vendredi 31 octobre 2014

Aza mividy diloilo coco intsony fa manaova ao an-trano

Salama tompoko

Isany mampimenomenona antsika ny diloilo coco (na menaka coco angamba no tena mahavantana ny maro) vita malagasy satria indraindray mahery fofona izy ireny. Mitapoka zavatza tsy fantatra izy ireny  matoa misy fofona mahery. Rehefa "pure" izy dia manitra coco toy ireny sakafo misy hanitra coco rehetra ireny. Raha te hampiasa diloilo coco tena azo antoka ianao sady tsy lafo, tsy aleo ve manamboatra?


Tsy sarotra akory ny manamboatra diloilo coco ary zavatra vitsy monja no ilaina hanaovana azy. Maro ny fomba fakàna ny menaka amin'ny coco ka isan'ireny ity ho zaraiko ity.

Zavatra ilaina:

- nofona coco (ilay fotsifotsy)
- rano

Fitaovana ilaina:

- fikikisana mafy tsara (ohatra: fikikisana karaoty na ireny fikikisana coco ireny)
- zavatra mafana (lafaoro, vilany misy rano mangotraka ...)
- fitatavanana na passoire 
- vilia jobo
- bocal na vera

Fikarakarana azy:

Kikisana ao anaty vilia jobo ny nofona coco. Asiana rano kely dia hafangaro tsara. Volavolao mafy tsara amin'ny tanana roa mba hivoaka ny rano sy menaka ao anatin'ny nofona coco. Atao izay ahazoana fangaro mitovy hendrika amin'ny ronono. Io moa ilay antsoina hoe lait de coco. Afaka mijanona hatreto, nefa koa afaka mampiasa mixer mba hampifangaro azy tsara. Rehefa izay dia tatavanina ka tatazana amina bocal, na vera na zavatra hafa vita amin'ny vera ka mahazaka hafanana.

Hafanao mandritra ny 15min ny lafaoro (180°) na mampangotraha rano kely (tsy mandifotra ilay bocal) ao anaty vitany. Rehefa izay dia pio ny lafaoro na vonoy ny afo nampangotrahana rano ka atao ao ilay bocal. Hidio tsara ny varavaran'ny lafaoro na saromy tsara ny vilany (afaka fonosina bodofotsy koa ny vilany mba hitazona hafanana tsara) Avelao ao indray alina.

Ny ampitso maraina dia hiavaka eny ambony ny menaka fa aty ambany kosa ny rano. Mivaingana toy ny dibera izy ity fa rehefa tratran'ny hafanan'ny tanana dia mitsonika toy ny menaka rehetra. Alaivo moramora amin'ny sotro io menaka mitsingevana io dia tehirizo anaty bocal misarona tsara. Mateza ihany ny diloilo coco raha tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana. Saingy aleo kelikely ihany no atao mba tsy hitehirizana azy mihoatra ny iray volana. Aleo manamboatra matetika toy izay mitahiry ela loatra.

Atao inona moa ny diloilo coco? 

Satria moa vokatra voa-janahary izy dia tena maro ny tia mampiasa azy.

  • Afaka atao démaquillant izy
  • Afaka hanaovana bain d'huile
  • Afaka hafangaro amin'ny tai-kafé atao gommage
  • Afaka hanorana ny kibon'ny zazakely misy rivotra
  • Sy ny maro hafa koa
Mazoto manamboatra diloilo coco ary dia zarao eo amin'ny commentaire na ao amin'ny pejy Izay tia maquillage ny vokatra rehefa manandrana ianao.

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

2 commentaires:

  1. soa ihany mba misy manoro fanamboarana an'itony fa dia ho ambakain'ny olona @ menaka mitapoka zavatra tsy hay tsy hay foana kosa ve

    RépondreSupprimer
  2. héhé, ity fa itako ilay rohy

    RépondreSupprimer