jeudi 24 juillet 2014

Maquillage doré sy volo-parasy + envers du décor

Salama tompoko

Mahatsikaiky anie ry reto ity hoe hanao vidéo amin'ny youtube ity e. Jerena ireny vidéo ireny ohatrany hoe zavatra mora be nefa misy asa ao ambadika ao.

Ho ahy manokana dia raharaha be manaraka ny arabe ny fitadiavana toerana hanaovana vidéo. Tsy kilalaon-jaza izy ity hoan'ny reny mbola manana zanaka kely (te hikitika sy te mba halaina sary koa. Sarotra amin'ny zaza ny manaiky hoe toa Neny foana no alaina sary fa tsy izy) Noho izany dia mila toerana mazava, tsy takatry ny zaza nefa koa misy latabatra hametrahana ireo produits ampiasaina. Ny appareil-ko moa tsy misy retour (ilay écran mikopaka azo atodika aty aloha) ka mila fitaratra apetraka aoriany mba hijerena hoe tafiditra tsara ao anaty cadre ve ny maso sa ny mony eo amin'ny handrina sy ny foto-bolo irery no hita. Noho izany dia mila toerana afaka hanankinana fitaratra koa. Ny tena mampiomehy dia misy tokoa ny toerana mazava, misy koa ny latabatra, misy ny azo hanankinana ny fitaratra saingy...saingy toerana samy hafa izany fa tsy toerana iray. Hany ka lasa casse-tête be na ny mitady ilay toerana fotsiny aza.

Manaraka izany dia myope be aho izany hoe vao miala ny solomaso dia flouuuuu, le monde est flou ;-) Nefa mila manala solomaso mazava ho azy ilay manao maquillage. Hany ka tsy hita tsara hoe efa manao mise au point ve ilay appareil sa mbola flou. Androany moa tamin'ny nanaovana ity maquillage zaraiko aminareo ity dia flou daholo ilay vidéo iray manotolo. Ny fijeriko azy eo amin'ilay fitaratra ohatrany efa net kanjo flou iray lavaka. Hany ka nadinoina ny vidéo fa sary sisa nalaina. Nefa anie dia nitandrina mafy ery tamin'ny cadrage e :-( Raha hitanareo dia mena foana ny masoko rehefa ao anaty vidéo. Mbola noho izaho myope ihany no mahatonga izany satria vizana ny masoko raha vao miala elaela ny solomaso.Misy fotoana aza misy ranomaso kely mihintsy.

Asa be koa ny fanaovana montage. Raha ampy fitaovana, ohatra hoe manana iMovie na Final Cut Pro dia tena mahafinaritra ny manao montage fa amin'ny Windows movie maker aloha dia e e e lahasa be mandreraka. Efa nampiasa Final Cut Pro aho fa tena lafatra e. Misy logiciel hoe Wondershare iny koa tsara hoan'ny PC fa ho ahy manokana aloha mbola tsy possible izany hividy logiciel 50€ izany e hihihi angamba gaga sy talanjona ny ato an-trano hoe hanaovana montage hoan'ny vidéo maquillage no hividianana an'izany ;-)

Mbola asa koa ny fampidirana an'ilay vidéo ao amin'ny Youtube. Ratsy loatra ny connexion aty Madagasikara hany ka ireny vidéo kely 5 na 6min ireny dia mila adiny roa indraindray vao tafiditra. zava-doza lehibe hoy ilay mpiara-mianatra tamiko taloha izay.

Izany eo ihany, asa be tokoa, nefa tiana matoa atao. Ho ahy manokana dia tena passion ity resaka maquillage ity. Na izaho aza gaga amin'ny fotoana alefako ao amin'ny administration ny pejy ao amin'ny Facebook, ao amin'ny montage sy upload Youtube. Eo koa ny fitiavana hividy izao produits rehetra izao. Tena azoko tsara ny mahatonga ny youtubeuses sasany manana produits mameno trano satria rehefa tiana izay ilay zavatra dia lasa te hividy foana.

Aoka izay ny blabla. Ireto ny produits nampiasaiko tamin'ny maquillage nataoko androany.



All over color stick ELF (toasted) natao base an'ilay fard doré


Crayon violet natao base an'ilay fard violet sy natao anaty muqueuse ambany (désolée pour la mise au point de mairde :P )


Fards doré, violet ary beige tao anatin'ny palette 100 couleurs marbrées an'i ELF


Mascara mainty

Dia ireto ny vokatra:




Tsy dia sarotra io satria apetraka amin'ny 2/3 ny hodimaso ny base toasted sy fard doré ary atao amin'ny 1/3 sisa ny crayon sy fard violet. Atao toy izay koa ny ambany maso. Eo ambany volomaso (sourcils) ny fard beige. Ny estompage sisa mitondra ny ambiny. Avy eo moa zany asiana mascara mazava ho azy. Ireto ny sary mifanaraka amin'izany resa-be rehetra izany.

Misaotra anao namaky.
Mandra-piresaka tompoko.


2 commentaires:

  1. tsara ery !tiko b, lé manao anlé maquillage eo @lé ras de cils inférieur io aki d ts aiko mits kou

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Crayon izao io nampiasaiko io anie e :) mila fahazarana fotsiny. Raha fard dia apetraka amin'ny pinceau kely

      Supprimer