mercredi 23 juillet 2014

Chaîne youtube Izay Tia Maquillage

Salama tomopko

Tany amin'ny taona 2010 aho no lasa tena tia maquillage ary fijerena vidéos tao amin'ny Youtube no nanaitra io passion io. Nijery tutoriel resaka volo no tena nahatonga ahy teo amin'ny Youtube izay noheveriko hatreo fa fizaràna hira sy clip fotsiny. Ilay youtubeuse Frantsay Julielovesmac07 no hitako voalohany dia lasa nijerijery izay niseho teo aho: Divajoly, Laetipro, Chrystellemakeup sns. Vetivety dia nahababo ahy ny resaka maquillage tao amin'ny Youtube satria toa efa passion tao anatiko tao ilay izy fa niandry zavatra kely nanitikitika azy fotsiny. Tena vitsy ny youtubeuses Malagasy fantatro tamin'izany. Anisan'ireny Dazzlingdrew. izy angamba no youtubeuse Malagasy malaza indrindra satria toa efa mihoatra lavitra ny 100.000 ny isan'ny mpanaraka azy eo amin'ny Youtube. Malgachefashion koa no youtubeuse Malagasy anisany tena fanarako tamin'izany (ka hatramin'izao moa e) Efa tamin'izany fotoana izany aho no te hanao vidéo tao amin'ny youtube nefa tsy nisy fotoana, tsy ampy fitaovana sns dia tsy nanao mihintsy aloha.

Nandray anjara tamina concours commentaire tao amin'ny Youtube aho ka nahazo an'ilay loka, tamin'ny desambra 2012 io. Ilay palette 100 couleurs an'i ELF no azoko tamin'izany dia pinceaux ELF roa ary base à paupière. Hafaliana tsy omby tratra ny ahy ka nanomboka teo dia te hizara resaka maquillage ary hitako fa tsy mba nisy Malagasy tena liana tamin'izany. Ny Malagasy liana moa betsaka e fa tsy mba nisy pejy tao amin'ny Facebook nefa ao misy ny rehetra (sakafo, lamaody, reny sy ny zaza sns) Volana janoary 2013 no noforonina ny pety Izay tia maquillage. Nafenina mafy ireo namana akaiky hoe izaho no ao ambadik'ilay pejy satria ... tsy haiko hoe naninona tokoa moa. Hany ka tsy afaka ni-inviter namana hanao j'aime fa dia niady irery tao :) Faly ery tamin'izany rehefa misy manao J'aime iray na roa ao anatin'ny indray andro. Tamin'ny voalohany dia tena nahafaly ny j'aime ary naniry mba hitombo foana hatrany. Aty aoriana mbola tena mahafaly tokoa ny j'aime vaovao fa ilay mizara passion no tena zava-dehibe. Hitatsika izao fa tena maro kay ny vehivavy Malagasy tia maquillage fa ny sehatra hivondronana fotsiny no tsy nisy. Tamin'ny voalohany aho nisalasala hoe tsy futile sy superficielle be ve ity zavatra mba zaraiko? Nefa tsy ny fanaovana maquillage na tsia akory no maha ianao anao. Hendrika ivelany iny, tsara raha atao mahatehotia fa ny ao anaty tsy miova. Faly be aho mahita fa vehivavy manana ny maha izy azy avokoa isika ao.

Andro vitsivitsy izao dia nanao vidéo koa aho. Raha te hanaraka izany ianao dia tsindrio ETO. Mbola fitohizan'ny pejy ihany io ka ezahina mba vidéo tsotra no atao ao. Ny connexion aty Madagasikara moa iaraha mahalala fa tsy mazaka afa-tsy zavatra maivamaivana. Mbola vao miana-mandeha indray amin'ny fanaovana vidéo, ny fitaovana tsy tena harifomba saingy ilay passion eo foana. Io angamba no tena ahafahana manao zavatra sy mivoatra hatrany.

Raha liana amin'izany sehatra miresaka maquillage natokana hoan'ny Malagasy izany ianao dia aza misalasala mi s'abonner ao amin'ny Youtube na manao J'aime ao amin'ny PEJY. Mbola mahafaly foana tsinona ny mahita j'aime na abonnement vaovao hatramin'izao.

Mandra-piresaka tompoko

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire