mardi 15 juillet 2014

Inona ny astuces hoan'ny hoho tapatapaka?

Salama tompoko

Maro isika mpanaraka ny Izay tia maquillage no mangataka fikafika kely mba tsy ho mora tapaka ny hoho. Anisan'ny olana mpahazo antsika vehivavy manalava hoho io ka ireto ary misy astuces afaka andramana ahitana izay tena mandaitra.

Manamafy sy manafotsy hoho ny voasary makirana. Tsy misy fatrana faharetany voafetra fa rehefa afaka mikosoka hoho amin'ny voasary makirana dia ataovy. Ho ahy manokana dia alohan'ny anariana ny voasary makirana avy nakana ranony hanaovana jus dia kosehina amin'iny aloha ny hoho. Manalefaka ny hodi-tanana koa ny voasary makirana.

Misy namantsika nanoro koa tao amin'ny Izay tia maquillage fa manamafy hoho koa hono ny hotra amin'ny huile de ricon sy huile d'olive mifangaro.

Inona moa zany fa ny manandrana sisa no tsara atao. Mirary anao ahita soa amin'ny toro-hevitra zaraina eto.

Mandra-piresaka tompoko

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire