vendredi 17 octobre 2014

Ny hevitro makasika ny argile verte

Salama tompoko,


Alohan'ny zavatra rehetra dia mialatsiny indrindra raha tsy dia namoaka lahatsoratra tato ho ato. Somary mangina daholo moa na ny chaîne YouTube Izay tia maquillage, na ny pejy ao amin'ny Facebook. Tsy midika akory izany fa hadinoko ianareo fa somary be adidy aho dia nangingina kely. Miezaka hatrany anefa hiverimberina eto.

Rehefa afaka ny tsiny dia ndao hiditra amin'ny tena vetindresaka. Efa elaela aho no tapa-kevitra fa hividy argile verte. Mampatetika hodi-tava ity akora iray ity ka izay no antony nividianako azy. Marihina moa fa ny olona manana hoditra matavy toa ahy matetika dia manana maso-koditra misokatra. Ka io argile verte io no malaza hoe mety hanitsiana izay. Rehefa avy nijerijery tamin'ny internet aho dia tapa-kevitra fa hanandrana ary tao amin'ny Homeopharma aho no nividy.



Tamin'ny andro voalohany nanandramako azy dia somary nanao réaction ny hoditro satria nivontovonto ny maso-koditra. Tamin'izay dia nosorako ny argile verte efa nifangaro tamin'ny rano kely dia navelako teo amin'ny hoditra nandritra ny 15min teo. Tsy nisy vokany loatra tamin'ny maso-koditra fa izy nivonto izay. Tato aoriana aho vao nahita indray tamin'ny internet hoe tsy tokony avela ho maina mihintsy ilay izy fa lemana foana. Tapa-kevitra hanandrana fanindroany aho ka dia nolemana foana indray. Tsy sahy namela azy ela moa aho ka 5min ihany dia nesoriko. Vokany: mbola nivonto ihany. Rehefa vita ilay izy dia nodioviko tsara, nasiako crème hydratante ny hoditro lasa natory izahay sy ny boutons kely maromaro. Nony maraina dia afaka ilay boutons ary somary natetika kokoa ny hodi-tava tamin'ny faritra nasiana ilay sarona. Sady tsy dia natavy fa maina aza.

Navelako elaela tao aloha ilay izy satria tsy hitako izay tena hevitro mahakasika azy. Niresaka tetsy sy teroa, nanotany ireo efa nampiasa aho dia naheno indray fa mila lemana tsara ny tarehy ka izy mando iny no asiana ilay sarona amin'ny argile verte. Dia io indray no nandramana ka tsy nivonto intsony ny maso-koditra ary hita avy hatrany fa nikatona ny maso-koditra. Indray mandeha isan'kerinandro ihany angamba no tena mety (raha ho ahy manokana aloha) satria rehefa atao matetika ilay izy (indroa ao anaty herinandro izay) dia mivonto ny maso-koditra. 

Ny hevitro makasika ny argile verte izany hatreto dia somary misalasala ihany. Mety ilay izy mana-maina hoditra matavy sy manidy maso-koditra fa ilay mivontovonto kosa tena atahorako. Noho izany dia tsy te hanohy hampiasa azy aho aloha hatreto.

Ary ianareo ve efa nampiasa argile verte? Nanao ahoana ny vokatra? Mba zarao amin'ny commentaire fa tena mahaliana ahy. Misaotra mialoha


Mandra-piresaka tompoko

4 commentaires:

  1. Hitako teny ho eny hoe asiana huile d'olive aky a! Izaho aloha mbola tsy nandrana an'izay tetika izay fa ny ahy koa argile verte efa prêt à l'emploi fa ny ahy indray mangidihidy rehefa asiana masque! Dia ataoko vetivety raha vao argile fa matahotra koa aho

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. hay? ndraso handramana indray izay :) misaotra mizara fikafika e

      Supprimer
  2. Hay hoditavandry ve matavy sa maina? Aleo anjanona raha izany fa so de hivadika horera aminy zany mivontonvonto zany mety tsy zakany hoditranao zany lay izy. Izaho manokana aloha mbola tsy nampiasa dia tsy afaka manome hevitrako. Misaotra anao nizara o!

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. matavy ny hoditro. tsy sahy manandrana intsony aho amin'izao :) mizara io ambony io ikala fanja hoe asiana huile d'olive fa eritreretina tsara indray raha mbola sahy hihihi

      Supprimer