mardi 9 septembre 2014

Tag#002 Crazy about lipstick


Salama tompoko

Tag indray no soratako androany satria notondroin’i Aina Vicky hanao ilay Crazy about lipstick. Raha fintinina ny atao hoe tag dia fanotaniana vitsivitsy mahakasika loha-hevitra iray ka izay voatondro dia mamaly. Fa afaka tsy mamaly koa satria tsy terena akory ilay izy fa kilalao ihany.
    1. Manana lokomena firy ianao?
Vao nisaiko teo dia manana lokomena 12 aho
    1. Firy taona ianao no nanomboka nanao lokomena ? 
Tsy tadidiko intsony hoe oviana fa ny tsaroako aloha dia mbola tsy nanao lokomena aho teny amin’ny lycée. Aleo izany atao hoe taorian’ny 18taona tany.
    1. Inona ny lokomena tena tsy azonao ialàna ? 
Ny lokomena miloko vieux rose na bois de rose no tena tsy hialàko satria io no hitako mety amin’ny hendriko. Manana loko hafa aho fa io no tena mahavantana ahy. Ity amin’ny sary ity izao isan’ireo lokomena tena miasa. Jereo ity izy efa simbasimba  kely. Gypsy no anarany, marika ELF. 


    1. Inona ny lokomena anaovanao mba hampiavaka anao ?
Tsy dia fanaoko ny manao lokomena mba hiavaka fa mba hamaliana ny fanotaniana dia ity lokomena Kiko miloko mavokely, volom-boasary ity no hitako tena miavaka rehefa hanaovako. Marevaka be mantsy izy io rehefa anaovana hany ka na izaho aza lasa mijery fitaratra matetika rehefa manao azy. Tsy tadidiko intsony ny reference-ny fa efa voafafa ilay soratra. 


    1. Inona avy ny lokomenanao novidianao ? 
Novidiako ny 9 amin'ireo lokomenako fa ny 3 kosa nisy nanome.
    1. Inona ny lokomena nanenenanao ny nividy azy ? 
Tsy miambahamba aho miteny hoe ity lokomena Flirtatious an’ny marika ELF ity no nanenenako. Tsara tarehy ilay loko saingy tena tsy manendrika ahy mihintsy. Hany ka io izy, toy ny lokomena vaovao satria zara raha nampiasaina. 


    1. Inona ny lokomena tena tinao amin'izao fotoana izao ? 
Luscious Wine no anaran’izy ity ary LA Colors ny marika. Ny lokony indray dia Bordeaux somary manopy prune. Tao anaty ririnina tanteraka no nahazoako azy dia tena nety ilay loko. Hatramin’ny volana jona tany dia io no nanaovako matetika


    1. Iza avy ny lokomena mora indrindra sy ny afo indrindra novidianao ? 
Ity ny lokomena mora indrindra ato amiko. Tsy misy marika izy ity. 2.000ar no nividianako azy tao Behoririka. Nahafinaritra ahy ny lokony sy ny tranony dia novidiako hihihi Vieux rose izy ity, tafiditra tsara amin’ny loko tiako mihintsy. 



Ity kosa no lafo indrindra amin’ny lokomena novidiako. Paint the town no anarany dia LOL ny marika. 11.000ar angamba no nividianako azy io raha be indrindra.


    1. Tia lokomena ve ianao sa tena tia lokomena be sa miondana lokomena mihintsy ? 
Tia lokomena fotsiny aho fa tsy azo atao hoe miondana. Tsy dia mandany vola amin'ny lokomena aho.
    1. Iza ny lokomena mampatsiahy anao olona iray ?
Ny lokomena nomen’olona ahy dia mampatsiahy ahy ireo nanome azy. Isan'izany ity Luscious wine ity izay avy amin’I Alex, namako mipetraka any lavitra be any. Alex, gros bisous. 



Ireto lokomena roa ireto koa dia mampatsiahy ahy an’i Raitra. Lokomena Rimmel, mitondra ny reference 110 ny iray dia ilay Kiko efa nolazaiko teo aloha ny faharoa.




Izay ary ny tantaranay sy ny lokomena. 
Hanondro olona vitsivitsy aho ka asa raha mazoto hanao ity tag ity izy ireo:


…sy ireo Malagasy mpanao blog na mpanao video mbola tsy nanao ny tag Crazy about lipstick

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

dimanche 7 septembre 2014

Ireo youtubeuses sy youtubeurs malagasy fantatro

Salama tompoko

Efa fitadiko matetika ao amin'ny youtube hoe misy Malagasy manao vidéo ve? Matetika Malagasy manao cover (mihira) no miseho rehefa manao recherche. Nefa taona vitsivitsy maromaro izay dia miha-maro ireo mpanao vidéos mahakasika ny hatsaran-tarehy sy ny maquillage, ny lamaody sns. Eo koa ireo manao vidéo mampiomehy ilay antsoina hoe podcast sy ireo manao lakozia. Androany dia hivoaka kely ny resaka maquillage aho satria hizara aminareo ireny Malagasy mpanao vidéo amin'ny youtube ireny. Tsy par ordre de préférence akory io liste io fa tonga dia soratako fotsiny izay tsaroako. Misy vazaha koa ny sasany nefa miresaka zavatra makasika an'i Madagasikara dia tiako alefa eto koa. Ezahiko asiana catégorie angamba mba hilamina kokoa. Cliquer-o fotsiny ao amin'ny anarany tsirairay avy raha te hijery ny chaîne-ny ianao. Ary raha misy youtubeurs Gasy tsy voalazako dia mba zarao amin'ny commentaire satria mahaliana ahy koa. Marihiko fa izaho dia abonnée amin'ny youtubeurs Malagasy rehetra fantatro. Ianao koa manaova toy izany raha manana compte YouTube (rehefa manana gmail dia afaka manana compte YT ary minitra vitsy ihany dia mahaforona izany compte izany)



Catégorie beauté/Mode:

Izay tia maquillage
Felana Sucrée

Delirium Soa
Aina Vicky
Andymakeupbeautiful 
Lys Suez 

Dolce Flower
Tiana c'est moi

Ainalove Makeup
Michou
Dazzling Drew
Petit Cyclone (zandrin'i Dazzling Drew)
Léa BDavisbeauty (metisy Gasy izy nefa mino aho fa afaka alefa eto koa)

Mia Randria

xSoafara 

Colette Zaharko
Mll naisha
Ninaa Tia 
Leehann pour elles 
Navy976 (metisy koa izy)
Iry Randrasana
Mlle OfTheCity
Tesfayane
Sokondia
Malalaerica
Yoshifada

Catégorie Cover:
Rratah
Piso Gasy
Elisoa Erica
Armiou Andriams 
Mialy Randria
Randygasy
candyRak


Catégorie Podcast:
JoaryEnHD
Ariellenigga
Aaron en parle
TiNo Gasy
Didalos DevantSaCam
Eezygasy Rak
Hadrien FaitSonShow
Hianja Rasolofondraibe
Tsara Koko
MrMalgache

Random:

Nounie Chou
Niwina23 
Kahinya Tamaga
Mashuka Ballester
Agriculture Madagascar
Cuisine artisanale d'Ambanja
Lemurbaby
Monyogui

Raha tsy te ho eo anatin'io liste io ianao dia lazao amin'ny commentaire fa esoriko :) Na lazao amiko amin'ny message privé ao amin'ny YouTube. Dia miala tsiny raha nahasorena anao ny fametrahako ny anaranao eto.

Hoan'ny mpamaky, aza hadino ny mi s'abonner amin'ireo namatsika ireo. Hoan'ny Izay Tia Maquillage dia tsindrio ETO dia cliquer-o eo amin'ny s'abonner (bouton mena amin'ny ambony havanan'ilay pejy) Rehefa abonné ianao dia mahita ny vidéo vaovao rehetra. Ary hono hoy aho, efa fantatrao daholo ve ireo Youtubeurs ireo sa misy eto vao hitanao? Lazao ahy amin'ny commentaire e


Mandra-piresaka tompoko

samedi 30 août 2014

Inona moa ny atao hoe nude

Salama tompoko

Fiteny malaza tato ho ato ny resaka maquillage nude satria io indray izao moa no lamaody. Tsara io lamaody iray io satria azo entina andavanandro noho izy discret. Ary efa maro isika no nanao azy hatrizay satria ny ankamaroantsika dia manao maquillage maivana rehefa andavanandro. Maro anefa isika Malagasy no tsy tena mahay tsara ny atao hoe nude. Zaraiko aminareo ary ny kely mba haiko makasika io lamaody io.



Nude na koa hoe miboridana:

Ilay teny hoe nude dia midika hoe miboridana. Ny maquillage nude izany dia manakaiky ny lokon'ny hoditra miboridana (na koa hoe peau nue) Noho izany tsy loko akory ilay nude fa effet na koa rendu izany hoe fivoakana loko iray na maromaro amin'ny hoditra. Aza hadino anefa fa ny hanatsara no tanjona amin'ny maquillage izany hoe raha loko tena mitovy tsy misy valaka amin'ny lokon'ny hoditra dia tsy dia misy dikany loatra (afatsy ny fond de teint sy poudre izay tokony hitovy loko amin'ny hoditra) Tsy hoe transparent izany ny nude fa loko tena akaiky ny hoditra nefa marevaka kokoa mba ho tsara kokoa ny loko voajanahary. Tsy sanatria fonja anefa akory ny maquillage nude ka hoe tsy maintsy toy izao na toy izao. Fa rehefa manakaiky ny loko voajanaharin'ny hoditra dia nude no fiantso azy. Raha tsy izay ny fivoakany dia tsy nude zany fa zavatra hafa. Tsy voatery asiana anarany hoe nude, marevaka sns koa moa fa izay tianao sy manendrika anao no atao hoe tsara. Misy karazany maro ny maquillage nude. Ao ny manambatra ny maso marevaka na somary mavesatra amin'ny molotra nude na ny mifanohitra amin'izay. Ao ny manao maquillage nude eo amin'ny hodimaso fa mampisongadina ny fijery amin'ny eyeliner na mascara matevina tsara. Ao koa ny manao maquillage nude amin'ny maso sy ny molotra.

Hoan'ny fotsy hoditra dia loko beige manopy mavokely na manopy volom-boasary na manakaiky an'izay matetika no mivoaka nude. Ity sary ity izao dia mampiseho maquillage nude eo amin'ny olona fotsy hoditra. Na somary matroka aza ilay eo amin'ny maso dia hitantsika fa mifanakaiky ihany amin'ny lokon'ny hodiny.Ny molotra eto dia misy effet nude tanteraka izany hoe tsy marevaka sy hita hoe maquillé nefa tsy mifanalavitra amin'ny fihodirany.


Eto amin'ny sarin'i Rihanna izaodia hitantsika fa tsy loko mitovy amin'ilay sary eo ambony no miasa nefa nude ihany ny maquillage. 

 
Nude amin'ny hoho, ny hodi-maso, ny molotra sns

Ny maquillage nude dia azo atao amin'ny faritra rehetra azo maquiller-na izany hoe ny maso, ny hoho, ny hodi-maso sns. Ny fifidianana ny loko dia tsotra be: mila jerena ny loko voajanaharin'ny faritra ho haingona. Ohatra, jereo ny hohonao hoe mavokely tanora ve sa mavo sa mena? Dia izay loko mifanakaiky amin'izay no mivoaka nude eo amin'ny hohonao. Mitovy amin'izany koa ny molotra: mavokely ve sa marron sa mena? Aza misalasala manakaiky ilay lokomena eo amin'ny molotra ahitana hoe mitovitovy ve sa mifangarika be? Izay no mahatonga an'ilay hoe tsy hivoaka nude amin'ny olona mainty fihodirana avy aty Afrika mihintsy ny lokomena izay mivoaka nude amin'ny vehivavy fotsy fihodirana avy any Eropa ohatra.Noho izany, raha haka aingam-panahy amina sary ianao dia sarin'olona mitovitovy fihodirana aminao jerena. Aza hadino koa fa na olona mitovy fihodirana aminao aza izy dia tsy voatery hanendrika anao avokoa izay manendrika azy. Noho izany, ny tsirairay mihintsy no tsara mijery akaiky ny zavatra ho ampiasainy ary indrindra mijery ny lokony. Mbola averiko ihany fa na samy Malagasy izao aza isika dia tsy misy loko tokana hanendrika antsika rehetra izany.

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

lundi 25 août 2014

Le scotch, cet ami qui nous veut du bien

Salama tompoko

Fizarana fikafika fanaovana maquillage moa no tena namoronana ny Izay tia maquillage ka aleo ho hizara fikafika iray tena mety sy mahatsara zavatra. Tsy inona izany fany scotch. Azo ampiasaina tsara ny scotch mba hampahitsy ny maquillage amin'ny sisiny ivelan'ny hodimaso na koa ny coin externe. Apetraka manaraka ny firafitry ny maso ambany fotsiny izy dia alefa toy ny mahazatra ny maquillage. Ny tombony dia afaka mihoatra kely satria eo amin'ny scotch izay mihoatra fa tsy miforetaka amin'ny hoditra akory. Rehafa vita izany ny maquillage dia esorina ilay izy. Mba tsy hampiraikitra be azy dia aleo apetapetaka amin'ny tanana aloha ny scotch alohan'ny hampaisàna azy. Amin'izay miala ny lakôly tena miraikitra be. Marary mantsy raha iny lakôly miraikitra be iny no avy dia apetraka amin'ny hodi-tava. Izaho manokana dia tsy dia tena zatra mampiasa scotch satria rehefa manao eyeliner aho no tena mila hoe mahitsy be ny faran'ny maquillage. Nefa izaho moa tsy dia manao maquillage (maquillage miloko no tiako lazaina) + eyeliner miaraka hany ka tsy dia mampiasa scotch matetika.

Mety tsy mzava tsara angamba ilay fomba fampiasana scotch. Jereo io vidéo zaraiko eo ambany io fa mampiasa scotch aho ao. Toy ity amin'ny sary ity ny maquillage nataoko. Maquillage tsotra be izy ity, azo lazaina hoe maivana. Azo entina andavanandro.


Ity ny vidéo mampianatra manao azy io raha mahaliana anao.



Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

jeudi 21 août 2014

Manendrika antsika ny loko orange

Salama tompoko

Tsy tiako ny miteny hoe manendrika antsika gasy ny loko toy izao na toy izao satria na samy gasy aza dia tsy voatery hitovy foana. Misy ny fotsy, ny zarazara, ny mainty. Ao ny fotsy mena, ny fotsy mavo, ny mainty maka hendrika afrikana, ny mainty maka hendrika indianina. Bref, ny azoko lazaina makasika ny loko orange angamba dia hoe manendrika ny volo-koditra zarazara. Io tsinona no hitako fihodirana matetika hita amin'ny Malagasy. Efa maro ny olona hitako hendrehina loko orange, na amin'ny maso izany, na amin'ny molotra, na amin'ny hoho. Androany dia vernis orange sy mavo no asehoko anareo. Tena tiako ny fivoakany amin'ny hoditro ka zaraiko sao mahaliana anareo koa.


Mety misy manotany hoe inona ny marika sy anaran'ireo vernis ireo. Marika Densy ilay orange (teinte 21) Novidiana teny Analakely, ilay anaty sobika ireny. Ilay mavo kosa tsy misy marika mihintsy misoratra eo :/ Saingy toa mora hita io loko io. Mba handramo ary sao manendrika anao koa ny loko orange.

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

jeudi 14 août 2014

Be théories ny tontolon'ny maquillage

Salama tompoko

Betsaka ny théories tsara fantarina sy arahina eo amin'ny tontolon'ny maquillage. Maquillage eto no resaka fa tsy soin (misy théories maro koa ny resaka soin, fa maquillage aloha no resahako androany) Anisan'ny zavatra nianarako tamin'ny vidéos ao amin'ny Youtube ny théories mahakasika ny maquillage. Maro tokoa izy ireny fa ny tonga ato an-tsaiko no holazaiko:


  • Zava-dehibe tsy azo hialàna ny estompage mba tsy hifangarika ny loko miasa sa mifangaro tsara. Rehefa tsara estompage koa ny loko dia malefaka ny sisiny fa tsy mifaritra be. 
  • Tsara raha ampiadiana ny fards tsotra sy ny fards mangirana na misy paillettes. Izany hoe tsara raha miaraka ampiasaina izy roa mba hivoaka kokoa fa tsy hoe fards mats daholo na fards mangirana daholo.
  • Mahakely maso ny crayon mainty ao anaty muqueuse fa manalehibe fijery kosa raha crayon mitovy loko amin'ny hoditra (na mazava kokoa) no atao ao anaty muqueuse.
  • Mampihiratra fijery ny fard mazava ambany volomaso (sourcils) sy eo amin'ny tendro anatin'ny maso (coin interne)
  • Rehefa mavesatra ny maquillage eo amin'ny maso dia tsara raha atao maivana ny eo amin'ny molotra
Ohatra fotsiny ireo fa maro tena maro ireo théories tsara hampiarina rehefa manao maquillage. Théories ihany anefa izy ireny ary toy ny théorie rehetra dia tsy voatery ho araka antsakany sy andavany foana. Izaho manokana dia isan'ireo zaza maditra tia manandrakandrana izay tsy mifanaraka amin'ireo théories ireo. Sady resaka maquillage moa ilay izy ka sahiko dikaina. Raha tsy mety ny handrana ataoko dia tsy dia misy vokany hoe mety hanenenana loatra. Androany ary dia ilay fampiasana loko mate sy mangirana no somary nodikaiko kely. Loko mangirana efatra be izao no nampiasaiko.




Fards beige, maitso, prune ary marron antitra samy irisés no tena niasa. Nampiasa crayon rouge brique irisé koa natao base. Fa misy corail mat kely ihany aloha e dia beige mat teo ambany volomaso (sourcils) Somary "mitigée" aho amin'ny vokatra azo. Tsy diso fanantenana aho nefa tsy babo tanteraka koa. Saingy misy entiko manarina ny sisa izay. Efa haiko sahady hoe iza amin'ireo loko mangirana ireo no ovaina mate dia mety ahafinaritra kokoa ny vokatra.





Ho ahy dia tsara ny miainga amin'ny théorie raha maquillage no resahana. Avy eo afaka manandrakandrana, manao izay mahafinaritra azy ny tsirairay satria ny fifalian'ny tena aloha no zava-dehibe. Tsy haiko aloha ianareo fa ho ahy dia fialam-boly izy ity. Tena handramako daholo izao rehetra izao. Misy ny entiko mivoaka. Misy no alaiko sary fotsiny. Misy entiko mijejo eran'ny trano. Bref, je me fais plaisir.

Tsy mety tafiditra ilay vidéo fa jereo ato https://www.youtube.com/watch?v=azMxM7NS4ls

Ary ianareo ve mba mandika ireny théorie makasika ny maquillage ireny?

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

jeudi 7 août 2014

Vaky ny fitaratra...

Salama tompoko,

Fambara loza hono raha vaky ny fitaratra? Tsy mino izany aho ;) Raha te hanao vidéo ho alefa ao amin'ny Youtube ianao, izany hoe mila maka sary tena sady mitandrina tsara ny cadrage dia appareil misy retour vidiana (na camescope io na fakan-tsary) Ny ahy tsy misy retour dia tsy maintsy manao système D mba hijerena azy. Hany ka fitaratra no afindrafindra araka izay hazavàna misy ato an-trano. Et c'est comme ça que le miroir s'est retrouvé par terre, en 658 morceaux :-(

Soa ihany fa efa "dans la boîte" ity tutoriel zaraiko androany ity vao nianjera ilay fitaratra.  Manga sy marron no loko miasa eto. Mora atao be izy io.


Ity ary aloha ny tutoriel anaovana azy. Dia mila mijery fitaratra hafa zany hoan'ny tutoriel manaraka.




Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko