samedi 30 août 2014

Inona moa ny atao hoe nude

Salama tompoko

Fiteny malaza tato ho ato ny resaka maquillage nude satria io indray izao moa no lamaody. Tsara io lamaody iray io satria azo entina andavanandro noho izy discret. Ary efa maro isika no nanao azy hatrizay satria ny ankamaroantsika dia manao maquillage maivana rehefa andavanandro. Maro anefa isika Malagasy no tsy tena mahay tsara ny atao hoe nude. Zaraiko aminareo ary ny kely mba haiko makasika io lamaody io.



Nude na koa hoe miboridana:

Ilay teny hoe nude dia midika hoe miboridana. Ny maquillage nude izany dia manakaiky ny lokon'ny hoditra miboridana (na koa hoe peau nue) Noho izany tsy loko akory ilay nude fa effet na koa rendu izany hoe fivoakana loko iray na maromaro amin'ny hoditra. Aza hadino anefa fa ny hanatsara no tanjona amin'ny maquillage izany hoe raha loko tena mitovy tsy misy valaka amin'ny lokon'ny hoditra dia tsy dia misy dikany loatra (afatsy ny fond de teint sy poudre izay tokony hitovy loko amin'ny hoditra) Tsy hoe transparent izany ny nude fa loko tena akaiky ny hoditra nefa marevaka kokoa mba ho tsara kokoa ny loko voajanahary. Tsy sanatria fonja anefa akory ny maquillage nude ka hoe tsy maintsy toy izao na toy izao. Fa rehefa manakaiky ny loko voajanaharin'ny hoditra dia nude no fiantso azy. Raha tsy izay ny fivoakany dia tsy nude zany fa zavatra hafa. Tsy voatery asiana anarany hoe nude, marevaka sns koa moa fa izay tianao sy manendrika anao no atao hoe tsara. Misy karazany maro ny maquillage nude. Ao ny manambatra ny maso marevaka na somary mavesatra amin'ny molotra nude na ny mifanohitra amin'izay. Ao ny manao maquillage nude eo amin'ny hodimaso fa mampisongadina ny fijery amin'ny eyeliner na mascara matevina tsara. Ao koa ny manao maquillage nude amin'ny maso sy ny molotra.

Hoan'ny fotsy hoditra dia loko beige manopy mavokely na manopy volom-boasary na manakaiky an'izay matetika no mivoaka nude. Ity sary ity izao dia mampiseho maquillage nude eo amin'ny olona fotsy hoditra. Na somary matroka aza ilay eo amin'ny maso dia hitantsika fa mifanakaiky ihany amin'ny lokon'ny hodiny.Ny molotra eto dia misy effet nude tanteraka izany hoe tsy marevaka sy hita hoe maquillé nefa tsy mifanalavitra amin'ny fihodirany.


Eto amin'ny sarin'i Rihanna izaodia hitantsika fa tsy loko mitovy amin'ilay sary eo ambony no miasa nefa nude ihany ny maquillage. 

 
Nude amin'ny hoho, ny hodi-maso, ny molotra sns

Ny maquillage nude dia azo atao amin'ny faritra rehetra azo maquiller-na izany hoe ny maso, ny hoho, ny hodi-maso sns. Ny fifidianana ny loko dia tsotra be: mila jerena ny loko voajanaharin'ny faritra ho haingona. Ohatra, jereo ny hohonao hoe mavokely tanora ve sa mavo sa mena? Dia izay loko mifanakaiky amin'izay no mivoaka nude eo amin'ny hohonao. Mitovy amin'izany koa ny molotra: mavokely ve sa marron sa mena? Aza misalasala manakaiky ilay lokomena eo amin'ny molotra ahitana hoe mitovitovy ve sa mifangarika be? Izay no mahatonga an'ilay hoe tsy hivoaka nude amin'ny olona mainty fihodirana avy aty Afrika mihintsy ny lokomena izay mivoaka nude amin'ny vehivavy fotsy fihodirana avy any Eropa ohatra.Noho izany, raha haka aingam-panahy amina sary ianao dia sarin'olona mitovitovy fihodirana aminao jerena. Aza hadino koa fa na olona mitovy fihodirana aminao aza izy dia tsy voatery hanendrika anao avokoa izay manendrika azy. Noho izany, ny tsirairay mihintsy no tsara mijery akaiky ny zavatra ho ampiasainy ary indrindra mijery ny lokony. Mbola averiko ihany fa na samy Malagasy izao aza isika dia tsy misy loko tokana hanendrika antsika rehetra izany.

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

lundi 25 août 2014

Le scotch, cet ami qui nous veut du bien

Salama tompoko

Fizarana fikafika fanaovana maquillage moa no tena namoronana ny Izay tia maquillage ka aleo ho hizara fikafika iray tena mety sy mahatsara zavatra. Tsy inona izany fany scotch. Azo ampiasaina tsara ny scotch mba hampahitsy ny maquillage amin'ny sisiny ivelan'ny hodimaso na koa ny coin externe. Apetraka manaraka ny firafitry ny maso ambany fotsiny izy dia alefa toy ny mahazatra ny maquillage. Ny tombony dia afaka mihoatra kely satria eo amin'ny scotch izay mihoatra fa tsy miforetaka amin'ny hoditra akory. Rehafa vita izany ny maquillage dia esorina ilay izy. Mba tsy hampiraikitra be azy dia aleo apetapetaka amin'ny tanana aloha ny scotch alohan'ny hampaisàna azy. Amin'izay miala ny lakôly tena miraikitra be. Marary mantsy raha iny lakôly miraikitra be iny no avy dia apetraka amin'ny hodi-tava. Izaho manokana dia tsy dia tena zatra mampiasa scotch satria rehefa manao eyeliner aho no tena mila hoe mahitsy be ny faran'ny maquillage. Nefa izaho moa tsy dia manao maquillage (maquillage miloko no tiako lazaina) + eyeliner miaraka hany ka tsy dia mampiasa scotch matetika.

Mety tsy mzava tsara angamba ilay fomba fampiasana scotch. Jereo io vidéo zaraiko eo ambany io fa mampiasa scotch aho ao. Toy ity amin'ny sary ity ny maquillage nataoko. Maquillage tsotra be izy ity, azo lazaina hoe maivana. Azo entina andavanandro.


Ity ny vidéo mampianatra manao azy io raha mahaliana anao.



Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

jeudi 21 août 2014

Manendrika antsika ny loko orange

Salama tompoko

Tsy tiako ny miteny hoe manendrika antsika gasy ny loko toy izao na toy izao satria na samy gasy aza dia tsy voatery hitovy foana. Misy ny fotsy, ny zarazara, ny mainty. Ao ny fotsy mena, ny fotsy mavo, ny mainty maka hendrika afrikana, ny mainty maka hendrika indianina. Bref, ny azoko lazaina makasika ny loko orange angamba dia hoe manendrika ny volo-koditra zarazara. Io tsinona no hitako fihodirana matetika hita amin'ny Malagasy. Efa maro ny olona hitako hendrehina loko orange, na amin'ny maso izany, na amin'ny molotra, na amin'ny hoho. Androany dia vernis orange sy mavo no asehoko anareo. Tena tiako ny fivoakany amin'ny hoditro ka zaraiko sao mahaliana anareo koa.


Mety misy manotany hoe inona ny marika sy anaran'ireo vernis ireo. Marika Densy ilay orange (teinte 21) Novidiana teny Analakely, ilay anaty sobika ireny. Ilay mavo kosa tsy misy marika mihintsy misoratra eo :/ Saingy toa mora hita io loko io. Mba handramo ary sao manendrika anao koa ny loko orange.

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

jeudi 14 août 2014

Be théories ny tontolon'ny maquillage

Salama tompoko

Betsaka ny théories tsara fantarina sy arahina eo amin'ny tontolon'ny maquillage. Maquillage eto no resaka fa tsy soin (misy théories maro koa ny resaka soin, fa maquillage aloha no resahako androany) Anisan'ny zavatra nianarako tamin'ny vidéos ao amin'ny Youtube ny théories mahakasika ny maquillage. Maro tokoa izy ireny fa ny tonga ato an-tsaiko no holazaiko:


  • Zava-dehibe tsy azo hialàna ny estompage mba tsy hifangarika ny loko miasa sa mifangaro tsara. Rehefa tsara estompage koa ny loko dia malefaka ny sisiny fa tsy mifaritra be. 
  • Tsara raha ampiadiana ny fards tsotra sy ny fards mangirana na misy paillettes. Izany hoe tsara raha miaraka ampiasaina izy roa mba hivoaka kokoa fa tsy hoe fards mats daholo na fards mangirana daholo.
  • Mahakely maso ny crayon mainty ao anaty muqueuse fa manalehibe fijery kosa raha crayon mitovy loko amin'ny hoditra (na mazava kokoa) no atao ao anaty muqueuse.
  • Mampihiratra fijery ny fard mazava ambany volomaso (sourcils) sy eo amin'ny tendro anatin'ny maso (coin interne)
  • Rehefa mavesatra ny maquillage eo amin'ny maso dia tsara raha atao maivana ny eo amin'ny molotra
Ohatra fotsiny ireo fa maro tena maro ireo théories tsara hampiarina rehefa manao maquillage. Théories ihany anefa izy ireny ary toy ny théorie rehetra dia tsy voatery ho araka antsakany sy andavany foana. Izaho manokana dia isan'ireo zaza maditra tia manandrakandrana izay tsy mifanaraka amin'ireo théories ireo. Sady resaka maquillage moa ilay izy ka sahiko dikaina. Raha tsy mety ny handrana ataoko dia tsy dia misy vokany hoe mety hanenenana loatra. Androany ary dia ilay fampiasana loko mate sy mangirana no somary nodikaiko kely. Loko mangirana efatra be izao no nampiasaiko.




Fards beige, maitso, prune ary marron antitra samy irisés no tena niasa. Nampiasa crayon rouge brique irisé koa natao base. Fa misy corail mat kely ihany aloha e dia beige mat teo ambany volomaso (sourcils) Somary "mitigée" aho amin'ny vokatra azo. Tsy diso fanantenana aho nefa tsy babo tanteraka koa. Saingy misy entiko manarina ny sisa izay. Efa haiko sahady hoe iza amin'ireo loko mangirana ireo no ovaina mate dia mety ahafinaritra kokoa ny vokatra.





Ho ahy dia tsara ny miainga amin'ny théorie raha maquillage no resahana. Avy eo afaka manandrakandrana, manao izay mahafinaritra azy ny tsirairay satria ny fifalian'ny tena aloha no zava-dehibe. Tsy haiko aloha ianareo fa ho ahy dia fialam-boly izy ity. Tena handramako daholo izao rehetra izao. Misy ny entiko mivoaka. Misy no alaiko sary fotsiny. Misy entiko mijejo eran'ny trano. Bref, je me fais plaisir.

Tsy mety tafiditra ilay vidéo fa jereo ato https://www.youtube.com/watch?v=azMxM7NS4ls

Ary ianareo ve mba mandika ireny théorie makasika ny maquillage ireny?

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

jeudi 7 août 2014

Vaky ny fitaratra...

Salama tompoko,

Fambara loza hono raha vaky ny fitaratra? Tsy mino izany aho ;) Raha te hanao vidéo ho alefa ao amin'ny Youtube ianao, izany hoe mila maka sary tena sady mitandrina tsara ny cadrage dia appareil misy retour vidiana (na camescope io na fakan-tsary) Ny ahy tsy misy retour dia tsy maintsy manao système D mba hijerena azy. Hany ka fitaratra no afindrafindra araka izay hazavàna misy ato an-trano. Et c'est comme ça que le miroir s'est retrouvé par terre, en 658 morceaux :-(

Soa ihany fa efa "dans la boîte" ity tutoriel zaraiko androany ity vao nianjera ilay fitaratra.  Manga sy marron no loko miasa eto. Mora atao be izy io.


Ity ary aloha ny tutoriel anaovana azy. Dia mila mijery fitaratra hafa zany hoan'ny tutoriel manaraka.




Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

En amour avec mon vernis violet ;)

Salama tompoko,

Tsy dia misy resa-be atao aminareo aho anio fa te hizara fotsiny ny vernis anaovako androany. Novidiako teny Analakely, tamin'ireny mpivarotra vernis amin'ny sobika ireny izy ity efa elaela ihany izy. Volo-parasy tsara tarehy. Mitsiranoka tsara ilay vernis sady matevina ka mahafinaritra ery ny mametraka azy. Max Fine  izany ny marika dia laharana 50 ity ananako ity. Hoana vernis 500ar aloha dia afapo aho sady efa ela no nampiasako azy toa tsy maninona ny hoho :)


Ary ianareo ve mba mividy vernis eny amin'ny sisiny? Sa vernis de marque ihany? Inona ary ny marikana vernis mba tena mahafa-po anareo e?

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

mardi 5 août 2014

Fomba tsotra hikarakarana ny hoho voan'ny "mycoses"

Salama tompoko

Tsy nohon'ny tsy fahadiovana akory no mampisy mycoses amin'ny hoho fa champignon mifindra izy ireny ka mety azo amin'ny fandraisana tanan'olona. Mora miforona amin'ny hoho mando lava koa ny mycoses. Mora tsaboina anefa ny mycoses na dia mora miparitaka sy manaratsy hendrika ny hoho aza. Ireto misy fomba vitsivitsy afaka hitsaboana azy raha tsy te hampiasa fanafody chimique ianao:

  • Afaka halona ranotsira ny hoho voan'ny mycose ka sira iray sotro no levonina anaty rano 4 sotro. Rehefa levona ny sira dia atsoboka ao ny hoho mandritra ny 30min. Kobanina amin'ny rano matimaty avy eo satria manaikitra ny sira raha avela ho maina eo
  • Fampiasa anesorana mycose eo amin'ny hoho koa ny karibonetra. Tsy alona fa manomana rano kely misy karibonetra (caribonetra iray sotrokely hoan'ny rano efatra sotrokely) Rehefa levona ny karibonetra dia asio ny vovoa ka diovy amin'iny ny hoho rehetra. Afaka avela maina eo
  • Tsara koa ny vinaigre de cidre raha te hitsabo mycose amin'ny hoho. Mila afangaro rano anefa fa tsy avy dia ampiasaina ka raha vinaigre de cidre 1 sotro no ampiasaina dia mila rano avo roa heny, izany hoe 2 sotro. Alona 30min ao ny hoho dia kobanina amin'ny rano matimaty avy eo. 
  • Mandaitra koa ny menaka azo avy amin'ny oliva (huile d'olive) ka hosorana an'iny ny hoho rehefa ao an-trano. Tsy misy fetrany ny ora hametrahana azy eo ary afaka mamerina an'io hatramin'ny telo herinandro. 

Mila faharetana sy fahazotoana ny fitsaboana amin'ny fomba voa-janahary fa tsy toy ny fanafody chimique izay matetika dia ahitana vokatra ao anaty andro vitsy monja. 

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko