mardi 9 septembre 2014

Tag#002 Crazy about lipstick


Salama tompoko

Tag indray no soratako androany satria notondroin’i Aina Vicky hanao ilay Crazy about lipstick. Raha fintinina ny atao hoe tag dia fanotaniana vitsivitsy mahakasika loha-hevitra iray ka izay voatondro dia mamaly. Fa afaka tsy mamaly koa satria tsy terena akory ilay izy fa kilalao ihany.
    1. Manana lokomena firy ianao?
Vao nisaiko teo dia manana lokomena 12 aho
    1. Firy taona ianao no nanomboka nanao lokomena ? 
Tsy tadidiko intsony hoe oviana fa ny tsaroako aloha dia mbola tsy nanao lokomena aho teny amin’ny lycée. Aleo izany atao hoe taorian’ny 18taona tany.
    1. Inona ny lokomena tena tsy azonao ialàna ? 
Ny lokomena miloko vieux rose na bois de rose no tena tsy hialàko satria io no hitako mety amin’ny hendriko. Manana loko hafa aho fa io no tena mahavantana ahy. Ity amin’ny sary ity izao isan’ireo lokomena tena miasa. Jereo ity izy efa simbasimba  kely. Gypsy no anarany, marika ELF. 


    1. Inona ny lokomena anaovanao mba hampiavaka anao ?
Tsy dia fanaoko ny manao lokomena mba hiavaka fa mba hamaliana ny fanotaniana dia ity lokomena Kiko miloko mavokely, volom-boasary ity no hitako tena miavaka rehefa hanaovako. Marevaka be mantsy izy io rehefa anaovana hany ka na izaho aza lasa mijery fitaratra matetika rehefa manao azy. Tsy tadidiko intsony ny reference-ny fa efa voafafa ilay soratra. 


    1. Inona avy ny lokomenanao novidianao ? 
Novidiako ny 9 amin'ireo lokomenako fa ny 3 kosa nisy nanome.
    1. Inona ny lokomena nanenenanao ny nividy azy ? 
Tsy miambahamba aho miteny hoe ity lokomena Flirtatious an’ny marika ELF ity no nanenenako. Tsara tarehy ilay loko saingy tena tsy manendrika ahy mihintsy. Hany ka io izy, toy ny lokomena vaovao satria zara raha nampiasaina. 


    1. Inona ny lokomena tena tinao amin'izao fotoana izao ? 
Luscious Wine no anaran’izy ity ary LA Colors ny marika. Ny lokony indray dia Bordeaux somary manopy prune. Tao anaty ririnina tanteraka no nahazoako azy dia tena nety ilay loko. Hatramin’ny volana jona tany dia io no nanaovako matetika


    1. Iza avy ny lokomena mora indrindra sy ny afo indrindra novidianao ? 
Ity ny lokomena mora indrindra ato amiko. Tsy misy marika izy ity. 2.000ar no nividianako azy tao Behoririka. Nahafinaritra ahy ny lokony sy ny tranony dia novidiako hihihi Vieux rose izy ity, tafiditra tsara amin’ny loko tiako mihintsy. 



Ity kosa no lafo indrindra amin’ny lokomena novidiako. Paint the town no anarany dia LOL ny marika. 11.000ar angamba no nividianako azy io raha be indrindra.


    1. Tia lokomena ve ianao sa tena tia lokomena be sa miondana lokomena mihintsy ? 
Tia lokomena fotsiny aho fa tsy azo atao hoe miondana. Tsy dia mandany vola amin'ny lokomena aho.
    1. Iza ny lokomena mampatsiahy anao olona iray ?
Ny lokomena nomen’olona ahy dia mampatsiahy ahy ireo nanome azy. Isan'izany ity Luscious wine ity izay avy amin’I Alex, namako mipetraka any lavitra be any. Alex, gros bisous. 



Ireto lokomena roa ireto koa dia mampatsiahy ahy an’i Raitra. Lokomena Rimmel, mitondra ny reference 110 ny iray dia ilay Kiko efa nolazaiko teo aloha ny faharoa.




Izay ary ny tantaranay sy ny lokomena. 
Hanondro olona vitsivitsy aho ka asa raha mazoto hanao ity tag ity izy ireo:


…sy ireo Malagasy mpanao blog na mpanao video mbola tsy nanao ny tag Crazy about lipstick

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

7 commentaires:

  1. Tiako be! Sady mialona be ihany tsy nahazo gros bisous!
    Eo fa omeko lokomena ndry mba ahatsiarovandry ahy! :)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. MDR gros bisous pour le tag e :P Tsy hoe mila manome lokomena anie vao tsaroana e fa mba mamaly fanotaniana :D

      Supprimer
  2. Tiako an, na dia tsy notaguéndri aza ah :p

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Nefa dia Le Mag! no notaguéko voalohany teo fa hoy aho hoe ny azy toa resaka Le Mag! ihany. Je te tague si tu veux bien le faire akia a

      Supprimer
    2. Mety mbola ho avy aza ny andro hiresahana mikasika ny lokomena ranoray ao amin'ny Le Mag! an...Merci :)

      Supprimer
  3. hoavy tsy hoela ny hay :)

    RépondreSupprimer