mercredi 6 mai 2015

Tsara ve ny produits vidina eny amin'ny sisiny?


Salama tompoko,

Nampiseho palette iray izay aho omaly tao amin'ny page Izay tia maquillage dia nisy nanotany hoe inona ny marque, avy aiza sns. Palette novidiako teny Ambodin'Isotry indray sabotsy ilay izy. Easy Paris ny marque.  Ity amin'ny sary ity ilay izy


Io no palette de nude tiako indrindra amin'ny produits misy ato amiko nefa dia 500ar no nividianako azy. Dia nisy namana nanotany hoe tsara ve ny produits vidina eny amin'ny sisiny?

Efa nividy produits teny amin'ny sisiny aho. Ny sisin'ny pavillons analakely no tena fijerijeriko fa rehefa mandalo tsena aho dia manopy maso mijery sao misy mahasarika. Hatreto dia vernis na fards en poudre no efa novidiako teny. Tsy sahy aho raha produits mihendrika crème toy ny fond de teint na lokomena. Ny antony dia satria mieritreritra aho hoe miditra any anaty hoditra ilay crème fa tsy toy ny poudre izay mijanona eo ivelany. Mety diso aloha izay fa izay moa no atao an-tsaiko.


Tsy mbola nanana olana tamin'ny produits novidina teny amin'ny sisiny nampiasaiko aho nefa kosa tsy mamporisika velively hoe mividiana eny na tsia. Arakaraky ny tsirairay ihany io ary misy ny hoditra tsy mazaka raha tsy akora avo lenta.

Raha ny lafiny loko indray dia tena afa-po aho. Raisiko ireto fards à paupières ireto. Sady marevaka tsara no tsy mamovoka, mateza eo amin'ny hodimaso sy mora apetraka. Nefa dia manodidina ny 500ar avokoa ny nividianako azy ireo (ankoatra ilay palette misy loko sivy io izay novidiako 2.000ar raha tsy diso aho)



Raha fehezina dia tiako dia tiako tokoa ny mampiasa produits misy marque, na marque mora izany na marque lafo fa mba marque fantatra zany e. Maro koa anefa ireo produits novidina teny amin'ny sisiny nahafa-po ahy. Raha ny akora ao anatiny aloha tsy afaka hilaza aho hoe ratsy sa tsara fa azo hitokisana kokoa angamba ny produits misy marque fantatra na dia misy akora tsy manjary ihany aza izy ireny indraindray. Raha ny fahatsarana sy fatezan'ny loko kosa dia tsy mena-mitàha ny eny amin'ny sisiny. Noho izany, dia ianao ihany no erany hoy ilay fiteny izay.

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko


2 commentaires:

  1. dia tena mitovy hevitra @dry ky za a!! za ko d anisan mpanjifa mafatrapo eny @sisiny

    RépondreSupprimer
  2. iiii tsy izaho irery zany :) misaotra betsaka mazoto mandalondalo eto <3

    RépondreSupprimer