jeudi 21 août 2014

Manendrika antsika ny loko orange

Salama tompoko

Tsy tiako ny miteny hoe manendrika antsika gasy ny loko toy izao na toy izao satria na samy gasy aza dia tsy voatery hitovy foana. Misy ny fotsy, ny zarazara, ny mainty. Ao ny fotsy mena, ny fotsy mavo, ny mainty maka hendrika afrikana, ny mainty maka hendrika indianina. Bref, ny azoko lazaina makasika ny loko orange angamba dia hoe manendrika ny volo-koditra zarazara. Io tsinona no hitako fihodirana matetika hita amin'ny Malagasy. Efa maro ny olona hitako hendrehina loko orange, na amin'ny maso izany, na amin'ny molotra, na amin'ny hoho. Androany dia vernis orange sy mavo no asehoko anareo. Tena tiako ny fivoakany amin'ny hoditro ka zaraiko sao mahaliana anareo koa.


Mety misy manotany hoe inona ny marika sy anaran'ireo vernis ireo. Marika Densy ilay orange (teinte 21) Novidiana teny Analakely, ilay anaty sobika ireny. Ilay mavo kosa tsy misy marika mihintsy misoratra eo :/ Saingy toa mora hita io loko io. Mba handramo ary sao manendrika anao koa ny loko orange.

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

7 commentaires:

  1. Mbola tsy nandramako kosa ity loko orange ity satria somary manahirana mitady akanjo mifanaraka aminy, nefa tsy dia hankafiziko loatra ny loko mazava be. Porofon'izany, manana vernis bleu turquois zah ao fa mbola tsy nanaovako na indray mandeha ary :D Dia misy rouge vif be dia be koa ao, enfin raha vao mazava be dia miahotra be aho ny hanao azy :)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Izaho indray tsy dia mampiady lokona vernis amin'ny lokona akanjo. asa tokoa hoe nahoana? Matetika ny vernis-ko mandeha irery na miaraka amina accessoire kely dia izay. Soa ihany koa satria aho manana vernis eo amin'ny zato eo, imagine toutes les fringues que je devrais encore acheter hihihi

      Supprimer
  2. Za ndray ry izy roa vavy dia to tsy mifidy lokona vernis lotra za refa tiko de nanaovako. Lay blue turquoise zay zao Le mag tena mety be amiko. Fa ty vernis matte matte tony hoa tena tsy tiko. Fa tsy atao anizay fa misy nge vernis De toa tsy manendrika tanana tsotrizao lokony e!

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Yé misy izy tena tsy mivoaka am tanana nefa jerena eny amin'ny hafa toa tsara ery hihihi izay no mahatsara an'ilay manandrakandrana

      Supprimer
  3. Za omaly nahita malagasy nanao vernis orange satria nahita an'ity blog ity hono izy! Tsaa tokoa

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Zany? faly ery aho maheno zavatra ohatran'izany :P

      Supprimer
  4. Marina tokoa zany, ny ahy kosa dia tsy mba manendrika ahy mihintsy n'y lokomena
    Orange.

    N'y tena mahafinaritra ahy @ty article iray ity dia ilay Joe novidiana teny analakely @irony anaty sobika irony :)

    Izaho dia tena tia antony karazana haingo itony saingy Lavitra ahy kosa n'y andany vola aman-karena aminy. :)

    RépondreSupprimer