantana ny maro) vita malagasy satria indraindray mahery fofona izy ireny. Mitapoka zavatza tsy fantatra izy ireny  matoa misy fofona mahery. Rehefa "pure" izy dia manitra coco toy ireny sakafo misy hanitra coco rehetra ireny. Raha te hampiasa diloilo coco tena azo antoka ianao sady tsy lafo, tsy aleo ve manamboatra?


Tsy sarotra akory ny manamboatra diloilo coco ary zavatra vitsy monja no ilaina hanaovana azy. Maro ny fomba fakàna ny menaka amin'ny coco ka isan'ireny ity ho zaraiko ity.

Zavatra ilaina:

- nofona coco (ilay fotsifotsy)
- rano

Fitaovana ilaina:

- fikikisana mafy tsara (ohatra: fikikisana karaoty na ireny fikikisana coco ireny)
- zavatra mafana (lafaoro, vilany misy rano mangotraka ...)
- fitatavanana na passoire 
- vilia jobo
- bocal na vera

Fikarakarana azy:

Kikisana ao anaty vilia jobo ny nofona coco. Asiana rano kely dia hafangaro tsara. Volavolao mafy tsara amin'ny tanana roa mba hivoaka ny rano sy menaka ao anatin'ny nofona coco. Atao izay ahazoana fangaro mitovy hendrika amin'ny ronono. Io moa ilay antsoina hoe lait de coco. Afaka mijanona hatreto, nefa koa afaka mampiasa mixer mba hampifangaro azy tsara. Rehefa izay dia tatavanina ka tatazana amina bocal, na vera na zavatra hafa vita amin'ny vera ka mahazaka hafanana.

Hafanao mandritra ny 15min ny lafaoro (180°) na mampangotraha rano kely (tsy mandifotra ilay bocal) ao anaty vitany. Rehefa izay dia pio ny lafaoro na vonoy ny afo nampangotrahana rano ka atao ao ilay bocal. Hidio tsara ny varavaran'ny lafaoro na saromy tsara ny vilany (afaka fonosina bodofotsy koa ny vilany mba hitazona hafanana tsara) Avelao ao indray alina.

Ny ampitso maraina dia hiavaka eny ambony ny menaka fa aty ambany kosa ny rano. Mivaingana toy ny dibera izy ity fa rehefa tratran'ny hafanan'ny tanana dia mitsonika toy ny menaka rehetra. Alaivo moramora amin'ny sotro io menaka mitsingevana io dia tehirizo anaty bocal misarona tsara. Mateza ihany ny diloilo coco raha tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana. Saingy aleo kelikely ihany no atao mba tsy hitehirizana azy mihoatra ny iray volana. Aleo manamboatra matetika toy izay mitahiry ela loatra.

Atao inona moa ny diloilo coco? 

Satria moa vokatra voa-janahary izy dia tena maro ny tia mampiasa azy.

  • Afaka atao démaquillant izy
  • Afaka hanaovana bain d'huile
  • Afaka hafangaro amin'ny tai-kafé atao gommage
  • Afaka hanorana ny kibon'ny zazakely misy rivotra
  • Sy ny maro hafa koa
Mazoto manamboatra diloilo coco ary dia zarao eo amin'ny commentaire na ao amin'ny pejy Izay tia maquillage ny vokatra rehefa manandrana ianao.

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

vendredi 17 octobre 2014

Ny hevitro makasika ny argile verte

Salama tompoko,


Alohan'ny zavatra rehetra dia mialatsiny indrindra raha tsy dia namoaka lahatsoratra tato ho ato. Somary mangina daholo moa na ny chaîne YouTube Izay tia maquillage, na ny pejy ao amin'ny Facebook. Tsy midika akory izany fa hadinoko ianareo fa somary be adidy aho dia nangingina kely. Miezaka hatrany anefa hiverimberina eto.

Rehefa afaka ny tsiny dia ndao hiditra amin'ny tena vetindresaka. Efa elaela aho no tapa-kevitra fa hividy argile verte. Mampatetika hodi-tava ity akora iray ity ka izay no antony nividianako azy. Marihina moa fa ny olona manana hoditra matavy toa ahy matetika dia manana maso-koditra misokatra. Ka io argile verte io no malaza hoe mety hanitsiana izay. Rehefa avy nijerijery tamin'ny internet aho dia tapa-kevitra fa hanandrana ary tao amin'ny Homeopharma aho no nividy.



Tamin'ny andro voalohany nanandramako azy dia somary nanao réaction ny hoditro satria nivontovonto ny maso-koditra. Tamin'izay dia nosorako ny argile verte efa nifangaro tamin'ny rano kely dia navelako teo amin'ny hoditra nandritra ny 15min teo. Tsy nisy vokany loatra tamin'ny maso-koditra fa izy nivonto izay. Tato aoriana aho vao nahita indray tamin'ny internet hoe tsy tokony avela ho maina mihintsy ilay izy fa lemana foana. Tapa-kevitra hanandrana fanindroany aho ka dia nolemana foana indray. Tsy sahy namela azy ela moa aho ka 5min ihany dia nesoriko. Vokany: mbola nivonto ihany. Rehefa vita ilay izy dia nodioviko tsara, nasiako crème hydratante ny hoditro lasa natory izahay sy ny boutons kely maromaro. Nony maraina dia afaka ilay boutons ary somary natetika kokoa ny hodi-tava tamin'ny faritra nasiana ilay sarona. Sady tsy dia natavy fa maina aza.

Navelako elaela tao aloha ilay izy satria tsy hitako izay tena hevitro mahakasika azy. Niresaka tetsy sy teroa, nanotany ireo efa nampiasa aho dia naheno indray fa mila lemana tsara ny tarehy ka izy mando iny no asiana ilay sarona amin'ny argile verte. Dia io indray no nandramana ka tsy nivonto intsony ny maso-koditra ary hita avy hatrany fa nikatona ny maso-koditra. Indray mandeha isan'kerinandro ihany angamba no tena mety (raha ho ahy manokana aloha) satria rehefa atao matetika ilay izy (indroa ao anaty herinandro izay) dia mivonto ny maso-koditra. 

Ny hevitro makasika ny argile verte izany hatreto dia somary misalasala ihany. Mety ilay izy mana-maina hoditra matavy sy manidy maso-koditra fa ilay mivontovonto kosa tena atahorako. Noho izany dia tsy te hanohy hampiasa azy aho aloha hatreto.

Ary ianareo ve efa nampiasa argile verte? Nanao ahoana ny vokatra? Mba zarao amin'ny commentaire fa tena mahaliana ahy. Misaotra mialoha


Mandra-piresaka tompoko