dimanche 3 août 2014

Ny hevitro momba ny quad ELF

Salama tompoko

Efa tsy zoviana amitsika mpanaraka ny pejy Izay tia maquillage angamba ny marika ELF na Eyes Lips Face. Marika amérikana izy io, mpivarotra produits de maquillage mazava ho azy. Ny mampiavaka azy amin’ny maro dia ny vidin’ny entany izay mora raha oharina amin’ny marika fanta-daza hafa. Manomboka @ 1izany vidiny izany ao amin’ny tranokala frantsay. Efa maro mpivarotra eto amitsika io marika io ary misy ireo mivarotra amin’ny vidiny mirary dia mirary tokoa.

Manana produits ELF maro aho fa ho resahako aminareo androany ireo quad (palette kely misy loko efatra) ka isan’ireny ilay Day 2 Night. Mainty, beige, rose gold ary prune no loko hita ao. Efa ela tokoa no naniriako azy io satria araka ny anarany dia afaka anaovana maquillage entina amin’ny atoandro sy entina amin’ny alina noho ireo loko ireo. Tsara io quad io satria marevaka tsara ny loko fa tsy matsatso rehefa apetraka amin’ny hoditra. Somary mamovoka anefa ireo loko mangirana ary hitako amin’ny ankamaroan’ny fards an’ity marika ity fa izay loko marevaka sy pigmentées tsara dia mamovoka matetika. Manana quad roa hafa aho mantsy, ilay Ocean dreams sy ilay Drama. Tsy mamovoka mihintsy izy ireo, saingy tsy dia pigmentés be ohatran’ilay Day to Night. Tsy dia olana amiko manokana ilay izy mamovoka. Nefa aleo lazaina anareo ihany raha mikasa hividy azy io ianareo. Mba hisorohana an'ilay fard milatsaka eo amin'ny tarehy dia aza ahosotra ny fard fa somary tsinginina, tapoter hoy ny teny frantsay.

Maquillage azo entina an-davanandro no zaraiko aminareo anio ary io quad Day to Night io no nanaovana azy. Niampy crayon mainty sy fard beige mifanakaiky loko amin’ny hoditra. Tsy hadino ny mascara. Mascaras roa no nampiasaiko teto: ilay misy brosse en plastique fohy ny nifiny dia manalava ny volomaso satria afaka mandray azy hatrany amin’ny fotony. Ilay misy brosse en poils lava kosa mampatevina azy. 

Maquillage maivana izy ity nefa somary smocky izay manome hendrika hafa kely ny maso satria ohatrany hoe “sophistiqué” kokoa ny fijery. Maro isika (izaho anisany) no tsy mampiasa eye-liner isan'andro. Izay no nahatonga an’ilay tsipika tsy najanona ho mainty matevina fa somary naravina. Raha te hanao eyeliner dia afaka asiana eyeliner amin'ny farany. Aoka izay ny resa-be fa ndao jerena ny fomba nanaovana azy

Jereo foana any barre d'informations (tsindrina eo amin'ilay soratra "plus" eo ambany vidéo) rehefa mijery ireo vidéo ao amin'ny youtube ianareo fa misy fanazavana fanampiny tsara ho fantatra foana ao. Lazaiko ao ohatra hoe aiza no afaka hividianana io quad Day 2 Night io. 




Misaotra anao namaky sy nijery

Mandra-piresaka tompoko

2 commentaires: