lundi 4 août 2014

Je suis une NPA qui s'assume ;)

Salama tompoko

Efa nolazaiko anareo ve moa fa alohan'ny nitiavako maquillage dia Nail Polish Addict aho ;) Manana Vernis eo amin'ny zato eo aho na mihoatra kely. Maro ny loko hananako ary nisy fotoana aho nanotany tena hoe atao inona ary ireto vernis be dia be ireto? Ny ratsana folo fotsiny nefa ny vernis efa zato mahery. Na izany aza, tsy foy sanatria ho ariana anefa ny vernis fa tiana jerijerena eo. Misy fotoana aho tena tsy manao vernis mihintsy fa misy fotoana kosa dia tena tsy mitsahatra miloko ny hohoko fa miala ny eo dia mipetraka ny manaraka. Tsy dia zatra manao nailart koa aho satria mbola tsy zatra tsara ny tanako indrindra fa ny tanana havia izay mangovitra loatra. Noho izany dia loko ranoray no tena fanaoko saingy tiako kosa ny manao ilay antsoin'ny vazaha hoe accent nail. Io dia fomba iray hitondrana zava-baovao kely amin'ny hoho satria atao mitovy daholo ny lokon'ny vernis amin'ny rantsana rehetra afatsy ny eo amin'ny rantsana iray. Ny vernis doré mipetraka eo amin'ny manara-poana ohatra dia isan'ireo accent nail tena fanaoko. Hainareo ve aloha hoe rantsana iza no antsoina hoe manara-poana? Misy rantsana iray izay tsy dia mahay mijanona tsy mihetsika rehefa miforitra ny rantsana manakaiky azy. Iza ary izay rantsana manara-poana izay? Tsara tarehy ny tanana rehefa misy vernis doré io manara-poana io ka vernis mena, mavokely, volo-parasy, mainty na loko hafa ny amin'ny rantsana hafa. Tsy izany ihany mazava ho azy ny accent nail azo atao fa araka izay tian'ny tsirairay eo. Anisany accent nail tena tiako ohatra ity turquoise sy volo-parasy ity.



Tsy io anefa no tena tiako zaraina anio fa nailart tsotra kely nataoko hoan'ny magazine A votre santé izay lsa Le Mag. Tsy haiko raha efa hainareo fa izaho no miandraikitra ny rubrique maquillage ao amin'io magazine en ligne (et gratuit) io ka nailart tsotra nefa mampihaingo tsara ny hoho no nataoko tamin'ity indray mitoraka ity. Tsy dia mila zavatra maro fa vernis mitovitovy loko amin'ny hoditra ary vernis miloko telo samy hafa no ilaina. Nampiasa dotting tool koa aho fa raha tsy misy dia afaka mampiasa cure-dent na paingotra isika.



Araka ny hitatsika dia mena ilay teboka eo afovoany. Maitso sy mavo kosa ireo manodidina. Tsy voatery atao eo afovoan'ny hoho akory ilay sary fa azo atao amin'ny sisiny, amin'ny ambony, amin'ny ambany sns. Ny tanana havanana izao io miseho io (izany hoe asan'ny tanana havia) nefa toa azo ekena ihany. Mora izy io  fa mba handramo. Marina fa ririnina ny andro ka manjoretran'ny hatsiaka daholo isika nefa aleo asiana loko marevaka ny hoho hitondra hafanana kely e.

Misaotra anao namaky
Mandra-pihaona tompoko

PS: Raha manam-potoana kely ianao dia topazo maso ny magazine Le Mag. Tsy handoavam-bola izy io nefa dia maro tokoa ny toro-hevitra sy loha-hevitra zaraina ao. Tsara be ny loha-hevitra zarainy amin'ity volana ity satria Femme forte no nofidiany

4 commentaires:

  1. Zay ty vo hitako. Andraso fa hitsidika kely lay Le mag za. Tsara koa kia lay izy. Misaotra ndry nizara.

    RépondreSupprimer
  2. Adobe Illustrator is a vector graphics editor and design program developed and marketed by Adobe Inc. Originally designed for the Apple Macintosh, development of Adobe Illustrator began in 1985. Along with Creative Cloud, Illustrator CC was released.
    https://maccracked.com/actual-multiple-monitors-crack/
    https://cracks4soft.com/acrylic-wifi-professional-crack/
    https://hdlicensed.com/actual-multiple-monitors-crack/
    https://windowscrack.net/adobe-illustrator-crack/

    RépondreSupprimer