vendredi 12 septembre 2014

Tag#002 Qui est derrière Izay tia maquillage?

Salama tompoko

Misy tag vaovao ity izay nanondroan'i Le Mag! ahy. Tsoriko aminareo fa tiako ny manao tag. Sady mety misy liana ahalala bebe kokoa momba ahy ka dia ampifaliana tokoa no hamaliako azy ity. Araka ny maha tag azy moa izany dia hanondro olona iray aho (na maromaro) ery ambany dia mangataka azy ireo hiara-hilalao. Araka ny maha tag azy ity koa dia ireo fanotaniana efa misy no valiana fa tsy mivoana amin'izay. Fanamarihana farany, tamin'ny teny frantsay ireo fanotaniana nalefan'i Le Mag! dia ezahiko adika amin'ny teny malagasy araka izay fahaizako azy. Ndao ary e?  


1.      Io anarana ampiasainao io ve no tena anaranao?

Eny, Izay Tia Maquillage mihintsy ny anarako ao amin’ny kara-panondro ;) Sangy izany an

2.      Inona ny zavatra ratsy indrindra nataonao teo amin'ny fiainana?

Inona re e ? Tena tsy haiko. Tsy hoe tsy manao zavatra ratsy mihintsy aho fa ilay hilaza hoe inona ny ratsy indrindra no tsy haiko…

3.      Ahoana ny fahitanao ireo vehivavy mitory fitiavana voalohany?

Tsara ny vehivavy mitory fitiavana voalohany raha ny fahitàko azy. Raha tiany ilay olona tsy tokony hisy olana. Aleo aza mitory fitiavana dia mahazo valiny tsy mahafa-po toy izay tsy mitory fa mipitrapitra eo fotsiny :) Mety tsy ho tsikaritry ny an-daniny akory.

4.      Tendrombohitra sa ranomasina? 

Toerana hialàna sasatra angamba no resaka eto e ? Aleoko any amin’ny ranomasina. Mety ho tsara ny any an-tendrombohitra raha misy ala maitso be, misy ireny chalet ireny sns fa raha dezaka fotsiny dia tsy tiako loatra.

5.      Misy zavatra na olona hinoanao ve?

Eny, mino an’Andriamanitra aho. Dia mino koa fa misy ny tena fitiavana, misy ny fahasambarana tena izy, misy ny olona hendry, misy ny olona tsara fanahy…Somary zaza saina angamba aho fa izaho dia mino hoe tsy ratsy daholo ny eto an-tany na dia manjaka aza izany ratsy izany.

6.      Toran'ny hehy matetika ve ianao?

Eny, tena matetika tokoa. Rehefa tafaraka amin’ny olona tia mihomehy aho dia tena tonga amin’ilay fiteny hoe mihomehy tany vaky.

7.      Iza ny olona tena adala be fantatrao?

Ny vadiko. Tia sangy be izy dia izay teny hoe “adala be” izay mihintsy no mahalaza azy. Adala be rehefa fotoana fihomehezana mazava ho azy fa matotra be koa izy rehefa tokony ho matotra.

8.      Masira sa mamy?

Masira avy hatrany. Izaho tsy dia tia zavatra mamy toy ny mofomamy, ny dessert, ny glace, ny chocolat. Mihinana aho rehefa misy fa raha asaina mifidy amin’ny mofomamy sy ron’akoho aho ohatra dia hainareo ny valiny.

9.      Inona ny toetrana lehilahy tena tsy tianao?

Ny lehilahy tsy azo hianteherana no tena tsy tiako ary mahakasika ny lafim-piainana rehetra io. Tsy tiako ohatra ny lehilahy mipetraka ao anaty bus nefa misy vehivavy mitsangana eo. Tsy tiako ny lehilahy tsy mitondra ny entana mavesatra entin’ny vadiny na reniny na zanany. Tsy tiako ny lehilahy tsy manampy ny vadiny amin’ny fivelomana sy ny fitaizana ny ankizy. Tsy tiako ny lehilahy tsy mety miaraka manala azy miaraka amin’ny vadiny fa aleony mandeha irery. Ao anaty tokatrano izany dia tiako raha manohana ny lehilahy, manampy nefa mibedy koa rehefa mitady hanaonao foana ny vehivavy.

10.  Inona ny teny filamatrao eo amin'ny fiainana? 

“Profite d’aujourd’hui, demain ne t’appartient pas” izany hoe araraoty ny anio fa tsy hainao izay ampitso. Tiavo ny vady, ny zanaka, ny havana fa mety ho faty izy na ianao rehefa avy eo. Raha misy zavatra tianao atao dia aza miandry fa tonga dia ataovy. Aza avela misy hanakana ny hasambaranao izany e. “Araraoty ny andro azo anaovan-tsoa fa miharatsy izao fiainana izao” hoy ilay hira izay. 
Dia vao haingana nisy youtubeuse izay niteny hoe “Ne laisse personne ternir ta lumière” Nisy fotoana aho kivy dia naverin’ny namako tamiko io teny io. Dia teny tena mankahery tokoa.

Vita tompoko

Eto izany dia manondro ireto olona ireto aho hanao ity tag ity

Lys Suez
Ikala Fanja
Jejo en France et dansle monde

Ireo rehetra te hanao ity tag ity koa dia asaina handray anjara 

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

11 commentaires:

  1. Ce commentaire a été supprimé par l'auteur.

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. hihihi tsy misy fisaorana eeee dia miandry ny andry zany

      Supprimer
  2. Tsara be fa on en sait bcp plus sur toi comme ça!
    Mci pour le tag! Je m'y mettrai bientôt

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Je t'en prie et à bientôt zany :) hâte de lire ton tag. izay tiandry na teny gasy na frantsay na anglisy

      Supprimer
  3. Vetivety dia vita ity tag iray ity e?Misaotra nanohana ny antso dia aza adino manaparitaka fa mahafinaritra mamaky ny valiny. Ny andri izao eto ny tena tiako dia ilay teny filamatra feno fahendrena be...Dia ilay anarandri ao amin'ny kara-panondro hohamariniko kely rehefa tonga ny fotoana hihaonantsika :p

    RépondreSupprimer
  4. Mahafinaritra ny manao tag fa vetitevy dia mbola misaotra ni-taguer ahy e :)

    RépondreSupprimer
  5. Faly mahafantatra be be kokoa an'i izay tia maquillage. Za koa aloa dia aleoko ron'akoho toy izay mofomamy��

    RépondreSupprimer
  6. Ho avy tsy hoela ny ahy ry zareo an!!����

    RépondreSupprimer
  7. Taorian'ny 5 taona nanambadiany tamin'ny vadiko niaraka tamin'ny zanany roa dia nanomboka nanao zavatra hafahafa ny vadiko ary nandeha niaraka tamin'ny vehivavy hafa ary naneho fitiavana mangatsiaka, matetika izy dia mandrahona ny hisaraka amiko raha sahy manontany azy momba ny raharahany amin'ny vehivavy hafa aho, rava tanteraka sy nisavoritaka tanteraka mandra-pitenin'ny namako taloha ahy momba ny caster an-tserasera iray ao amin'ny Internet antsoina hoe Dr.Wealthy izay manampy ny olona amin'ny olan'ny fifandraisana sy ny fanambadiana amin'ny herin'ny tantaram-pitiavana, tamin'ny voalohany dia nisalasala aho raha misy izany zavatra izany nefa nanapa-kevitra. mba hanandramana izany, rehefa nifandray taminy aho dia nanampy ahy hanisy hatsaram-pitiavana ary tao anatin'ny 48 ora dia niverina tamiko ny vadiko ary nanomboka nibebaka, izy izao dia efa niaraka tamin'ny vehivavy hafa sy ny ahy niaraka tamiko ho amin'ny tsara sy ny tena . Mifandraisa aminao ity valim-pitiavana be fitiavana ity ho an'ny olanao na olana ara-panambadianao ho voavaha androany amin'ny: wealthylovespell@gmail.com na mivantana WhatsApp: +2348105150446.

    RépondreSupprimer