dimanche 21 septembre 2014

Mila hydrater-na ve ny hoditra matavy?

Salama tompoko

Satria moa ny hoditra matavy araka izany anarany izany dia mitera-menaka ka maro isika no manotany tena hoe mbola mila hydratation ve? Araka ny toro-hevitry ny manam-pahaizana amin'ity taranja ity dia mila hydratation foana ny hoditra na matavy azy. Ny tanjona izany dia hydratation miampy famerana ilay menaka tsy ho mora mivoaka. Ny zavatra mora atao indrindra angamba dia mividy crème hydratante pour peau grasse. Ny ivo-toerana mpahay ity sehatry ny hatsaran-tarehy ity mihintsy no mamoaka azy ireny ka ny manosotra sy manaraka ny toro-marika sisa no anjarantsika.

Ao koa anefa ireo izay mankafy manokana ny vokatra voajanahary. Isika Malagasy dia tena tia ny vokatra voajanahary mba hialàna amin'ny voka-dratsin'ny akora simika satria ireny produits efa vita ireny matetika dia misy izay akora simika izay. Eto ary no tsara hanandramana ny recettes de grand-mères hoy ilay fiteny mahazatra. Ary misy tokoa izay recette de grand-mères izay raha te hitondra hydratation hoan'ny hoditra matavy isika.

Ny zavatra ilaina:
  • Argile verte
  • Ronono
  • Tantely

(Atao mitovy fatra ny ronono sy argile verte ary iray ampahatelon'ny argile verte kosa no fatran'ny tantely.)

Ny fomba fanaovana azy:

Afangaro fotsiny ireo zavatra telo ireo dia apetraka amin'ny tarehy (tsy asiana ny manodidina ny maso) Avela 10min dia kobanina amin'ny rano matimaty (rano hampangotrahina dia avela ho matimaty fa tsy mangatsiaka nafanaina ho matimaty) Rehefa afaka tsara amin'ny rano dia afaka osorana ny crème hydratante mahazatra anao. Afaka atao indray mandeha isan-kerinandro izy ity. Tsara hoan'ny hoditra matavy ary afaka ampiasaina amin'ny hoditra mixte fa raha maina ny hoditrao dia tsy mety.

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

4 commentaires:

  1. Mety amiko ity fa misaotra tompoko o

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. tsy misy tokony hisaorana tompoko fa ianao no hankasitrahana mazoto manaraka eto. bà betsaka hihihi

      Supprimer
  2. Taorian'ny 5 taona nanambadiany tamin'ny vadiko niaraka tamin'ny zanany roa dia nanomboka nanao zavatra hafahafa ny vadiko ary nandeha niaraka tamin'ny vehivavy hafa ary naneho fitiavana mangatsiaka, matetika izy dia mandrahona ny hisaraka amiko raha sahy manontany azy momba ny raharahany amin'ny vehivavy hafa aho, rava tanteraka sy nisavoritaka tanteraka mandra-pitenin'ny namako taloha ahy momba ny caster an-tserasera iray ao amin'ny Internet antsoina hoe Dr.Wealthy izay manampy ny olona amin'ny olan'ny fifandraisana sy ny fanambadiana amin'ny herin'ny tantaram-pitiavana, tamin'ny voalohany dia nisalasala aho raha misy izany zavatra izany nefa nanapa-kevitra. mba hanandramana izany, rehefa nifandray taminy aho dia nanampy ahy hanisy hatsaram-pitiavana ary tao anatin'ny 48 ora dia niverina tamiko ny vadiko ary nanomboka nibebaka, izy izao dia efa niaraka tamin'ny vehivavy hafa sy ny ahy niaraka tamiko ho amin'ny tsara sy ny tena . Mifandraisa aminao ity valim-pitiavana be fitiavana ity ho an'ny olanao na olana ara-panambadianao ho voavaha androany amin'ny: wealthylovespell@gmail.com na mivantana WhatsApp: +2348105150446.

    RépondreSupprimer
  3. Izany no fijoroako ho vavolombelona momba ny asa tsara nataon'ny Chief Eli Dodoru izay manampy ahy .... Izaho Ann Earnis avy any avaratr'i Etazonia Etazonia. noho ny fanampian'ity caster spell ity dia niverina ny vadiko izay nandao ahy nandritra ny 3 taona lasa, niverina taty aoriana aho nihaona tamin'ity lehilahy ity tao amin'ny tranokalan'ny bilaogy iray nataon'ny iray ho mpanjifan'ny fanampiana, nohazavaiko taminy ny zava-drehetra ary izy no nilaza tamiko momba ny “casterur» Tao anatin'ny roa herinandro dia niverina tamiko ny vadiko. Te-misaotra anao fotsiny aho tamin'io caster de marina sy mahitsy io, tompoko izay nolazainao tamiko fa lasa izany ary misaotra anao Andriamatoa. Azafady mba ilazako amin'ny olona rehetra izay mitady vahaolana amin'ny olany, ny hanadihady tamim-pitiavana an'io vata io, tena misy izy, mahery izy ary na inona na inona lazain'ny mpitsikitsiky ny tonon-kira dia hitranga, satria ny zavatra rehetra nolazain'ny kaontin-tsika tamiko dia tonga mandalo. Azonao atao ny mifandray aminy amin'ny: whatsapp +2349015088017

    RépondreSupprimer