mercredi 23 juillet 2014

Maquillage iray azo entina amina soirée

Salama tompoko

Tsy dia mandeha soirée loatra aho nefa rehefa misy fotoana mivoaka dia tena tiako tokoa ny manao maquillage. Asa na hoe izy amin'ny alina ve sa ahoana fa sahy maquillage somary mavesatra aho rehefa soirée. Isan'ireny ity iray ity. Fards taupe somary argenté sy manga antitra no nampiasaiko teto. Ilay manga io manga antitra misy reflet manga turquoise saingy miala foana ilay reflet rehefa estomper-na be ilay izy. Na izany aza tiako io maquillage io. Mety ho lava be ny resaka raha azavaina eto amin'ny antsipirihiny ny fanaovana an'ilay maquillage fa ny sary angamba no aleo hiteny. Enga anie mba hanampy anao ity vidéo ity satria efa niezaka mafy aho hanazava azy araka izay tsotra sy mazava indrindra.



Raha misy fanotaniana dia afaka apetraka ao amin'ny Izay tia maquillage satria ao aho no tena connectée matetika. Raha te ahita foana ny zavatra publier-na ianao dia afaka mi s'abonner na eto amin'ny blog, na ao amin'ny Youtube, na ao amin'ny Izay tia maquillage (facebook)

Mandra-piresaka tompoko


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire