lundi 24 novembre 2014

Maquillage mat: tsara koa raha ny loko tsotra (tsy mangirana) no mibahana

Salama tompoko, 

Asa ianareo fa izaho matetika tia mampiaraka ny loko mangirana sy ny loko tsotra (mat) rehefa manao maquillage. Mampivoaka ny fijery mantsy ny fifangaroan'ireo karazana loko ireo. Tsy azo hadinoina anefa fa ny loko mats maromaro miaraka koa dia mamoaka maquillage tsara jerena. Raha hoan'ny andavanandro dia ireo loko mats ireo aza no  hitako mora entina indrindra. 

Nanandrana karazana smoky aho teto ka ny marron no tiako nasongadina satria efa ela ihany aho no naniry hanandrana io loko io. Nasiana tsipika mainty manamorona ny volomaso ambony (cils supérieurs) ary nasiana mangirana kely teo amin'ny tendron'ny maso mba hampisokatra ny fijery sy hitondra hazavana kely. 

Toy izao no nanaovako azy:

Ny beige aloha no napetraka voalohany teo ambany sourcils mba hanazava an'iny faritra iny ka tsy ahamatroka loatra an'ilay maquillage. Avy eo dia napetraka ny marron antitra teo amin'ny paupière mobile. Rehefa izay dia natao ny estompage, izany hoe afangaro tsara ireo loko mifandray mba tsy hifaritra be. Avy eo dia asiana crayon mainty ny manamorona ny volomaso ambony (ras des cils supérieurs) ka tsindrina fard mainty mba hateza sy ho intense tsara. Raisina indray ny pinceau estompeur dia afangaro sy aparitaka tsara ilay mainty mba ho "fumé" ilay izy fa tsy mifaritra be ny fifandraisan'ny loko marron sy mainty. Asiana fard mainty koa ny moron'ny volomaso ambany dia estomper-na. Avy eo asiana crayon mainty ilay hoditra anaty maso (muqueuse hoy ny teny frantsay) Avy eo maka crayon mangirana (fard en stick gris misy paillettes argentées no nampiasaiko teto) eo amin'ny tendron'ny maso dia faranana amin'ny mascara. Izaho moa tia manisy mascara amin'ny volomaso ambony sy ambany fa afaka tsy asiana ny ambany raha izay no mahazatra anao.





Misaotra anao namaky, 
Mandra-piresaka tompoko

jeudi 6 novembre 2014

Tag#003 The perfect palette

Salama tompoko,

Tag indray no ataoko androany. Efa elaela ihany aho no notondroin'i Michou hanao ity Tag ity fa izao moa vao misy fotoana. The perfect palette noanaran'izy ity. Raha adika tsotsotra dia hoe ny palette tonga lafatra. Ho lava angamba raha azavaina amin'ny antsipirihany fa misy fanotaniana maromaro toy ny tag rehetra. Tag mandeha amin'ny blogs sy chaînes YouTube amin'ny teny frantsay na anglisy izy ity. Noho izany dia nadika tsotsotra amin'ny teny malagasy ireo fanotaniana. Miala tsiny raha tsy tonga lafatra ny dikan-teny. Ankoatra izay dia matetika olona manana palettes be dia be sy mahagaga no manao azy ity. Ny ahy tsy dia betsaka sady tsy misy marques be nefa mba tena tiako ilay tag dia nataoko e. Aza omena tsiny. Aoka izay ny blabla, ndao alefa ny tena resaka.
1- Iza amin’ireo palettes anananao no tsara indrindra ny fonony ?
Ity Artist’s it an’i Sephora ity no tiako indrindra ny fonony satria misy loko pastel mifangaroaro ny ivelany. Ny ao anatiny kosa mainty, hitako mihaja be.

     2- Iza amin’ireo palettes anananao no tsara indrindra ny loko ao anatiny ?
    Gossip Girl an’ny marika Chi Chi izy ity. Loko enina no ao anatiny ary misy paillettes sy reflets izy ireo. Tena mahasondriana ahy tokoa satria loko tsy fahitako amin'ny palette hafa.(Tsy mivoaka tsara amin'ny sary moa ilay loko fa ialàna tsiny)


    3- Iza amin’ireo palettes anananao no feno indrindra?

    Ity coffret Yves Rocher ity no hitako feno tsara satria misy fards à paupières, blush ary gloss


    4- Iza amin’ireo palettes anananao no tsara entina mandeha lavitra

    Satria moa feno tsara ny coffre Yves Rocher nasehoko eo ambony dia io no hitako tsara entina mandeha lavitra. Nefa matetika dia zavatra fisapisaka no tsara entina anaty valizy mba tsy hibahana be loatra, noho izany dia ity palettes 88 couleurs warm ity koa no hitako hoe mety entina lavitra satria fisaka sady feno tsara ny loko hoan’ny maso. Misy fards tsotra sy fards mangirana izy ity sady loko azo entina amin’ny fotoana rehetra. 


    5- Iza amin’ireo palettes anananao no nanenenanao no nividy azy?

    Tsy misy tena nanenenako. Ity asehoko ity ohatra somary mamovoka ny fards nefa tsy hanenenako satria tsara ny lokony sady misy brush roa anampiny. Tsy misy marque izy ity fa "vita sinoa".

     
    6- Iza amin’ireo palettes anananao no tsara indrindra ny anaran’ny fards ao anatiny?

    Ireo palettes kely an’ny marika ELF no hitako tsara anarana satria tena mifanaraka tsara amin’ny lokon’ny fards. Ocean dreams, Drama ary Day 2 Night no ananako.

     
    Ilay Ocean dreams araka izany anarany izany dia misy loko mampanembona ranomasina satria turquoise, bleu vert sy bleu profond no hita eo.

     Ny Drama kosa dia fanaovana smocky eyes. 

    Ary ny Day 2 Night dia misy fards mazava azo entina amin’ny antoandro ka ampiana amin’ireo  matroka fotsiny ny maquillage raha tiana entina amin’ny alina.

    7- Iza amin’ireo palettes anananao no tsy dia ampiasainao indrindra?

    Eto ampamaliana ireto fanotaniana ireto aho vao tonga saina fa misy palettes vitsivitsy tsy dia miasa nefa tena tsara tarehy ny loko ao anatiny. 

    Isan'ireny ity palette Glam’Eyes 016 (urban flower) an'i Rimmel ity


         Eo koa ity palette novidiako efa ela ity izay efa tsy hita intsony ny anarany
     
    Ity iray ity koa toa tsy dia miasa loatra. Palette nisy nanome izy ity. Tsy hitako intsony ny anarany fa palette sinoa aloha e


    8- Iza amin’ireo palettes anananao no ampiasainao indrindra?

    Ato amiko dia misy palettes tena mahazatra, tonga dia voaray isaky ny hanao maquillage. Voalohany indrindra ity 100 couleurs marbrées an’i ELF ity. 




    Ity Brilliant Brown (201) an’i DB Cosmetics ity koa dia tena miasa tokoa, indrindra amin'ny andavanandro.



     Ary tsy hadino sy tsy azo hialàna ilay 88 couleurs warm efa noresahako teo ambony. 


     9- Lazao anay ny palettes tianao hananana

    Lorac pro palette an’i Lorac (na ilay 1 na ilay 2 samy tiako handramana) Sary nindramina tamin'ny blog Beauty101blog.com ity hasehoko ity. Vao nivoaka tsy ela akory izay ny palette Lorac super pro (na mitovitovy amin'izay) dia tiako handramana koa. Tsy vidiam-bola ny mandrevy hoy ny vadiko izay.

    10- Iza no tondroinao hanao ity tag ity ?

    Tondroiko hanao ity tag ity izay Malagasy rehetra liana hizara an-tsary na amin'ny vidéo ireo ny palettes fampiasany.

    Jereo ETO ny vidéo nataon'i Michou raha mahaliana anao. 


    Misaotra anao namaky
    Mandra-piresaka tompoko