dimanche 28 décembre 2014

Terminons l'année en beauté



Salama tompoko, 

Mifarana sahady ny taona. Mino sy manantena aho fa nahita soa tamin’ity taona 2014 ity avokoa isika rehetra. Na nisy aza ny tsy nety dia tsy maintsy nisy koa ny nety. Raha sanatria ka ratsy no betsaka dia nde hioraka fa tapitra izy ity ka atao ho fanantenana vaovao indray ny taona ho avy. Fa na soa na ratsy ny fahitantsika ny taona izay ivalona afaka andro vitsivitsy dia aoka ankasitraka hatrany satria tombony lehibe ho antsika ny mbola velon’aina.

Ho ahy dia isany zavatra nahafinaritra ahy indrindra tamin’ity taona ity ny nanombohako nanao video ao amin’ny YouTube. Tany amin’ny volana jolay tany aho no tapa-kevitra tamin’izany. Mbola zaza miana-mandeha hatramizao nefa dia ampifaliana lalandava no anaovana izany ary ampifaliana ihany koa ny ahitana fa maro isika no mankasitraka na dia tsy mbola matihanina aza aho. Ny azoko lazaina angamba dia misaotra erampo erantsaina antsika rehetra satria “aventure” mahafinarira ity resaka maquillage ity hatramizao. Roa taona izao ny pejy Izay tia maquillage no niforona sady antenaina mbola hitohy ela. 

Ity misy tutoriel iray entina mamarana ity taona ity. Mbola te hanao tutoriel iray hafa aho nefa tsy hay ny sampona ka aleoko miteny hoe ity ny farany. Ity ny maquillage ho entiko amin’ny alin’ny faran’ny taona. Fivoriam-pianakaviana moa no hiandrasako ny taona vaovao ka zavatra maivamaivana no natao. Raha handeha alim-pandihizana angamba dia tsaratsara kokoa raha atao betsaka kokoa ny mangirangirana. Jereo ohatra ity tutoriel antsary ity raha maquillage somary sophistiqué no mety aminao hoan’ny réveillon. 

Ampy angamba izay ny resa-be fa indro ilay tutoriel. Enga anie ahazoanareo aingam-panahy. 



Dia mirary antsika rehetra hamarana ny taona 2014 ao anaty hafaliana, fahasalamana sy hasambarana ka hitsena ny 2015 ao anatin’izany zava-tsoa rehetra izany.

Misaotra anao namaky
Dia amin'ny herintaona indray ary e

2 commentaires:

  1. salama e,
    hoatra'ny ela be tsy nandeha namaky tato, efa hitako nefa io vidéo io an, fa tsy fahazarana ilay blog fa adinodino kely dia mort fa azafady ry namana,
    mahafinaritra anefa ilay mamaky an'ity voambolana malagasy be ity, ka dia mamporisika lalndava,
    ba betsaka

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. izao akia ny commentaire andry vao hitako (izay mantsy vao hitako hoe misy azo hijerena azy rehetra indray miaraka) misaotra betsaka manohana sy mazoto mitsidika e. Ndry ihany no nampianatra an'io miteny gasy io ka dia misaotra betsaka e

      Supprimer