mercredi 23 juillet 2014

Tena mahasoa tokoa ve ny vahona?

Salama tompoko

Faheno matetika hoe tsara ny vahona. Asa raha fantatrareo ny atao hoe vahona. Raha jerena dia mitovy karazana amin'ny taretra ny vahona. Mety manotany ianareo hoe fa inona koa izany taretra? hihihi Jereo amin'ny google anie ny hoe Aloe Vera e, ITY  ilay atao hoe vahona.

Efa taona maromaro izay aho no nisy nanoro hoe raha olona tsy salama lava, eny fa na misy cancer aza dia mety ho sitran'ny vahona. Amin'izay fotoana izay dia ohanina ny vahona fa tsy io vahona hita eny an-tsena io akory an. Misy ireny fanafody fisotro varotana eny amin'ny Homeopharma ireny dia ireny hono tsara hitaizana vatana satria ody fery anaty.

Efa heno matetika koa fa betsaka ny tombotsoa azon'ny hoditra amin'ny vahona. Vao naheno izao karazana vertus ny vahona rehetra izao aho dia te hanandrana nefa nisy niteny hoe tsy mety ny vahona nodidina tamin'ny antsy (na tamin'ny vy hafa) fa mila tapahana tanana. Hany ka tsy dia sahy nividy loatra aho teny an-tsena satria misy mivarotra ireny ravina vahona ireny. Misy ohatra manoloana ny hopitaly HJRA iny dia misy koa eo Analakely, amin'ilay lalana makany Ambodifilao.



Fa nisy fotoana izahay nakany ambanivohitra dia nahita teny an-tendrombohitra teny dia naka raviny iray. Netina nody dia napetraka ao anaty frigo. Nofonosiko sachet ihany satria maina ilay izy raha avela amin'izao. Nanandrana voalohany aho, tsy dia convaincue. Nosorana fotsiny ilay ranony iny dia navela teo amin'ny tarehy. Tsy dia nahazo aina aho fa nisintona ny hoditra sns. Hany ka nesorina ilay izy adiny iray avy eo ary kivy fa maina be ny tarehy. Noho izany dia lasa kamo aho hampiasa vahona katapa-kevitra fa hiandry ny andro mafana vao hiverina hampiasa satria maina be ny hoditra amin'izao ririnina izao.

Nefa raha natao ny fandihina dia hoe vahona efa ato ve dia avela fotsiny eo. Dia tapa-kevitra hanandrana indray fa nomanina tsara ny hoditra. Nasiana crème hydratante tsara ny alina dia nodiovina ny maraina. Izaho moa tsy dia mampiasa inona loatra fa rano matimaty amin'ny vovoa fotsiny no hanadiovako azy. Ka ampangotrahina aloha ny rano dia avela ho matimaty fa tsy hoe apetraka ambony afo dia vao matimaty dia ajanona. dia esoriko amin'iny ny menaka satria moa ny alina miteraka menaka foana ny tarehiko (tena tsy rariny mihintsy) Rehefa vita izay dia sokafana amin'ny tanana ny vahona mba hizara roa izany hoe mba hisokatra ilay raviny iny dia hita eo ilay nofony. Ny ahy hosorako amin'ny tarehy avy hatrany ilay nofony anatiny iny dia miala tsikelikely ilay ranony somary madity. Mangatsitsika mahafinaritra ilay izy aloha e. Dia rehefa somary marina dia somary kikisana amin'ny hoho satria mbola misy ranony ao ambanin'ilay nofony iny. Nataoko matevina tsara izy tamin'ity indray mitoraka ity dia navelako elaela teo (adiny telo) Vovoa sy rano matimaty ihany no anesorana azy.

Tsy dia nisy effet manokana nandrasako tamin'ny vahona fa mba nanantena fotsiny aho hoe hanidy ny maso-koditro ilay izy. Mba naniry koa aho hoe hanala ireo mony kely be dia be ao amin'ny handrina. Nony nesorina dia asa na impression na tena izy fa toa tsy dia hita be intsony ireo mony. Ny maso-koditra aloha dia tsy nikatona mihintsy e (Argile verte mihintsy no tsara handramana amin'iny lafiny iny) Ny hariva ihany dia naveriko ilay masque fa kosa nentiko natory. Dia hita fa mbola niha-maina ihany ny mony (ilay izy izany tsy mony be misy lohany ireny e fa ohatrany monimony kely tsy haiko izay hilazana azy)

Ka inona moa izany fa dia lasa tiako ilay vahona hihihi. Efa manotany tena sahady aho hoe aiza no ahita rehefa lany ilay raviny ato? Ny hariva efa hatory izany aho no hampiasa azy. Saingy raha mbola misy fikasan'olon-dehibe (azonareo ny tiako lazaina) dia aleo rehefa tena hatory vao apetraka fa mangidy velona. Izay tokoa an, mangidy be ny vahona. Ny hoditra sy ny tanana dia mafaitra tsaratsara mihintsy rehefa tratrany. Mora afaka amin'ny rano sy savony ihany aloha ilay amin'ny tanan'e.

Mandra-piresaka tompoko

2 commentaires:

  1. Mba omeo vahona kely aho aky a! Rehefa mahita raviny njy dia mba manomeza kely

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. tafavoaka eo Ivato angaha izany? Si oui dia handefasako ndry

      Supprimer