mardi 15 juillet 2014

Ahoana ny fanalana ny tasina mony amin'ny tarehy?

Salama tompoko

Nisy namantsika nanotany hoe ahoana ny fanalana ny tasina mony amin'ny tarehy dia nisy toro-hevitra vitsivitsy nozaraina tao amin'ny Izay tia maquillage. Averina eto izany sao mahasoa antsika.

Nisy namana nanoro fa ranona ovy no nandaitra taminy. Kikisana toy ny karaoty atao lasary ny ovy dia fiazana ny ranony. Iny no apetraka amin'ny tarehy ka avela eo araka izay hitiavana azy. Kobanina amin'ny rano matimaty dia averina isan'andro manditra ny telo herinandro. Tena nandaitra tamin'ny namatsika io ka handramo koa sao mahasoa anao

Ny namantsika manaraka kosa dia nampiasa ranona voasary makirana. Ny hariva hono no nanaovany azy ka hosorana an'iny ny tarehy, avela eo 15min dia kobanina. Afaka soloina tantely sy tamenak'atody koa io ka apetraka mandritra ny 20min izy amin'izay fotoana izay vao kobanina. Mety koa ny voatabia atao masque. Iny indray moa tsy nolazainy hoe adiny firy fa hinoako fa tsy maninona ny voatabia na mijanona eo adiny iray aza. Tsara koa hono izany huile de rose musquée izany hoan'izay mahita.

Ary farany dia manala tasina mony koa hono izany savony Vegebaum izany. 8.500ar ny vidiny eny amin'ny mpivarotra fanafody.

Andramo izay metimety aminao sao mahasoa.

Mandra-piresaka tompoko

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire