lundi 24 novembre 2014

Maquillage mat: tsara koa raha ny loko tsotra (tsy mangirana) no mibahana

Salama tompoko, 

Asa ianareo fa izaho matetika tia mampiaraka ny loko mangirana sy ny loko tsotra (mat) rehefa manao maquillage. Mampivoaka ny fijery mantsy ny fifangaroan'ireo karazana loko ireo. Tsy azo hadinoina anefa fa ny loko mats maromaro miaraka koa dia mamoaka maquillage tsara jerena. Raha hoan'ny andavanandro dia ireo loko mats ireo aza no  hitako mora entina indrindra. 

Nanandrana karazana smoky aho teto ka ny marron no tiako nasongadina satria efa ela ihany aho no naniry hanandrana io loko io. Nasiana tsipika mainty manamorona ny volomaso ambony (cils supérieurs) ary nasiana mangirana kely teo amin'ny tendron'ny maso mba hampisokatra ny fijery sy hitondra hazavana kely. 

Toy izao no nanaovako azy:

Ny beige aloha no napetraka voalohany teo ambany sourcils mba hanazava an'iny faritra iny ka tsy ahamatroka loatra an'ilay maquillage. Avy eo dia napetraka ny marron antitra teo amin'ny paupière mobile. Rehefa izay dia natao ny estompage, izany hoe afangaro tsara ireo loko mifandray mba tsy hifaritra be. Avy eo dia asiana crayon mainty ny manamorona ny volomaso ambony (ras des cils supérieurs) ka tsindrina fard mainty mba hateza sy ho intense tsara. Raisina indray ny pinceau estompeur dia afangaro sy aparitaka tsara ilay mainty mba ho "fumé" ilay izy fa tsy mifaritra be ny fifandraisan'ny loko marron sy mainty. Asiana fard mainty koa ny moron'ny volomaso ambany dia estomper-na. Avy eo asiana crayon mainty ilay hoditra anaty maso (muqueuse hoy ny teny frantsay) Avy eo maka crayon mangirana (fard en stick gris misy paillettes argentées no nampiasaiko teto) eo amin'ny tendron'ny maso dia faranana amin'ny mascara. Izaho moa tia manisy mascara amin'ny volomaso ambony sy ambany fa afaka tsy asiana ny ambany raha izay no mahazatra anao.





Misaotra anao namaky, 
Mandra-piresaka tompoko

9 commentaires:

  1. Tsara be ilay izy sady mety tsara am loko n'y teint antsika gasy, fa za refa manao makiazy de tsy maharitra ela le izy fa mora maty kely le makiazy fa inn no mety mahatonga an zan?

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. manaova "base de fard à paupières", ahosotra mialohan'ny hametrahana fards à paupières

      Supprimer
  2. Mampiasa base ve enao?Mety mahatonga anizany dia mety tsy mampiasa base enao,na ilay marque lay makiazy ampiasaina no tsy mitazona. Fa fa hitako azy dia mety olana momba anilay base. Andramo mba asio base.
    Isaoraao ITM nizara any lahatsoratra ty.

    RépondreSupprimer
  3. Madama manja, tsara tarehy ery ity izy, mba rahoviana loatra aho vao ahavita hoatran'io e

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. tsy sarotra akory io. izaho koa talohan'ny nanandrana an'io tena sûre et certaine hoe tsy ahatafavoaka azy mihintsy. mora io fa handramo

      Supprimer
  4. tsara dia tsara mihitsy ary ny sary koa mazava tsara!!
    ananandry ky le talenta <3

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Coucou Mikolo Raitra izay vao hitako ny commentaire andry. Misaotra betsaka re amin'ny doka. Aiza dia hoe talenta fa mbola miezaka e tiako fotsiny ilay izy dia mafinaritra ahy ny mizara izay kely hay fa ny ezaka mbola mila atao betsaka e. Merci de ton gentil commentaire en tout cas

      Supprimer
  5. Coucou Iza tia maquillage !tena otran we mora ery ny fanaovanao azy , nefa ref anao zao ah dia mety mbola tsy hivoaka tsara otran io !!!

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. coucou Kala Kelly. Izao re vao hitako ity commentaire anao ity. MIala tsiny indrindra. Tsy efa mahay maquillage be ianao izay? Efa tamin'ny août tsinona ity resaka ity. Mety efa nanao entraînement be foana :) entraînement ihany tsinona ny tsiambaratelony

      Supprimer