vendredi 25 juillet 2014

Tandremo: misy dissolvant tena ratsy amidy eto Antananarivo

Salama tompoko

Anisany zavatra ratsy sy tsy mampazoto ny milaza amin'ny namana hoe ratsy ny marika na vokatra toy izao sy toy izao. Tsy mampazoto satria olona mitady vola sy mivelona no namorona sy nivarotra ireny zavatra ireny. Nefa kosa, olona te hitandro ny fahasalamany koa mpanjifa ary mandoa vola izy fa tsy mampiasa fotsiny ka rariny angamba raha mahalala ny zava-marina.

Tsy haiko raha hainareo fa adalana vernis tokoa aho. Hoan'izay liana dia efa nasehoko amin'ity vidéo ity ny fomba fametrahako sy fanesorako vernis.



Noho izany dia mampiasa dissolvant matetika aho. Dissolvant Diana no tena fampiasako. Nisy fotoana aho tsy dia afa-po tamin'izy io nefa toa olana nandalo ihany angamba ireny satria taty aoriana dia lasa tena tiako sy ampisaiko foana ny dissolvant Diana. Araka ny hitanareo amin'io vidéo io dia tena mpitsitsy dissolvant aho. Tsy dia hoe kahidy fa zatra tsy mi gaspiller fotsiny. Sendra lany anefa ilay izy indray andro sady tsy afaka nakeny amin'ilay mpivarotra dissolvant mahazatra ka izay dissolvant hitako teo amin'ilay mpivarotra kely eto akaikinay no novidiako. 800ar ilay izy, tavoahangy kelikely angamba atsasaky ny tavoahangina dissolvant Diana no misy azy, miendrika triangle (kely aty ambony dia lehibe ery ambany), misarona fotsy. Misy taratasy misy soratra eo (marika sns) ary misy hoe Made in France. Mino aho izany fa tsy eto Madagasikara ny tompon'io an? Na izany aza dia tsy asehoko angamba ny marika sao manahirana fa raha mahita dissolvant mitovy amin'ireo lazaiko ireo ianareo dia mba  mailo.

Vao nosokafako aloha dia nahery fofona be. Dia nananihany ny vadiko aho hoe lasantsy angaha ity? Rehefa nosorana indray dia toa misy fofona white spirit izany. Heno hoe misy ezaka hanome fofona "manitra" ihany ao anatin'ilay produit nefa koa tena mahery ilay fofona simika. Dia nesorina ary ny vernis, niala daholo. Fa rehefa vita ny tanana ilany dia gaga aho fa tsy fofona dissolvant intsony no henoko amin'ny hoho fa fofona may. Eny tompoko! Fofona may ohatran'ilay rehefa mi-limer hoho amin'ny lime marokoroko ireny. Natahotra kosa aho aloha e! Nosasako haingana tamin'ny rano sy savony ny tanako sy ny hohoko nefa tena tsy nety afaka ilay fofona may ary nanomboka naharary ny hoho.

Nodinihinay mivady tsara ilay izy ka tapaka ny hevitra hoe ndao hoe handramana dorana. Dia nasiana ary tamin'ny vovoa kely dia nodorana. Ohatran'ireny lasantsy may ireny ilay izy. Ny afo avo dia avo ary ilay vovoa tsy may mihintsy fa ny enton'ilay dissolvant irery no nirehitra. Ilay vovoa zany tsy mba mivadika mainty ohatran'ny vovoa dorana ireny fa eo fotsiny. Niha-lehibe moa ny afo ka hoe hovonoina. Hino ahy ve ianareo raha lazaiko fa tsy maty anaty rano ilay afo? Nalefa teo amin'ny robinet ilay vovoa fa tsy maty ilay afo. Ireo rano nandalo taminy ka latsaka tao anaty évier aza no nirehitra indray. Vehivavy moa ny tena efa torakovitra hoe ho may eto ny trano. Fa maty ihany ilay afo aloha e!

Izany no tena hoe impressionnant. Natsahatra mazava ho azy ny fampiasana azy. Tsy tsara ny karazana sujet ohatran'izao nefa mba fampitandremana ihany e. Hoan'izay mpanamboatra io dissolvant io, sao tokony amboarina kely ny formule anareo fa tsy mamely. Enfin, "Made in France" moa ilay izy ka asa raha mahazo teny malagasy ny mpanao azy ;)

Misaotra anao namaky
Mandra-piresaka tompoko

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire