lundi 25 août 2014

Le scotch, cet ami qui nous veut du bien

Salama tompoko

Fizarana fikafika fanaovana maquillage moa no tena namoronana ny Izay tia maquillage ka aleo ho hizara fikafika iray tena mety sy mahatsara zavatra. Tsy inona izany fany scotch. Azo ampiasaina tsara ny scotch mba hampahitsy ny maquillage amin'ny sisiny ivelan'ny hodimaso na koa ny coin externe. Apetraka manaraka ny firafitry ny maso ambany fotsiny izy dia alefa toy ny mahazatra ny maquillage. Ny tombony dia afaka mihoatra kely satria eo amin'ny scotch izay mihoatra fa tsy miforetaka amin'ny hoditra akory. Rehafa vita izany ny maquillage dia esorina ilay izy. Mba tsy hampiraikitra be azy dia aleo apetapetaka amin'ny tanana aloha ny scotch alohan'ny hampaisàna azy. Amin'izay miala ny lakôly tena miraikitra be. Marary mantsy raha iny lakôly miraikitra be iny no avy dia apetraka amin'ny hodi-tava. Izaho manokana dia tsy dia tena zatra mampiasa scotch satria rehefa manao eyeliner aho no tena mila hoe mahitsy be ny faran'ny maquillage. Nefa izaho moa tsy dia manao maquillage (maquillage miloko no tiako lazaina) + eyeliner miaraka hany ka tsy dia mampiasa scotch matetika.

Mety tsy mzava tsara angamba ilay fomba fampiasana scotch. Jereo io vidéo zaraiko eo ambany io fa mampiasa scotch aho ao. Toy ity amin'ny sary ity ny maquillage nataoko. Maquillage tsotra be izy ity, azo lazaina hoe maivana. Azo entina andavanandro.


Ity ny vidéo mampianatra manao azy io raha mahaliana anao.



Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

2 commentaires:

  1. Tsy hatahorana hanongotra le volomaso eo ambany ve le scotch aki?

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. tsy apetaka ao ny volomaso ka. Mety mampiongotra io raha lasa ao ny volomaso nefa moa ilay izy koa efa tsy miraikitra be tsony dia mety ça va ihany. asa anefa aleo mitandrina tsara fotsiny

      Supprimer