lundi 15 septembre 2014

Maro ny produits mora sady tsara

Salama tompoko,

Ho ahy manokana izay tsy manana "budget" midangana natokana hoan'ny fitiavana maquillage dia hitako lafo ny ankamaroan'ny produits ilaina. Lafo tokoa, indrindra moa ny produits manana marika malaza. Mac, Urban Decay, Makeup Forever, Nars...toa marika nofisina mba ho azo avoko ireny nefa rehefa avadika vola gasy ny vidiny dia mangidihidy ny loha. Soa ihany fa misy ireo marika "kely", moramora kokoa ny vidiny nefa tsara ihany ny produits ataony. Isan'ireny marika mora sady tsara ireny mazava ho azy ny ELF na Eyes Lips Face izay efa maro mampiasa eto Madagasikara. Isan'ny marika mora koa ny BYS ka ny gamme tena mora ao aminy dia ny LOL na Lots of love. Palette kely misy loko dimy an'io gamme LOL io no nampiasaiko nanaovana ity maquillage fuschia sy marron ity.


From Paris With Love no anaran'ity palette ity ary ilay loko fuschia (sisiny havia eo amin'ilay palette, faharoa avy aty havia amin'ny tanana) no nampiasaina. Ilay loko marron ampiasaina amin'ilay tutoriel kosa dia marron tamin'ilay palette malaza 88 couleurs Warm. Mba hampahitsy ny sisin'ilay maquillage dia nampiasa scotch aho.
Ity amin'ny sary ity ary ilay maquillage natao:


Ity kosa ny fomba nanaovana azy raha mahaliana anao:




Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire