mercredi 30 juillet 2014

Maka tahaka sa maka hainga-panahy?

Salama tompoko

Asa ianareo raha toa ahy fa izaho dia tena mijery vidéo sy blog maro be mahakasika ity resaka maquillage ity. Tiako ny mijery ny produits nampiasain'ny olona sy mijery ny fivoakany eo amin'ny hendriny. Tiako koa ny mijery sary satria sehatra iray tena hiroborobon'ny sary tokoa ny resaka hatsaràna na beauté hoy ny teny frantsay. Ary ny tena tiako indrindra dia ny maka ainga-panahy amin'ireny zavatra maro hitako ireny dia mba ianarako sy averiko amin'ny maso sy ny tarehiko ary ny hohoko koa. Tena manampy be amin'ny fifidianana produits de soins ny vidéos sy articles hita etsy sy eroa satria manoro ny marika tsara, ny effets secondaires sns. Noho izany dia anjaranao no mijery hoe iza amireny produits anjatony ireny no mety aminao. Raha resaka maquillage kosa indray dia matetika aho no miteny hoe "ala-tahaka" satria rehefa mamerina maquillage iray aho dia tena maka tahaka ny fomba nanaovan'ilay olona nanao azy mba hampivoaka azy tsara. Toa manana endrika ratsy ilay teny hoe "ala-tahaka" nefa ireny tutoriels aman'arivony hitatsika ao amin'ny youtube ireny aza anie dia natokana indrindra ho alaina tahaka e. Fa ny tena mahafinaritra dia ilay maka-tahaka amina olona maro dia manao zavatra iray, ilay tena tiana sy mety amin'ny tena. Ohatra hoe, hindramiko ny fanaovan'i Rasoa ny volomasony, ny fanaovan'i Niry ny eyeliner-ny, ny fanaovan'i Fanja ny volony dia amboariko araka izay hitako fa manendrika ahy. Tsy mety ve izany hoy ianao? Satria amin'ny fiainana an-davanandro dia mahakamo matetika ny olona maka-tahaka. Saingy izao an, tsy fanao ny maka-tahaka fahatany ka manao randrana tsy mendrika ny tena. Raha misy zavatra tianao dia handramo ka raha mety dia tohizo, raha tsy manendrika kosa dia aleo hijanona. Aleo izany lanjalanjaina tsara e. Hoan'ireo mahatsiaro tena ho misy maka tahaka kosa dia aoka ho tsaroana fa ny soa no fianatra ary tsara matoa halain'ny olona tahaka. Ny toetra tsara, ny fahalalam-pomba, ny zavatra mety...ireny mantsy no "faka-tahaka" Mitovy amin'ny hoe ranona mitsiky sy faly foana ka aleo alaiko tahaka. Ho ahy manokana, matoa aho manao blog, manao vidéo Youtube sy mizara ny kely haiko ao amin'ny page Izay tia maquillage dia satria mba tiako raha alainareo tahaka ny zavatra ataoko. Tsy ny maquillage ihany fa ny fitiavana mizara ny kely hay. Ary tsoriko fa toetra iray nalaiko tahaka tamin'ny hafa koa io.



Isany maquillage hitako nataon'olona tao amin'ny Youtube ity zaraiko aminareo manaraka ity. Tsy tadidiko intsony ny anaran'ilay youtubeuse nanao azy fa raha sendra hitanareo any ho any dia lazao ahy. Tsy tena hoe mitovy tsy misy valaka amin'io aloha e fa mba naka inspiration taminy aho on va dire. Maitso no mibahana eto fa misy marron, cuivre, volom-boasary koa miasa eo. Tsy dia misy zavatra sarotra nanao azy. Ilaina be ny estompage mba ho dégradé tsara ireo loko miasa. Mety tsara hoan'ny maso marron ity maquillage ity ka raha mahaliana anao dia alao-tahaka soa aman-tsara mihintsy ny fomba fanaovana azy. Sady isany maquillage mora ny manao azy. Raha tsy mety aminao ny maitso dia maro ny loko azo asolo azy.

Indro ary ny vidéo manoro ny fomba nanaovako azy.


Raha te hanaraka ny vidéos publiées rehetra dia manaova abonnement ao amin'ny Youtube.


Misaotra anao namaky sy nijery
Mandra-piresaka tompoko

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire